Finoana – 08

…tohiny

FITAKA MOMBA NY FIVAVAHANA.

Ny Baiboly no didim-pananan’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra.

Betsaka ny mpitandrina sy mpampianatra sahy manova ny hevitry ny hoe DIDIM-PANANANA azo ovana aorian’ny fahafatesan’ilay nanao azy. Talohan’ny nandaozany izao tontolo izao, dia navelan’i Jesosy ny DIDIM-PANANAN’ny Rainy momba ny mpanota sy ny marary, tamin’ny nilazany hoe  : « izay mino sy atao batisa no HO VONJENA », sy « hametra-tanana amin’ny marary izy (ny mino) dia HO SITRANA ireny » Mety hamitaka anao tsy hahazoanano ny tombon-tsoa noho Kalvary ny mpitory sy mpampianatra ary loholona sandoka amin’ny fandisoany ny hevitry ny DIDIM-PANANANA ho anao. Fa vakio ho anao ny DIDIM-PANANANA ry sakaiza. Raha marary sy mila fanampiana hianao, lavo izay fandikana tsy araka ny Soratra Masina ataon’ireo manantona ny fandrianao ka milaza aminao haharitra ny fanaintainana, ets.

VAKIO NY DIDIM-PANANANA. Araraoty izy. Angataho ny tombon-tsoa ao. Ampiasao ny zo anananao ka voarakitra ao. Vonon-kapihatra izay zo rehetra efa nekena ho anao ny lanitra manontolo raha sahy mitaky izany hianao. Mpandainga Satana sy rain’ny lainga, ary finaritra amin’ny fanajambana ny lehilahy sy vehivavy sy hahita ny zony ao amin’ny fanekena sy ny tombon-tsoa ho azy voavidy tao Kalvary. Fa hoy Jesosy  : « Ho fantatrareo ny MARINA, ary ny marina HAHAFAKA anareo tsy ho andevo » (Jaona 8  : 32).

Inoy izao ankehitriny izao ny teny fikasany. Tsy misy fotoana metimety noho ny androany hanatanterahan’Andriamanitra aminao izay nampanantenainy.

Amin’ilay minitra ahatsapanao fa anao manokana ny teny fikasana nataon’Andriamanitra momba y fanasitranana ny marary REHETRA, dia vonon-KIASA ny finoana ary tonga ny fahasitranana.

Aoka hamafisiko  : Fampisehoana mivantana maintsika izay zavatra mahaliana an’Andriamanitra hatao amintsika ny teny fikasana rehetra ao amin’ny Teniny. Anankiray amin’ny fahadisoana lehibe indrindra vita amin’izao andro izao dia ny fanaovan’ny olona ny Tenin’Andriamanitra ho toy ny boky hafa rehetra ihany. Tokony homenao toerana sahala amin’izay homenao an’i Kristy raha hitanao vatana ny Tenin’Andriamanitra. Miresaka aminao ny Teniny ary milaza aminao zavatra tsy misy hafa amin’izay ho lazainy aminao raha mandre ny feony miteny aminao hianao.

Tsy azonao sarahina amin’Andriamanitra ny Teniny. Tsy ny Teny ihany Izy fa miambina ny teny nampanoratiny koa mba hanamafisany azy ary hanao izy tsy hampisy horaraka na dia teny iray aza amin’ny teny soa nampilazainy (I Mpaj. 8  : 56). Hoy ny anjely  : « Tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra » (Lio. 1  : 37).

hitohy…