Finoana – 09

… tohiny

MIFANOHITRA AMIN’NY FAHALALANA NY FINOANA.

Maro ny olona manao hoe  : « Mamaky Baiboly isan’andro aho. Fantatro fa nahasitrana ny marary Andriamanitra, nefa nivavaka aho ka nivavaka, tsy fantatro zay tsy amalian’Andriamanitra ny vavaka ataoko, leo aho ! « Maro no mahalala fa velona tety an-tany Jesosy, dia maty ary nitsangana tamin’ny aty, nanasitrana izay rehetra annatona Azy mba hositranina. Manana fahalalana izy tahaka ny nahalalany fa nisy Kaisara na Napoleona ary nitari-tafika izy ireo… Fa tsy manampinoana izy ireo… satria tsy matoky izay nolazain’Andriamanitra fa hataony !

Tsy ny « mino ny Tenin’Andriamnitra rehefa mivavaka », « Miravoravoa amin’i Jehovah hianao dia homeny anao IZAY IRIN’NY FONAO » (Sal. 37  : 4) (Fanasitranana ny tenanao raha marary hianao, na fanampiana amam-bola, raha sahirana hianao ets, na zavatra hafa koa angatahinao) no ataony, fa ny mieritreritra mandrakariva izay hataony raha tsy mahazo valim-bavaka. Raha mbola voan’ny tazo izy na mbola misy fanaintainana, na mivonto na henjana… na raha tsy tazan’ny masony ilay zavatra angatahiny ary tsy azony an-tsaina izay fomba hamalian’Andriamanitra ny vavaka ataony, dia tsy ny famelana an’Andriamanitra hanao ny fahagagana araka izay nampanantenainy sy ny « MINO izay efa nampanantenain’Andriamanitra ; ary mifaly fa mitondra valim-bavaka ho azy Andriamanitra » no ataony fa very hevitra , midodododo mankany amin’ny dodoera ary maniry an’Andriamanitra mba hanao zavatra ho azy.

Tsy finoana ny fanantenana, tsy finoana ny fangorahana. Na dia mangorapo aza Andriamnitra ary efa nanomana fahasitranana ho an’ny olona REHETRA, dia tsy mbola mahazo izay nampanantenain’Andriamanitra ka dia manao arak’izany  : Mandeha sy miresaka eo amin’ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra ny finoana, fa tsy eo amin’ny fahazavan’ny zava-mitranga, fanaintainana, na tsy fahafahana ara-batana, « fa finoana no andehantsika fa tsy fahitana » (II Kor. 5  : 7).

Tsy finoana ny FANGORAHANA. Voafatotra ny tanan’Andriamanitra mandra-pahatongan’ny fotoana anekentsika izay nataon’i Jeosy ho antsika.

Tsy afaka handoa vola aminao ny mpitahiry vola ao amin’ny tranom-bola raha tsy mampiseho fahalalana hianao fa manam-bola hakana iay tadiavinao. Mety ho fatin-kanohanana hianao na dia feno volanao aza ao amin’ny tranom-bola, angamba te-hampaka anao vola ho haninao ny tompon’ny tranom-bola, kanefa raha tsy hianao no mihetsika, tsy afa-manao na inona na inona ho anao ilay tompon’ny tranom-bola. Dia toa izany koa amin’Andriamanitra. Nanomana fahasitranana ho antsiaka rehetra Jesosy… be no mijaly, fa tsy hitondra soa ho an’ny olona izay zavatra nomanin’i jeosy ho azy mandra-pinony izay nomanin’i Jesosy ho an’ny tenany.

Manome fototra ho an’ny finoana ny fahalalana ny SITRAPON’ny Ray… Mampitombo avo roa heny ny tanjaky ny finoanao ny fahalalana iay nataon’Andriamnaitra ho an’ny hafa… fa rehefa ampiasainao ao amin’ny tenanao ny Tenin’Andriamanitra, dia omen’Andriamanitra finoana tanteraka hianao izay mitombo isaky ny misy zavatra ilana ary manoa arak’izany teny fikasan’Andriamanitra izany hianao !

Miasa amin’izay lazain’Andriamanitra fa marina ny finoana.

hitohy …