Azonao atao ny ho voavonjy amin’izao androm-pahavelomana izao
Ny famonjena
Ny famonjena no foto-kevitra lehibe indrindra ao amin’ny tantaran’ny filazantsara, ary izy no hafatra lehibe indrindra nampitondraina ho an’ny olona. Taon-jato maro talohan’ny nahatongavan’ny Mesia no efa naminanian’i isaia ny hiaviany ka nanaovany hoe: “Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo” (Isa.35:4). Raha nanambara ny haterahany ny anjelin’Andriamanitra dia nilaza ny momba an’i Maria tamin’i Josefa hoe: “hiteraka zazalahy izy ary ny Anarany hataonao hoe “Jesosy”; fa izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany” (Mat.1:21). Izany no nanirahana Azy teto an-tany. Hoy Izy: tonga any Zanak’olona mba hitady sy hamonjy ny very”.(Lio.19:10). Nanamafy ny Apostoly Paoly fa “tonga tety ambonin’ny tany Kristy hamonjy ny mpanota” (ITim.1:15). Petera nilaza fa nasandratr’Andriamanitra Kristy ho “Tompo sy Mpamonjy” (asa .5:31); fa araka ny Hebreo kosa dia mbola “mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy”. (Heb.7:25). Ka noho izany ny famonjena dia tsy maintsy ho:
Zavatra azo atao ankehitriny
Voalaza ao amin’ny Testamenta Vaovao, hatrany am-piandohana ka hatrany am-piafarany, fa mety ho azon’ny olona amin’izao maha eto ambonin’ny tany azy izao ny famonjena. Raha nanontany ilay filipiana mpiandry tranomaizina hoe : “inona no mety hataoko mba hamonjena ahy?” dia nomena azy niaraka tamin’izay ny valiny hoe minoa an’i Jesosy Kristy Tompo dia hovonjena ianao” (Asa.16:30,31). Ary hoy Paoly : “tsy menatra ny filazantsaran’i Kristy aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany” (Rom.1:16).