Ny Batisan’ny rano

ARAKA NY NAMPIANARAN’I JESOSY SY NY NANAOVANY AZY

NY SAKRAMENTAN’NY FIANGONANA

Misy Sakramenta anankiroa izay nandidian’i Jesosy Kristy Tompo ary tena ilaina mihintsy izy ireo satria didy avy amin’Andriamanitra. Ireto avy izy ireo : ny BATISAN’NY RANO sy ny FANASAN’NY TOMPO

Noho ny fananany toetra masina no iantsoana azy hoe : Sakramenta ( “zavatra masina” raha adika ara – bakiteny).

Atao hoe koa fombam – pivavahana izy satria fomba nodidian’ny Tompo mihintsy harahana.

Ny Batisa amin’ny rano no fomba fidirana ao amin’ny fiangonana Kristianina ary fanambarana ny fiandohan’ny fiainana aram – panahy. Ny Fanasan’ny Tompo dia ny fomba fampisehoana firaisana, ary fitohizan’ny fiainana ara – panahy no heviny. Iry voalohany izany dia mampiseho ny finoana an’ Kristy, ary ny faharoa kosa dia ny firaisana Aminy. Ilay voalohany dia atao rehefa mibebaka ny olona sy miova ary mahazo fiainam – baovao avy amin’Andriamanitra, satria tsy misy afa – tsy indray mandeha ihany ny fiatombohan’ny fiainana ara – panahy.

Ny faharoa kosa dia atao matetika ary mampianatra fa tsy maintsy omen – tsakafo ny fiainana aram – panahy.

NY BATISA

Ny fitandremana ny fombam – pivavahana ao amin’ny fiangonana ao amin’ny Testamenta Vaovao dia miankina amin’ny napetraky ny Tompo tamin’ny Apostoly hoe : “Mandehana hianareo, ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina; sady mampianatra azy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo, ary indro izaho momba anareo mandrakariva, ambara – pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” ( Mat. 28 :19 – 20). Eto amin’ity an – dalany ity no ahitantsika fa atao didy mihintsy ny fombam – pivavahana ary tsy maintsy tohizana mandrakizay ny fitandremana azy ambaram – pahatongan’ny fahataperanan’izao tontolo izao”.

NY BATISAN’NY RANO

Ny hafatra farany napetrak’i Kristy, arak’izay nomen’i Marka, dia izao : “ Ary hoy Izy taminy : mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Izay mino sy ato batisa no hovonjena ; fa izay tsy mety mino no hohelohina” ( Marka 16: 15 – 16). Mamaritra mazava tsara io andininy io fa izay tokony hatao batisa dia ireo olona afaka hihaino sy hahalala ary hino ny Filazantsara ary tsy manam – piovana sy fitazonana izany fetra izany teo amin’ny Apostoly nandritry ny fotoana niasany. Ohatra : efa voavakintsika ny amin’ireo olona maro be nandray ny tenin’Andriamanintra tao Samaria, izay manao hoe :

“ Ary rehefa nino an’i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny anaran’ Jesosy Kristy izy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy” (Asa. 8:12). “Ary maro koa ny Korintiana, raha nadre , dia nino ka natao batisa”(Asa 18:8). Nandre izy aloha, dia nahazo ny Filazantsara izay ny teny soa mahafaly fa maty noho ny fahotantsika Kristy ary nanafaka antsika tamin’ny helontsika ; dia nino izy izay vao natao batisa.

Tsy mahataka – javatra ny zaza ary tsy mahay mino. Noho izany dia batisan’ny mino ny batisa amin’ny rano.

Ilay fanao mahazatra ka antsoina hoe batisan’ny zaza dia tsy ampianarina na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly,na dia amin’ny andininy na santionany iray monja aza. Ary tsy hita amin’ny boky na inona na inona koa ny batisan’ny zaza raha tsy efa tamin’ny faramparan’ny taon – jato faharoa, ary hatramin’izay dia nampidirina izy noho ny fahadisoana anankiroa nampianarina, dia ny hoe: 1) Simba noho ny ota nolovany ny zaza ka dia meloka sy very . 2) Manadio amin’ny ota ny batisa.

Nony ninoana ireo fampianaran – diso anankiroa ireo dia nanaraka ho azy ny batisan’ny zaza, fa izany ihany no lalana hanesorana ny fahasimbany sy hanakana azy tsy ho any amin’ny helo raha maty.

Tsy misy antony marim – pototra na ao amin’ny Baiboly, na any ivelany, manamarina io fomba fanao amin’ny zaza io . Tsy dia mavesa – danja loatra ilay filazana fandre matetika hoe tsy maintsy ho nanao batisa ny zaza ny Apostoly satria nanao batisa izay rehetra ao amin’ny ankohonana izy ireny indraindray.

Tsy misy mantsy fanamarinana na dia indray mandeha monja aza milaza fa nisy zaza tamin’ireny ankohonana ireny. Ary tsy izany ihany, fa ny mino ihany no natao batisa mandrakariva, araka ny hita ao amin’ny Soratra Masina. Ohatra jereo izay voasoratra momba ny ankohonan’i Kornelio ( Asa 10), sy ny ankohonan’ilay mpiandry tranomaizina ( Asa 16 : 31 – 34). “ Vokatry ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra ny batisa”

( I Pet 3: 21) ary tsy miasa ao amin’ny zaza io fieritreretana io.

Raha azo atao amin’ny zaza ny fombam – pivavahana iray, nahoana no tsy ahazoana manao aminy ny fombam – pivavahana rehetra? Tahaka ny tsy ampianaran’ny Soratra Masina ny Fanasan’ny Tompo ho an’ny zaza no tsy ampianarany koa ny batisan’ny zaza.

Raha mihalehibe ny olona ka mitombo amin’ny ota, nefa manantena fa Kristiana, satria efa natao batisa fony fahazaza, dia saika tsy hita mihintsy ny hevitra hampanekena azy fa tsy Kristiana velively izy ; kanefa tokony hahalala izany marina izany izy alohan’ny hahazoany miova tanteraka ho an’Andriamanitra.

Manambara tsy amim – pisalasalana aho noho ny tahotro an’Andriamanitra fa azoko toky marimarina fa tsy nisy fampianaran – diso nampidirina amin’ny anaran’ny maha – Kristiana ka nandefa olona maro any amin’ny fahaverezana tahak’ity fanantenana poak’aty, dia ny batisan’ny zaza.

Tsy dia fanaovana batisa loatra akory no manimba, fa ilay finoana aterak’izany hoe Kristiana hatrany amin’ny fahazazany ilay olona. Matanjaka dia matanjaka io finoana io, indrindra fa any amin’ny tantsinanana izay iantsoana ny olona rehetra vita batisa ( tsy mampaninona izay fitondratenany) hoe Kristiana ; ary ireo izay tsy mba nanaovana izany fombam – pivavahana izany kosa dia antsoin’ireo milaza azy ho Kristiana ireo hoe mpanompo sampy mandrakariva.

Fa hoy ny fampianaran’ny Baiboly ao amin’ny Jaona voalohany 3 : 8 “ Izay manota dia avy amin’ny devoly, satria ny devoly manota hatramin’ny voalohany”, koa tsy azo antsoina ho Kristiana ny olona tahaka izany – satria olona manaraka an’i Kristy sy mankato ny teniny no atao hoe Kristiana.

Fa ny haterak’Andriamanitra no lalana hahatongavana ho Kristiana, ary manaraka Azy amin’ny fiainana masina, araka izay ampianarina mazava tsara ao amin’ny andininy telo manaraka dia ny 9,10,11 “ Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak’Andriamanitra.

Izany no mampiseho miharihary izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly.

Tsy avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny. Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ny voalohany : tsy maintsy mifankatia isika ”.

Ny fampianaran’i Kristy anefa dia hoe : “ Raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy hahita ny fanjakan’Andriamanitra ” ( Jaona 3 : 3) sy hoe “ Izay mino sy atao batisa no hovonjena ”.

Satriko hono mba hanan – kery hampifoha ireo olona an – tapitrisany matory eo amin’ny fanantenana poak’aty hoe efa natao batisa marina aho fony mbola zaza ka dia Kristiana. Ahoana no ahazoanao milaza ny mpanota ho Kristiana, izay mpandainga na mpimamo, na olona misao – bady, na velona amin’ny fomba feno ota. Kanefa ny Baiboly mampianatra mazava fa avy amin’ny devoly ireny arak’ireo andininy ao amin’ny Jaona voalohany 3:8 – 9 – 10 – 11 voalaza etsy ambony ; ary raha nanantona an’i Jesosy ireo mpitondra fivavahana tsy velona araka ny Baiboly ka nanao taminy hoe mino sy zanak’i Abrahama, dia hoy Jesosy nilaza taminy mivantana : “ Hianareo avy amin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga” ( Jaona 8:44).

BATISA VOAOMANA HO AMIN’NY FIBEBAHANA

“Ary tamin’izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao Batisa ka nitory …sy nanao hoe : Mibebaha hianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra …Dia nivoaka nankany aminy avokoa Jerosalema sy Jodia ary ny tany rehetra amoron’i Jordana ka nataony batisa tao amin’ny ony Jordana rehefa niaiky ny fahotany” ( Mat 3:1 – 6).

Tsy ny nampianatra ny tokony hiaikena ny fahotana sy ny hanaovana batisa fotsiny no nataon’i Jaona, fa nataony mihintsy izay hiaiken’ny olona ny fahotany ary tsy nety nanao batisa azy izy raha tsy niaiky heloka ireo. Ankoatr’izany dia tsy maintsy nisy fanamarinana sy nitondra voa miendrika ny fibebahana fa tsy tamin’ny fitenenana tamin’ny molotra fotsiny hoe efa mibebaka. “ Fa nony nahita ny Fariseo sy Sadoseo maro nanatona ny batisany izy dia hoy izy taminy : Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana hianareo” ( andininy 7,8).

Ao amin’ny toerana hafa kosa dia izao no vakintsika : “ Nandà ny fikasan’Andriamanitra kosa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna satria tsy mba nanatona hatao batisa (Lio. 7: 30). Satria tsy nety nameno ny fepetra nilaina momba ny batisa izy dia hoy ny teny nentina nilaza azy : “nandà ny fikasan’Andriamanitra izy”. Ary izany koa no hilazana ny olona rehetra tsy mety manaraka ny fombam – pivavahana, amin’ny fandavany ny batisan’ny Baiboly no andavany koa ny Tenin’ Andriamanitra.

Tamin’ny toriteny nataony tamin’ny andro Pentekosta dia nampianatra izany zavatra marina izany koa Petera ka nilaza fa ilaina aloha ny fibebahana vao atao batisa : “Mibebaha ary aoka samy hatao batisa” ( Asa. 2: 38).

Raha tsy amboarina tsara amin’ny fibebahana ny fo ho tonga ao amin’ny toetra ilaina, dia tsy misy dikany toa inona na fanaovana batisa na dia ampanarahana ny fampianaran’ny Baiboly sy ataon’ny tena mpanompon’Andriamanitra aza. Simona mpanao ody tao Samaria dia natao batisa niaraka tamin’ny mino hafa koa, fa nony tonga Petera sy Jaona dia niseho ny tsy naha – voaova ny fon – dralehilahy. Tsy nahala ny fitiavana faimboniana nananany hatry ny ela ny fanaovam – batisa azy tamin’ny rano, na dia Filipo, lehilahy feno ny Fanahy Masina, aza no nanao izany. Dia niteny taminy mazava Petera ka nanao hoe : “ Tsy manana anjara na raharaha amin’izany zavatra izany hianao, satria tsy mahintsy fo eo anatrehan’Andriamanitra” (Asa . 8: 21).

Ny batisa dia fomba fampisehoana ny fandevenana sy ny fitsanganan’ny Tompontsika ; koa noho izany dia ny fanasokana anaty rano no mifanaraka aminy. Fa ny mino tsirairay mantsy dia tahaky ny manaraka an’i Kristy ao amin’ny fahafatesany sy ny fandevenana azy ary ny fitsanganany.

Voalohany aloha dia maty ny amin’ny ota izy, dia homboana miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana ( Gal. 2: 20) ka miara – kalevina Aminy ao amin’ny batisa ary hatsangana miaraka Aminy koa noho ny finoana ny asan’Andriamanitra izay nanangana Azy tamin’ny maty” (Kol. 2: 12).

Koa dia tonga fanambarana ety ivelany ny asa ao anaty izany ny batisa. Foràna amin’ny famorana tsy ataon – tanana isika aloha amin’ny fanesorana ny tenan’ny fahotan’ny nofo (andininy 11), dia “miara – kalevina Aminy ao amin’ny batisa” isika araka izay vao nambara (andininy 12).

Io hevitra io ihany koa no anaovana safeli – teny ao amin’ilay andininy malaza anankiray ao amin’ny

Rom. 6: 1 – 4 manao hoe : “Hataontsika izay efa maty ny amin’ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?”

“Koa niara – nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika ; mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam – baovao”.

Nalevina tamin’ny batisa Kristy . Nanao batisa tao Jordana Jaona (Mat 3: 6) “ tao amin’ny onin’i Jordana” (Marka 1: 5). “ Ary tamin’izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’i Jordana, dia nanatona an’i Jaona mba hataony batisa…Ary raha vao natao batisa Jesosy dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy; ary indro nisokatra taminy ny lanitra ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nipetraka teo amboniny, ary injao nisy feo avy tany an – danitra tahaka ny voromailala ka nipetraka teo amboniny, ary injao nisy feo avy tany an – danitra nanao hoe : ity no Zanako malalako izay sitrako”

(Mat. 13: 13 – 17). Tsy isalasalana fa nidina tao amin’ny ranon’i Jordana Jesosy mba hatao batisa ; satria raha vao natao batisa Izy dia “niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay”.

Eto isika no manana ny fanamafisana be indrindra momba ny fanasokana anaty rano izay hita fa tena fandaharana avy any an – danitra mihintsy.

1)      Jesosy mihintsy, Izay Zanak’Andriamanitra lahy no nanome ny ohatra . Io ihany dia efa ampy.

2)      Ny Fanahy Masina, dia ny Fahatelo amin’ny Telo Izay Iray, no nilatsaka ho vavolombelona tamin’ny nisehoany ho hita maso ka nakany ny endriky ny voromailala sy nipetrahany teo ambonin’i Jesosy.

3)      Niteny tamin’ny feo mazava ny Ray hoe : “ Izay sitrako”.

Ry mpamaky, raha mitady ny batisa araka ny Baiboly hianao dia araka ny ohatra nomen’ny Zanak’Andriamanitra dia hahazo fanamarinana avy amin’ny Fanahy Masina hianao ary ny Ray mihintsy no hiteny ao anatin’ny fonao hoe : “Izay sitrako”.

Izany no fomba fanaovana batisa tamin’ny fiangonan’ny Apostoly. Ao amin’ny toko 8 ao amin’ny Asa dia izao no vakintsika momba ny niresahan’i Filipo tamin’ilay tandapa ny amin’ny faminaniana momba an’i Kristy.

“Ary raha teny an – dàlana izy, dia tonga teo amin’izay misy rano, ary hoy ilay tandapa : indro rano, koa inona moa no manakana ahy tsy hatao batisa ?…Dia nasainy najanona ny kalesy ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin’ny rano ; dia nataony batisa izy. Ary rehefa niakatra avy teo amin’ny rano izy roa lahy, dia nentin’ny Fanahin’ny Tompo Filipo ka tsy hitan’ilay tandapa intsony ; fa nandeha tamin’ny nalehany izy sady nifaly”. (andininy 36 – 39). Tsy hisy heviny sy hampihomehy ity an – dalana ity raha ampifandraisina amin’ny rano atete na araraka, fa mifanaraka tsara kosa amin’ny fampianaran’ny Baiboly izy, satria “niara – nalevina taminy tao amin’ny batisa isika” (Kol 2 : 12).

Koa raha te – hanatanteraka marina ny Tenin’Andriamanitra ny olona ka te – hahazo ny batisa, dia tsy maintsy manaraka izao :

  1. Tsy maintsy mahalala na mandre ny Filazantsara izay matetika amin’ny alalan’ny mpanompon’Andriamanitra (Marka 16 : 15).
  2. Tsy maintsy mibebaka amin’ny fahotany izy ka mino ny Filazantsara : ny fanaovany izany no hanao ny famonjena azy (Asa . 3: 19 – 16 – 31 ; 2: 38).
  3. Tsy maintsy mitady mpanompon’Andriamanitra izay vonona hanao batisa azy izy (Asa 8: 36 – 37).
  4. Ny mpanao Batisa sy ny atao batisa dia tsy maintsy manka any amin’ny toerana misy rano be (Jaona 3 : 23).
  5. Dia tsy maintsy manaraka ny ohatra nomen’i Kristy tamin’ny batisany izy (Mat .3: 16) tamin’ny nidinany teo amin’ny rano (Asa . 8: 38).
  6. Dia tsy maintsy miara – kalevina Aminy ao amin’ny batisa izy.
  7. Dia tsy maintsy miakatra avy eo amin’ny rano amin’izay ny olona (Asa 8 : 39).
  8. Rehefa nankato ny Teny sy nanaraka ny Tompo ilay olona dia mahazo mandeha amin’ny lalany sy mifaly (Asa . 8 :39).

Moa mahatanteraka ny fepetry ny Baiboly va hianao ry mpamaky ka natao batisa toa izany ? Raha tsia dia tsy mbola natao batisa akory hianao ; fa tsy misy tena batisa raha misy tsy feno ny iray amin’ireo.

Misy fanontaniana telo izay tokony ho dinihina fatratra ary apetraka matetika momba ny fanaovam – batisa :

  1. Ahoana moa no fomba fanaovam – batisa tamin’ny andron’ny Baiboly?
  2. Inona moa no hevitra na ohatra entin’ny Batisa?
  3. Iza avy moa no mendrika hatao batisas araka ny Soratra Masina?

Aoka ho dinihintsika ireo fanontaniana ireo araky ny filaharany, ary dia hojerentsika ao amin’ny Baiboly ny valiny .

NY FOMBA

Ndeha hataontsika hoe misy Baiboly iray nalatsaka amin’ny Nosy anankiray izay tsy mbola nodiavin’ny misionera, ka mamaky sy mahazo ny hevitry ny Baiboly ny mponin’io Nosy io ; ary dia misy amin’izy ireo tokoa no niova fo tamin’ny famakiana io boky io ka te – hanao ny sitrapon’Andriamanitra rehetra. Raha mamaky tsara ny Testamenta Vaovao izy dia hahita vetivety foana fa tokony hatao batisa ny mino. Saingy tsy mbola nahita olona natao batisa izy ireo ka tsy maintsy mianatra avy ao amin’ny Baiboly izay tokony hatao.

Dia hohitany fa :

  1. Mila rano izany. “ Ary rehefa nandeha teny an – dalana izy dia tonga amin’izay nisy rano ; ary hoy ilay tandapa : indro rano, koa inona no misakana ahy tsy hatao batisa? ” ( Asa 8 : 36 ).
  2. Mila rano be ny fanaovam – batisa. “ Ary Jaona koa nanao batisa tany Ainona akaikin’i Saleima satria nisy loharano maro tao”, dia nankany ny olona ka nataony batisa”. ( Jaona 3 : 23).
  3. Mila ny fidinan’ny mpanao sy ny atao batisa ao amin’ny rano ny fanaovam – batisa. “ Ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin’ny rano ; dia nataony batisa izy ”. ( Asa 8 : 38).
  4. Mila fandevenana ao anaty rano ny fanaovam – batisa. “ Koa niara – nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika” ( Rom 6 : 4 ) “ niara – nalevina Taminy tamin’ny batisa ( Kol 2 : 12).
  5. Mila fiakarana avy ao amin’ny rano ny batisa. “ Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay ” ( Mat 3 : 16) “ Ary rehefa niakatra avy teo amin’ny rano izy roa lahy” ( Asa 8 : 39).

NY OHATRA

Mitory ny fahafatesana sy fandevenana ary fitsanganan’i Kristy sy ny mino izay manaraka Azy ny Batisa amin’ny rano.

“ Koa niara – nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam – baovao.

Fa raha nampiraisina taminy tamin’ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany” ( Rom.6 : 4 – 5) “ Niara – nalevina taminy hianareo tamin’ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa” ( Kol 2 : 12).

Ny teny grika nadika hoe “ batisa ” sy manao batisa dia izao mihintsy no heviny “ asoka ”

Miantso antsika hanao izay ampianarin’ny Teniny ny fahatokiana an’i Kristy, ka tsy hanolo izany “ fomba ” hafa.

Ho mariky ny fahatokiantsika ny Tompo dia tsy maintsy mitahiry ny didiny isika, dia izay nomen’ny Apostoly antsika ka voasoratra ao amin’ny Baiboly

NY MENDRIKA

Alohan’ny handaozana ity fianarana mahavariana ity dia aoka ho dinihintsika ireo izay mendrika hatao batisa.

Tena tsotra ny lalàn’Andriamanitra.

Tsy maintsy mibebaka aloha ny mpanota, dia mino ( Marka 1 : 15 ; Asa 2 : 38). Ny mino ary ny mino irery ihany no hatao batisa ( Mat 28 : 19 ; Marka 16 : 16 ) . Koa dia tsy ao anatin’izany ny zaza izay kely loatra ka tsy hahay mibebaka sy mino, ary manafoana koa ny batisan’ireo izay tsy nohavaozina tamin’ny fotoana nanaovam – batisa azy ihany.

Raha vakinao tanteraka ny Testamenta Vaovao mba hahitanao ny famerimberenana ny amin’ny lalàna, dia ho gaga hianao ny nanaovana batisa ny olona niaraka tamin’izay raha vao niova fo, ary koa ny fanamafisana nataon’i Kristy sy ny Apostoly ny amin’ny lalàna.

“ Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa? Dia nasainy natao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy izy” ( Asa 10 : 47 – 48).

Mariho manokana kely ireto andininy ireto :

“ Mibebaka ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo” ( Asa. 2 : 38 ).

“ Ary rehefa nino an’i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny iJesosy Kristy ireo dia natao batisa avokoa na lahy na vavy” ( Asa. 8 : 12) – “ Ary Simona koa mba nino ; ary rehefa natao batisa izy dia nanaraka an’i Filipo ”. ( Asa 8 : 13).

Ary raha nandeha teny an – dalana izy, dia tonga teo amin’izay nisy rano ; ary hoy ilay tandapa : indro rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa? ( Asa 8 : 36). “ Dia nasainy najanona ny kalesy ; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin’ny rano ; dia nataony batisa izy” ( Asa 8 : 39).

Ary niaraka tamin’izay dia nisy zavatra toy ny kiran’ny hazandrano niala avy tamin’ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa ( Asa 9 : 18 ) .

Ampitahao amin’ireto :

“Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa hianao ka ho sasana ho afaka amin’ny fahotanao ( Asa 22 : 16 ) .

“ Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa? Dia nasainy natao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy izy ( Asa. 10 : 47 – 48 ) .

“ Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an – tanana Tyatira, izay nivavaka tamin’Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain’i Paoly, ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin’ny ankohonany …” ( Asa 16 : 14 – 15 ) .

“ Ary izy roalahy nitory ny tenin’i Tompo taminy sy tamin’izay rehetra tao an – tranony. Ary nandray azy roa lahy izy tamin’izany ora amin’ny alina izany ka nanasa ny dian – kapoka, ary natao batisa tamin’izay izy mbamin’izy azy rehetra” ( Asa. 16 : 32 – 33 ) .

NY DIDIN’ANDRIAMANITRA SA NY FAMPIANARANA NATOLOTRA ANAREO ?

Nanome didy mazava tsara Andriamanitra izay novan’ny olona sasany mba hifanaraka amin’ny heviny. Ary izany fanovana izay notapahin’ny Komitim – piangonana hitondrana ny fiangonany no nahatonga ny didin’Andriamanitra ho foana, na dia mba zavatra mitovitovy aminy ihany aza no nasolony azy

( Mat. 15 : 1 – 20 ).

Fetsy satana : tsy tiany hivavaka marina ny olona mba tsy hanaovany ny zavatra tokony hatao hamonjena ny tenany ! Koa dia mba nanao zavatra mifandraindraika amin’izany ihany izy ; kanefa zavatra misakana ny olona tsy hanao izay mitondra azy mankany amin’Andriamanitra !

NY FAMPIANARANA NATOLOTRA ny olona izay mitondra fanahy maro any amin’ny helo dia ny fampianarana sy ny fanaovana ny BATISAN’I ZAZA izay nasolo ny BATISAN’NY FIBEBAHANA nampianarin’i Jaona sy Jesosy ary nataon’Izy sy ny mpianany koa.

Tsy dia ny fanaovam – batisa ny zaza loatra no manimba, fa ilay finoana manaraka azy hoe tonga Kristiana hatramin’ny fahazazany ilay olona, ary izany dia mampanana fanantenana diso ho an’ny olona hoe Kristiana izy ka efa mby eny an – dalana hoa any an – danitra. Anefa ny Tenin’Andriamanitra mampianatra fa tsy maintsy ateraka indray ny olona vao mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra, dia tahaka izay nolazain’i Jesosy tamin’i Nikodemosy, lehiben’ny Mpisorona, ao amin’ny Jaona toko fahatelo.

Mbola hitantsika indray ao amin’ny Jaona 1 : 12 – 13 ny maha – zava – dehibe ny haterak’Andriamanitra. “ Izay rehetra mandray azy dia omeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra”. Tsy mahay mandray an’i Kristy anefa ny zaza satria tsy mbola mahalala na inona na inona izy. Ary ampianarin’ny andininy manaraka mazava tsara hoe : “ izay tsy ateraky ny sitrapon’ny olona, izany hoe tsy misy olona mahatonga olon – kafa ho Kristiana amin’ny sitrapony ; ilay olon – kafa mihintsy no tsy maintsy manaiky. Koa raha manao batisa ny zaza hianao dia tsy hahatonga azy ho Kristiana akory, na noho ny sitrapon’ny nofo na ny ra, fa naterak’Andriamanitra”.

Tsy azo lovana avy amin’ny razana na ny ray aman – dreny ny maha – Kristiana sy ny famonjena. Fa tsy maintsy aterak’Andriamanitra hianao.

Tsy manan – jafy Andriamanitra ; ny olona tsirairay avy no tsy maintsy tonga zanany amin’ny safidiny sy ny finoany ary ny fanekeny ny Zanak’Andriamanitra. ( Jaona 1 : 12 – 13 ).

Mpanaraka an’i Kristy no hevitry ny teny hoe Kristiana, dia olona manaiky an’i Kristy ary manaraka Azy aminn’ny fahamasinana sy fahadiovam – piainana ka Mankato ny Tenin’Andriamanitra. Ary na iza na iza tsy manaraka an’i Kristy araka ny fampianaran’ny Baiboly dia Kristiana anarany fotsiny izy fa tsy tena Kristiana marina, ary tsy dia mitondra soa akory izany.

Hoy Jesosy : “ Izay MINO ( Mino aloha vao atao batisa ) SY ATAO BATISA NO HOVONJENA !” ( Marka 16 : 16 ). Tsy mahay mino ny zaza ; tsy fantany akory izay atao aminy ; tsy mila izany izy : mitomany izy indraindray, fa ny ray aman – dreniny no manao izany ho azy. FA TSY MAMPIOVA NY TOETR’ILAY ZAZA izany tsy akory ; mbola mandainga ihany nony lehibe, na mangalatra na mijangajanga ; fa satria efa natao batisa izy fony mbola zaza ary mandeha any am – piangonana ihany izay TSY MISY TORITENY MAMOTSIPOTSITRA ny helony ary mba mitondra Fihirana sy Baiboly ihany kanefa tsy mbola nateraka indray, dia tsy miova mihintsy ny toetrany. Koa dia avy eo am – baravaran’ny Fiangonana no hanitsiany any amin’ny helo satria miantehitra amin’ny nanaovana batisa azy fony mbola zaza ho famonjena azy. TSY NANOME FAMPANANTENANA TOA IZANY NA OVIANA NA OVIANA JESOSY !

Mitovy amin’ny olona itoriany ihany ny mpitory, mitory izany finoana diso izany satria jamba mitarika ny jamba ; tsy manana aim – panahy izy, ary izany no mahatonga azy hanao vavaka vakiana sy manaraka fandaharana momba ny toriteny hatao isan’Alahady. MATY AO AMIN’NY OTA SY NOHO NY FANDIKANA NY DIDY izy sy ny olona tandremany ary tsy hisy fiainana mihintsy raha tsy ny FINOANA nampivily lalana azy tamin’ny didin’Andriamanitra no foanana ! Ka soloana izay ampianarin’ny Baiboly mazava tsara hoe : ny olona tsirairay avy no tsy maintsy mino sy manaiky an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy ny tenany ka manaraka Azy amin’ny fiainana masina alohan’ny hahatonga azy ho tena Kristiana marina.

Aoka hodinihintsika ny fampianarana natolotra izay manoloana ny didin’i Jesosy manao hoe : mino sy atao batisa !

NAHOANA MOA NO ZAZA NO ATAO BATISA fa tsy olon – dehibe ?

“ Mba hanadio azy amin’ny ota nolovany”, hoy ilay mpitandrina iray izay taminay. Koa raha mahadio ny zaza amin’ny otany ny rano in – telo mitete, dia tsy ilainy izany ny hino an’i Kristy sy ny ra nalatsany hanasany ny helony.

Raha mahadio ny zaza amin’ny ota izany, nahoana izy no mbola mandainga, mangalatra, mijangajanga, ets, rehefa lehibe? Tonga hanavotra antsika amin’ny fahotantsika Jesosy, hanova tanteraka ny toentsika feno ota rehefa vory saina ka mahalala sy mino ary miantso ny anaran’ny Tompo mba ho voavela heloka ! Amin’izay fotoana izay indrindra no anaovan’i Jesosy hoe : Tsy maintsy atao batisa amin’ny rano.

Ireo izay nilaza fa “ MAHADIO AMIN’NY OTA NOLOVANA TAMIN’I ADAMA ny fanaovam – batisa ny zaza” dia aoka hahalala fa araka ny fampianaran’ny Baiboly dia vitan’ilay ADAMA FARANY izany, dia ilay Tompon’ny Voninahitra. “ Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra ao amin’i Kristy” ( I Kor. 15 : 22 ).

“ Fa raha ny fahadisoan’ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an’ny maro, mainka ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana amin’ny fahasoavan’ny Olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an’ny maro kosa. Fa raha ny fahadisoan’ny anankiray no nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben’ny fahasoavana sy ny fanomezan’ny fahamarinana no hanjaka amin’ny fiainana noho ny nataon’ny Anankiray, dia Jesosy Kristy. Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ny Anankiray.” ( Rom. 5 : 15 – 19).

Efa nanomana famonjena Kristy fa manan – tsafidy ny hanaiky na handa izany ny olona ! Hohelohina ho any amin’ny helo mandrakizay ny olona noho ny ota nataony raha tsy mibebaka ka mino ny hanovan’i Kristy ny toetrany !

Milaza mazava tsara ny Baiboly fa ny fanahy izay manota dia ho faty – fahafatesana no tambin’ny ota – hohelohina sy ho faizina amin’ny helo ny olona noho ny ota izay nataony.

Nandova toetra feno ota tamin’i Adama isika – mitarika antsika hanota io toetra feno ota io ka mahatonga antsika hanatanteraka ilay ota mihintsy na heloka madinika izany na heloka vaventy – na lainga – na hevi – dratsy – fankahalana – halatra – fijangajangana, ets. Fa ny zaza kosa izay tsy mbola nahavita heloka, tsy manan – tsiny ary tsy mbola manana feon’ny fieritreretana miasa, dia tena Anjely mihintsy ka tsy hohelohina na oviana na oviana –

Fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra – ary raha maty alohan’ny taona mahavory saina azy izy dia ho any an – danitra marimarina. Raha maty tamin’ny faha – 7 taonany ny zanakalahin’i Davida dia hoy Davida : Izaho no hankany aminy. Ary tsy nankany amin’ny helo velively Davida ! ( II Sam. 12 : 23 ) .

Mifanohitra amin’ny hitsiny sy ny filazan’ny Baiboly manontolo raha Andriamanitra Fitiavana no hametraka zaza tsy manan – tsiny any amin’ny helo satria tsy nanaovana ilay fombafomba ivelany mba antsoina hoe batisa izy, izay tsy misy vokany mivantana amin’ilay zaza akory ; kanefa ireo mihambo ho Kristiana satria hono natao batisa fahazaza, nefa mandainga rehefa lehibe, mangalatra, mimamo, mijangajanga, misara – panambadiana, miova vady, mikarakara fampisehoana sary mihetsika ary feno ota sy tsi – fahamarinana, dia mbola ho any an – danitra ihany noho izay nanaovana ilay fombafomba fony fahazaza ! Na dia any amin’ireo Fiangonana mampianatra io aza dia tsy avela handray ny Fanasan’ny Tompo ny olona raha tsy efa nanaraka fampianarana misimisy. Raha nahatonga azy ho Kristiana sy nampiova fo azy ny batisa amin’ny rano dia tokony hekena handray ny Fanasan’ny Tompo izy !

Raha manana Konkordansa hianao dia zahao ny teny hoe “ Batisa” ka jereo fa tamin’ireo niova fo ihany no nanaovana azy io ary nampakana ny endriky ny fandevenana satria tamin’ny fiteny tany am – boalohany dia ny endriky ny fandevenana satria tamin’ny fiteny tany am – boalohany dia “ aroboka” no hevitry ny teny hoe batisa sy hoe “ atao ao ambany ” – “ alevina”

Koa ny batisa amin’ny rano ho amin’ny famelan – keloka dia tokony hatao AORIAN’NY fanekena an’i Krisy ho Mpamonjy. Ny batisa amin’ny rano dia mampiseho fa ALEVINA NY TOETRA TALOHA ary OLOM – BAOVAO NO ATSANGANA AMIN’NY KRISTY JESOSY ! ( Rom. 6 : 3 – 6 . Gal. 3 : 27 ; Kol. 2 : 12 ).

Tsy hampiseho fandevenana na oviana na oviana ny rano intelo mitete.

Raha alevina ny maty, tsy hahatototra azy sy hahasakana azy tsy ho maimbo akory ny vovoka intelon’ny tanana!

Ny tenan’i Kristy mihintsy no nanome ohatra antsika ny amin’ny fanaovam – batisa, ary ny firobohan’ny olona anaty rano rehefa vory saina mba hino sy hibebaka dia tena ZAVA – DEHIBE SY ILAINA tokoa ho amin’ny FAMONJENA. Koa ao amin’ny Filazantsara 4 dia voantantara tsara ao ny nanaovam – batisa an’i Jesosy fa ny fanolorana Azy kosa raha vao 8 andro monja no niainany dia tsy voalaza afa – tsy ao amin’ny Lioka ihany.

Natolotra an’Andriamanitra koa Jesosy raha vao 8 andro niainana ; fa tsy ampy izany fa rehefa 30 taona Izy dia nanome antsika ny ohatra ka niroboka tao amin’ny onin’i Jordana sy nataon’i Jaona batisa. JESOSY NO OHATRA HO ANTSIKA na ahoana na ahoana fanohanana ny fomba natolotry ny razana ny fiangonana.

Ao amin’ny Mat. 3 dia ahitana fa na dia ny Ray Izay any an – danitra aza dia “ NANKASITRAKA” tokoa rehefa natao batisa tao amin’ny onin’i Jordana Jesosy “ mba hanatanteraka ny fahamarinana rehetra” ka namela ohatra halaintsika tahaka !

Ahitana izany koa ao amin’ny Marka 1 : 1 – 11 izy manamafy fa NIALA TAO AMIN’NY RANO JESOSY rehefa natao batisa.

Voalaza ao amin’ny Lioka 3 : 1 – 23 fa tokony ho 30 taona Jesosy raha natao batisa.

Ny Jaona toko faha – 3 kosa manomboka amin’ny fitantarana an’i Jesosy manazava amin’i Nikodemosy ; mpanapaka teo amin’ny Jiosy Nikodemosy ary lehiben’ny mpisorona, voafora izy raha vao 8 andro – fa tsy nampiova ny toetrany izany rehetra izany. Mpanota tsy nanam – panantenana ny ho any an – danitra izy !

Nilaza taminy mazava Jesosy hoe : “ Tsy maintsy ateraka indray hianao ; fa raha tsy ateraka indray hianao dia tsy HAHITA ny fanjakan’ny lanitra !”. Dia tohizan’i Jesosy ny fanazavana ny fanisian’ny Fanahin’Andriamanitra fiovana tanteraka ao am – pon’ny olona alohan’ny hamonjena azy sy ny hahatongavany ho zanak’Andriamanitra. Mampiasa ny TENIN’ANDRIAMANITRA – dia ny FAHAMARINANA, voa tsy mety lo, – ny Fanahin’Andriamanitra. Tsy maintsy inoan’izay te – hahazo famonjena ny TENY alohan’ny anatanterahan’ny Fanahin’Andriamanitra ny fahaterahana indray amin’ny alalan’ny fampiasana izany teny izany. ( Tsy hain’ny zaza izany MINO izany ! Tsy fantany akory izay ray aman – dreniny ! Tsy manan – tsiny eo anatrehan’Andriamanitra ny zaza mandra – pahavorin’ny sainy ahazoany manavaka ny tsara sy ny ratsy ary isafidianany hino na tsy hankato an’Andriamanitra).

Ao amin’ny Jaona toko fahatelo dia mbola milaza ihany Jesosy ny fetezan’io fahaterahana indray io: “ Fa toa izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay ! “ Hoy koa Izy hoe : “ Izay rehetra manao ny marina dia manantona ny MAZAVA, fa ny hafa kosa satria ratsy ny ataony ary tia ny maizina noho ny mazava izy, dia tsy hanatona ny mazava raha tsy anenenany ny nataony ! Izay manao ny marina dia manatona ny mazava mba hampisehoana fa amin’Andriamanitra ny asany !

TAORIAN’IREO ZAVATRA IREO dia nankany Jodia Jesosy sy ny Mpianany ka nonina tao ary nanao batisa. Jaona koa nanao batisa tany Ainona akaikin’i Salima, SATRIA BE RANO TANY ”. Hoy ny fiatombohan’ny toko fahaefatra amin’ny Filazantsaran’i Jaona : “ Koa dia nahalala ny Tompo fa ren’ny Fariseo fa BETSAKA NY OLONA ATAON’I JESOSY BATISA noho ny an’i Jaona ( na dia tsy tenan’i Jesosy aza no nanao batisa fa ny mpianany )…

Raha voavonjy noho ny finoany fotsiny ny olona dia tsy ho nampiato ny fanasitranana ny olona Jesosy mba hanao batisa betsaka noho Jaona !

Ninoan’i Jesosy fa tsy maintsy natao batisa izy rehefa nino na dia efa voafora aza raha mbola zaza !

Hilaza angamba hianao hoe : “ Notrotroin’ i Jesosy ny zaza ka notahiny !”

Eny, saingy tsy milaza velively izany fa nanao batisa azy Izy ! Fa ny nanaovan’i Jesosy batisa olon – dehibe kosa dia voatantara tsara !

Mety hahita FITAHIANA ny olona na dia tsy harahan’ny famonjena aza izany ! Nahazo fitahiana mandalo tamin’Andriamanitra Esao tamin’ny harena ; fa ny fitahiana ara – panahy momba ny fizokiana kosa dia lasan’i Jakoba, satria nino sy naniry ny fizokiana Jakoba fa Esao kosa tsy niraharaha izany sy ny zavatra ara – panahy ka tsy tia afa – tsy ny zavatra ara – nofo ihany !

Na dia ny FAMORANA tamin’ny Testamenta Taloha aza dia tsy nahavonjy ny olona. Tena lavitra an’Andriamanitra tokoa ny Jiosy tamin’ny andro nahaterahan’i Jesosy ka dia tsy maintsy nandefa an’i Jaona Mpanao Batisa Andriamanitra hitory fibebahana sy hanao batisa ny olona mba hanomanana ny lalana ho an’ny asan’ny Tompo ! Rehefa namelively mafy ny ota fanaon’ny olona Jaona dia tonga ny olona avy amin’ny toerana maro ka niaiky ny helony sy nangataka an’i Jaona hanao batisa azy. ( Efa lehibe tsara ka niaiky heloka sy nangataka famelana tamin’Andriamanitra ny olona rehetra nataon’i Jaona batisa – tsy nisy zaza tao ! )

Rehefa hitan’ny mpanora – dalàna sy ny Fariseo fa nanatona an’i Jaona mba hataony batisa avokoa ny olona dia nihevitra izy fa tokony mba handeha koa hahazoany mitana ny fon’ny olona. Fa nony nahita azy ireo Jaona dia nanao taminy hoe : Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handosotra ny fahatezerana ho avy ? Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ( asehoy amin’ny asanareo fa efa najanona ny lainga sy ny fanaovan – dratsy) dia hataoko batisa hianareo ! Fa tsy nanan – kevitra ny hiala tamin’ny ratsy fanaony ny Fariseo ka dia tsy natao batisa;

Hoy Jesosy rehefa nitoriteny : “ Ary ny olona rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre dia nanamarina an’Andriamanitra, satria natao batisa tamin’ny batisan’i Jaona. Fa ny Fariseo kosa nandà ny fikasan’Andriamanitra satria tsy mba nanatona hataon’i Jaona batisa izy”. (Lio 7:29–30).

Nohatitraterin’i Jesosy ny maha – zava – dehibe ny fanaovam – batisa amin’ny rano sy ny ananan’izany anjara amin’ny famonjena, ary teo amin’ny fotoana nahasarotra indrindra ny fanaovany ny asany no nilazany izany.

Taloha kelin’ny hiakaran’i Jesosy tany an – danitra dia nanao ny hafany farany Izy hoe : “ Mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Izay MINO SY ATAO BATISA no hovonjena ; fa izay tsy mety mino no hohelohina ! ( Marka 16 : 16 ) “ Mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao BATISA azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo ; ary indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambaram – pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao !” ( Mat. 28 : 19 – 20) Ataovy mpianatra ny olona ; tsy maintsy mandre izy, mianatra, mahalala, manaiky ary manaraka. Izany no baikon’i Jesosy : mandeha amin’izao tontolo izao, manao mpianatra ary izay mino sy atao batisa no hovonjena.

Voalohany aloha dia tsy maintsy mitoriteny hianao – izany hoe koa mampianatra – ary rehefa mampianatra hianao dia misy ireo manaraka ny fampianaranao : ireo no atao hoe mpianatra ; izay olona manaraka sy mampiasa ny fampianarana azony tamin’ny mpampianatra iray no atao hoe mpianany. Dia tohizany indray ka ataony hoe : mampianatra azy hitandrina.

Manambara mazava ary ireo fa ny olona vory saina ihany ka mahataka – javatra no afa – manao izany, dia ny fankatoavana sy fampiasana ny fampianaranao ; koa zavatra tsy vitan’ny zaza velively izany.

Zava – manan’aina mampiasa saina sy manan – tsaina no nanaovan’Andriamanitra antsika ary manana sitrapo sy safidy MALALAKA. Ary koa izay mandinika sy mianatra tsara ny Baiboly dia hahita mazava tsara fa arotsak’Andrimanitra amin’ireo izay mangataka aminy amim – pinoana sy amim – pahalalana ny fahasoavana mandrakizay amin’ny famonjeny.

Ny maha Baiboly ny Baiboly dia ny fisian’ny zava – dehibe sy fampianarana tahaka ireto sasantsasany ireto ao :

  1. Andriamanitra no namorona ny olombelona.
  2. Lavo ny olombelona ka tsy nankato an’Andriamanitra. Nandidy fanamelohana mandrakizay any amin’ny helo noho ny heloky ny olombelona Andriamanitra.
  3. Nanomana lalana hamonjena azy Andrimanitra ( amin’ny alalan’i Jesosy).
  4. Mety ho voavonjy ny olona raha manaiky ny lalan’Andriamanitra sy izay noheveriny hamonjena azy.
  5. Ny lalam – pamonjen’Andriamanitra dia ny nahafatesan’i Kristy ho antsika sy ny nanavotany antsika raha tokony hahazo tombon – tsoa amin’izany isika ka ho voavonjy. Mazava ny fampianaran’ny Baiboly fa ny tenantsika no tsy maintsy mibebaka sy miova fo ary manaiky amim – pinoana izay efa nomanin’Andriamanitra ho antsika ( ny tenan’ny olona no tsy maintsy manam – pinoana alohan’ny hahavoavonjy azy ).

Mitondra antsika avy hatrany ho amin’izao manaraka izao ireo zava – marina ireo, dia ny tsy maintsy anaovan’ny tenantsika an’izany amim – pahatakarana sy finoana. Ny olon – kendry rehetra dia tsy tokony hanao zavatra izay tsy takany akory ny vidiny sy ny heviny. Alohan’ny hanaovam – batisa antsika dia tokony ho fantatsika ny antony anaovana izany, ny lanjany, ny vokany, ets.

Manambara mazava tsara ny Baiboly fa ny fanahy izay manota dia ho faty – fahafatesana no tambin’ny ota – hiseho eo anatrehan’Andriamanitra isika mba hadinina ny amin’izay nataontsika tamin’ny naha nofo antsika. Tsy ho faty noho ny heloky ny ray ny zanaka, na ny zanaka noho ny heloky ny ray – ny fanahy izay manota dia ho faty.

Koa tsy nanota na oviana na oviana ny zaza, tsy nanao zavatra tsara na zavatra ratsy na oviana na oviana ny zaza, koa ahoana no handalovany fitsarana ka hohelohina any amin’ny helo mandakizay ? Tsy misy olo – manan – tsaina hanaiky fa hataon’Andriamanitra any amin’ny helo ny zaza, satria tsy nanaovana fombafomba ivelany. Raha izaho dia tsy hino Andriamanitra lozabe sy tsy marina toa izany. Fa mino an’ilay Andriamanitro aho, Ilay Rain’i Jesosy Kristy, Izay Andriamanitra marina, Ilay hanafay ny ratsy fanahy noho ny heloky ny tenany satria nanda tsy nety nibebaka mba handray famindram – po maimaim – poana avy amin’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana ka nanome maimaim – poana ny Zanany ho faty ho antsika sy hamonjy antsika, raha mibebaka isika ka manaiky. Raha manda isika dia marina ny azy raha helohiny amin’ny helo mandrakizay isika.

Mino aho fa Andriamanitra dia fitiavana ary efa nampiseho ny Fitiavany Izy tamin’ny nanomezany ny Zanany ary hoy Izy ao amin’ny Jaona 3 : 16 : “ …mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.”

Mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Baiboly manontolo ny batisan’ny zaza sy amin’ny fifampiraharahany amin’ny olona koa. Arakaraky ny sitrapontsika no ifampiraharahan’Andriamanitra amintsika, sy arakaraky ny safidintsika, ny finoantsika, ny fanekentsika na ny fandavantsika ny Tenin’Andriamanitra madio. Manamarina izany ny teny rehetra ao amin’ny Baiboly.

Izay horaisintsika avy amin’Andriamanitra ary dia avy amin’ny fisian’ny finoana ireo zavatra na teny fikasana nataon’Andriamanitra sy nomeny ao amin’ny Teniny momba ireo zavatra ireo manokana na ny fahasoavany.

Ary tsy maintsy mahatanteraka ny fepetra tadiaviny koa isika. Nanome toky Andriamanitra fa hamonjy ireo te – hahazo izany raha toa ka :

Mibebaka aloha ireo ka mino ary manova ny fomba fiainany – manaraka ny Tenin’Andriamanitra madio – manamasina ny fiainany. Ary ireo zavatra ireo dia tsy ho vitan’ny zaza na oviana na oviana. Hoy Jaona Mpanao Batisa : “ Mamoaza aloha voa miendrika ny fibebahana vao hataoko batisa hianareo”. Nataon’i Filipo batisa Simona mpanao ody, fa tsy voavonjy izy satria tsy tanteraka indray sy tsy nanana tena fiovam – po; ara – pomba ivelany fotsiny no nandehanany tao ka tsy nitondra soa ho azy akory izany ( Vakio Asa 8 : 13 ).

Koa tsy handefa zaza any amin’ny helo Ilay Andriamanitro Fitiavana sy Ilay Jesosiko Mpamonjiko, na zanaky ny mpanompo sampy izany, na zanak’ireo mihambo ho Kristiana, na zana – jovy na zana – jovy !

Ny hafatra napetrak’i Jesosy dia ny hibebahana sy ny hinoana ny Filazantsara. Ny hafatry ny Apostoly dia ny hoe : mibebaha ka minoa ny Filazantsara. Izao no tenin’i Jesosy farany : mandehana, mitoria, manaova mpianatra. Izay rehetra mino ny fampianarana sy toriteninareo ka tonga mpianatrareo ary manao izay rehetra nandidiako anareo, no hovonjena. Mitoriteny aloha – dia mampianatra – vao manao mpianatra. Mino ny olona, dia mitondra voa miendrika ny fibebahana vao atao batisa. Izany no fandaharana nataon’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

Mino sy atao batisa … olon – dehibe no tsy maintsy manao ireo sy manaiky ireo ary mampiasa ireo amim – pahalalana tsara.

Mino inona? – Ny Filazantsara – Inona ny Filazantsara? – Ao amin’ny I Korintiana 15 : 1 – 4 no ahitantsika ny valiny izay manao hoe :

Maty noho ny fahotantsika Kristy, mba hamonjy antsika. Koa milaza izany fa mpanota isika ary tokony hibebaka. Ka dia tsy maintsy mibebaka hianao ry sakaiza malala – dia mino sy mandray ny Filazantsara – manaiky izay nataon’i Jesosy ho anao tao Kalvary – miala tanteraka amin’ny fahotanao dia hamonjy anao Izy – ary rehefa voavonjy hianao dia tokony hatao batisa satria rehefa voavonjy ny olona dia tonga olom – baovao izy arak’izay nolazain’i Paoly hoe : Raha misy ao amin’i Kristy – dia olom – baovao izy – efa lasa ny zavatra taloha, indreo efa tonga vaovao ireo, rehefa afaka izany dia tokony halevintsika ny fiainantsika taloha – manao ilay fomban’ny batisa izay mampiseho fandevenana – koa tsy rano intelo mitete no hahavitantsika izany – tsy maintsy mahita rano be isika mba hahazoantsika miroboka sy milentika ao anaty rano – dia tahaka ny nanaovan’i Jaona sy Jesosy ( izany hoe ny mpianany ) batisa koa. Vakio daholo ny nanaovam – batisa rehetra ao amin’ny Baiboly dia mba manaova toa izany koa.

Tsy voalaza ao na aiza na aiza fa nanatsoboka ny tanany tao anaty rano izy dia nametraka izany teo ambony loha – Fa nandeha any amin’izay be rano izy – lalan – davitra no tsy maintsy nalehany indraindray raha tsy nisy farihy na renirano na toerana azo anaovana dobo – hoy ilay tandapa tamin’i Filipo : Indro rano – koa tsy maintsy ho efa nilaza taminy Filipo fa mila rano be ny fanaovam – batisa. Tokony hatao batisa hianao mba hahafeno ny famonjena anao – izany no nahatonga an’ilay tandapa hanao hoe rehefa nahita rano be : indro rano – ka dia niara – nidina teo amin’ny rano izy roa lahy ary nira – niakatra avy teo amin’ny rano koa.

Tsy maintsy nivatsy rano teny an – dalana ilay tandapa satria andro maro no nandehanany ary an – diany maro izy no niaraka. Nanana fitondran – drano kely izy ireo. Koa raha rano kely atete na tapaky ny kaopy dia hahavita ny batisa dia tsy ho nilainy ny hiandry sy hitady rano be ; ary rehefa nahita izy dia nanao hoe : indro rano!

Ry mpamaky sakaiza, ny Baiboly no mpitarika antsika azo antoka indrindra – aoka hanao araka izay ampianariny isika ka tsy hanao vy very ho any amin’ny helo noho ny fampianarana natolotry ny razana.

Raha miantehitra amin’ny fampianarana natolotry ny razana hianao, ka rehefa maty vao mahita fa tsy tsara izy, dia diso fotoana ianao. Raha manaraka ny Tenin’Andriamanitra hianao dia hanana ny azo antoka, satria ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny Tenin’Andriamanitra tsy mba ho levona.

Raha izao hianao no manaraka ny Tenin’Andriamanitra dia hanana izay azo antoka – angamba hianao hanao hoe efa natao batisa aho fony kely – Raha araka ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra dia tsy batisa araka ny Baiboly izany, tsy araka izay vakiantsika sy hitantsika ampiasaina ao amin’ny Baiboly, ary izay zavatra rehetra sy voasoratra sy tsy ampiasaina ao amin’ny Baiboly, ilay Tenin’Andriamanitra madio, dia foana sy tsy misy antony ary tsy hahafapo an’Andriamanitra amin’ny andro fitsarana. Ary aza atao kitoatoa ny fiainanao mandrakizay noho io mandrakizay io indrindra. Raha tsy mitandrina hianao ka manaraka dia ho diso fotoana ka any amin’ny helo vao hanandrandra ny masonao tahaka ny nataon’ilay mpanan – karena izay nangataka tamin’i Abrahama hoe tsy azo izany fa efa diso fotoana – tsy misy azonay atao aminao – Dia hoy indray ralehilahy :

mba iraho Lazarosy hilaza amin’ny rahalahiko fandrao mba ho tonga aty izy. Hoy Abrahama : tsy azonay atao izany , manana an’i Mosesy sy ny Mpaminany izy – izany hoe ny Baiboly, ilay Tenin’Andriamanitra tamin’ny tsindrimandry azo avy amin’ny Fanahy Masina – Hoy izy : TSIA, tsy hety hino an’izany izy – koa raha tsy hety hino ny Teny nampanoratin’Andriamanitra ary izy hoy Abrahama, dia tsy hino na dia izay mitsangana amin’ny maty aza – Fa Jesosy nitsangana tamin’ny maty ary Izy no nanao hoe : mitoria, manaova mpianatra, izay rehetra mino ka atao batisa no ho vonjena.

Ry sakaiza malala, raha tsy mino izay nolazain’i Jesosy hianao ary araka ny filaharana nataony hanarahana azy , dia ho very hianao ka holaviny

Koa anao ny misafidy na hino ny Tenin’Andriamanitra ka dia ho afa – doza, na hino sy hanaraka ny fampianarana natolotry ny razana. Raha manaraka ny Tenin’Andriamanitra hianao dia ho afa – doza ka hanana fiadanana sy fifaliana ary ho voaomana ho any an – danitra, ary fantatra marimarina koa fa aleo lavitra manaraka ny Fampianaran’ny Baiboly ka dia ho afa – doza, toa izay manaraka ny fampianarana natolotry ny razana ka hiafara any amin’ny helo.

Niroboka tao anaty rano no nanaovana batisa ny Apostoly sy ny Mpianatra rehetra.

Betsaka loatra ny olona no manao hoe : “ Tsy dia zava – dehibe loatra ny batisa !” raha mino an’i Jesosy hianao dia ho voavonjy noho ny FINOANA fa tsy BATISA. Eny, voavonjy noho ny finoana isika, kanefa ilay karazam – pinoana MANKATO ny teny nampanoratin’Andriamanitra, manana ny tena finoana marina sy mahavonjy. Satria ny tena finoana dia mampiasa amim – pitiavana sy fankatoavana an’Andriamanitra sy ny Teniny ; ka izay milaza azy ho manam – pinoana kanefa tsy mankato amin’ny fony rehetra dia finoana maty no azy, fahalalana fotsiny, finoana tantara – fahalalana fotsiny fa Jesosy no Mpamonjy ary Zanak’Andriamanitra – ary koa misy Andriamanitra any an – danitra. Ny finoana ireny zavatra mariny sy misy ireny kanefa tsy mankato ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fo, dia tsy misy vokany loatra fa finoana noho ny fahalalana fotsiny – ary tsy mahavonjy ny finoana toy izany. Milaza mazava ny Baiboly ao amin’ny Jakoba 2 : 19 hoe : “ ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra”. Tsy mitondra soa ho azy izany raha mbola tsy Mankato ara – bakiteny ny Teny nampanoratin’Andriamanitra izy. An – tapitrisany ankehitriny ny Krisitiana anarany fotsiny, izay mino fa misy Andriamanitra any an – danitra ary misy Jesosy Zanak’Andriamanitra lahy tokana Mpamonjy izao tontolo izao. Fa tsy mankato ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, ka manaraka ny Baiboly ao amin’ny fiainany an – davanandro.

Koa finoana fahalalana fotsiny no an’ireny, ary tsy mahavonjy ny finoana toy izany, dia arakak izay lazain’i Jakoba – ny devoly koa manana io finoana io satria niantso izy indray mandeha hoe : Fantatray Hianao “Hianao no ilay Masin’Andriamanitra.”

Koa mamelà ahy hanontany anao ry mpamaky malala hoe : manam – pinoana marina ve hianao, dia ilay finoana mahavonjy, finoana mankato ny Tenin’Andriamanitra, mahatonga ho velona ho an’Andriamanitra ka manaraka ny Teny nampanoratiny, dia ny Baiboly ?.

Raha tsy nilaina loatra ho amin’ny famonjena ny batisa dia tsy ho niteny azy betsaka tahaka izay hita ao amin’ny Filazantsara rehetra Jesosy. Raha mahantra ka tsy mahavidy ny TESTAMENTA VAOVAO manontolo fa Filazantsara iray ihany ny tsy mpivavaka, dia ho hitany ao mazava tsara fa ny fanaovam-batisa aroboka anaty rano dia isan’ny lalana hamonjenan’andriamanitra azy!

“ Tsy dia mampaninona akory ny habetsahan’ny rano, hoy ny famalin’ny sasany. Rano intelo mitete dia mitovy amin’ny renirano – ny fo no zava – dehibe – ny finoana an’i Jesosy Kristy no mahavonjy antsika, ka tena tsy mampaninona mihintsy ny rano, fampahatsiarovana ihany io !” – Ka nahoana ary Jaona sy Jesosy no nankany Ainona izay nisy rano be ? Dia nankany ny olona ka natao batisa (Jaona 3 : 23) “ Ary tsy mino ny fanaovam – batisa fanindroany izahay fa rehefa natao batisa fony fahazazany ny olona dia ampy ho batisa izay : raha hamerina hanao batisa olon – dehibe mantsy izahay, hoy ihany izy ireo , dia holazain’ny olona ho nanao fampianaran – diso taminy ! Tsy hanao batisa amin’ny fandroboahana anaty rano izahay fa dia ny famafazana araka ny foto – pinoana tanan’ny fiangonana ihany (fa tsy araka ny fampianarana tsotra nataon’i Jesosy Kristy !) no ho tohizanay !

“ Ilay mpangalatra nohomboana dia voavonjy tamin’ny finoana an’i Jesosy na tsy natao batisa aza” hoy indray ny filazan’izy ireo. Eny, satria mantsy tsy mba sendra izany zava – tsoa izany izy taloha fa tao an – tranomaizina raha nitoriteny Jesosy ! Ary ny Fariseo izay nandre ny marina nefa tsy nety natao batisa dia hoy Jesosy ny aminy : “ NANDA NY FIKASAN’ANDRIAMANITRA IZY ” (Lioka 7 : 30) “ Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fanasitranana” (Ohab. 29 : 1) “ ANIO no andro famonjena ; indro anio no andro fankasitrahana, raha mihaino ny feony hianareo, aza manamafy ny fonareo !” (Heb. 3 : 15).

Raha mandre ny marina ny olona dia tokony hankato izany raha tsy izany dia hanjary heloka ho azy izany !

Na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao, rehefa mandre ny Filazantsara ny olona ka tena “ ateraka indray” marina dia tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra hankato ny baikon’i Jesosy hatao batisa amin’ny rano.

Ny fanoherana ny fanaovam – batisa amin’ny rano eny an – drenirano na farihy dia avy amin’ireo mpitondra fiangonana izay manao hoe : “ Izao no mahazatra ; tsy mino ny fanaovam – batisa fanindroany ny fiangonanay ; ny anay ny zaza no atao batisa, ary dia rano atete no ampiasaina satria tsy mampaninona ny habetsahan’ny rano – ny anay dia intelo mitete no fanao.

“ FA TSY MISY AMIN’IZY IREO NA IRAY AZA no sahy mandray ny Baiboly ka manome filazana ao aminn’ny Soratra Masina fa tsy tokony hatao batisa ny mpanota mibebaka !

Mahazo mitoriteny an – taonany maro hianao fa raha tsy atao batisa amin’ny rano ka aroboka ao na lehilahy na vehivavy, na zazalahy na zazavavy dia ho “mpandre ny teny” izy fa tsy ho olona niova fo izay mahaova fon’olona. Mety hahavory olona izay tahaka azy ihany izy, fa tsy hahazo olona tena nateraka indray marina raha tsy vonon – kanaraka ny Tompo amin’ny lalany rehetra !

Ny fanaovam – batisa amin’ny firobohana anaty rano no mahatonga ny faritra mampisaraka mandrakizay ny fiainan’olona anankiray amin’ny fiainany taloha, ary milaza am – pahibemaso fa tsy an’izao tontolo izao intsony izy fa efa nanolotra ny tenany manontolo ho an’Andriamanitra mandrakizay !

Ny zavatra rehetra nasain’Andriamanitra ataontsika dia HAHASOA ANTSIKA ary izany ihany no HANY LALANA HAHAVITANA AZY !

Tsy hampaninona anao mihintsy ny hiara – kalevina amin’i Kristy ao amin’ny batisa raha tena tia an’Andriamanitra marina hianao ka te – hovonjena !

TSY HANAMELOKA ANAO NA OVIANA NA OVIANA ANDRIAMANITRA noho ny fanarahanao ny ohatra nomen’i Kristy ! Fa inona kosa no holazainao an’Andriamanitra raha mandà ny HANKATO ny lalàn’ny Tompo hianao mba hino sy hatao batisa ?

Talohan’ny nahateraka indray ahy marina dia mba niangona koa aho fa tsy nety natao batisa. Fa raha vao nangataka famelan – keloka tamin’i Jesosy aho ka nahalala fa novan’ny Tompo ny fiainako dia NANGATAKA HATAO BATISA TAMIN’NY RANO niaraka tamin’izay aho.

Rehefa atao batisa araka ny lalàn’Andriamanitra isika dia manamafy ny fahazoantsika famonjena izany ! FANTATSIKA fa an’Andriamanitra isika ary tsy misy fisalasalana izany . Ny batisa amin’ny rano ka aroboka REHEFA niaiky heloka ka niala tamin’ny fahotana rehetra, dia tena ilaina mihintsy ho amin’ny famonjena araka ny fampianaran’i Jesosy Kristy sy ny Testamenta Vaovao manontolo !

Raha tianao kokoa noho ny fankatoavana ny lalàn’i Kristy ny fampianarana natolotra ny fiangonana dia tsy hoa any an – danitra hianao. “ Izay mananika ny fefy dia mpangalatra sy jiolahy “ hoy Jesosy ao amin’ny Jaona 10 : 1.

AZA ATAO MOSALAHY. Maharitra anie izany hoe mandrakizay any an – danitra izany ! METY HO VOAVONJY tsy ho any amin’ny helo hianao raha manao izay nolazain’i Jesosy : “ IZAY MINO KA ATAO BATISA NO HOVONJENA, fa izay tsy mety mino kosa no hohelohina ! (Marka 16 : 15 – 18).

Ny tena loza lehibe ateraky ny fampianaran – diso izay nanolo fanaovam – batisa ny zaza ny fanaovam – batisan’ny fibebahana ny olona vory saina dia ny fananan’ny olona an – tapitrisany eto ambonin’ny tany Baiboly sy Fihirana eny an – tanany, sy ny fandehanany any am – piangonana tsy tapaka, kanefa mpihatsaravelatsihy izy ireo, tsy mbola mba niova fo, tsy mahalala an’Andriamanitra, tsy mahalala akory ny ara – panahy, tsy mba tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra ; maty ny asany, tsy misy FIFOHAZANA amin’ny FITORIANA FIBEBAHANA akory, satria hatramin’ny Mpitandrina ka hatrany amin’ny olona tandremana dia mino fa ny fanaovam – batisa azy fony fahazaza dia miasa ho amin’ny famonjena azy na dia tsy ampy fahalalana an’Andriamanitra aza ny Mpitandrina ka tsy afa – mivavaka akory raha tsy vakiana !

Na dia manana fahazavana aza ny olona iray dia tsy ho afaka mitory ny helo, ny afo ary ny solifara, ka mampiaiky ny mpiangona ao aminy izay manao ny zavatra araka izay nanazarana azy ! Tsy hahavonjy ny fanahy mihintsy ny asa soa sy ny fahazarana. Tsy mampiova ny toetra izany . Tsy mahay mitory fibebahana sy fahaterahana indray ny Mpitandrina raha milaza amin’ny olona fa tsy tokony hatao batisa rehefa mibebaka ! Ny fotom – pinoana namboamboarina ananany momba ny fanaovam – batisa ny zaza dia NAHAFOANA NY DIDIN’I KRISTY MAZAVA HOE MIBEBAKA SY AOKA HATAO BATISA HO AMIN’NY FAMELAN – KELOKA !

IZA NO HARAHINAO ? Ny jamba mitarika jamba ka any an – kady no iafarany ve sa mahatsiaro ho lehilahy hianao ka hanaraka an’i Kristy sy hatao batisa, dia ARAKA NY FAHAZAVAN’NY DIDINY ?

Ny fanovana, na fanampiana na fanalana amin’izay efa nolazain’Andriamanitra mazava tsara dia ho faizana amin’ny loza ary amin’ny farany dia halana any an – danitra sy ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anjarany ! (Apok 22 : 18 – 19 ; Deot. 4 : 2). Koa avelao amin’izay nanaovana azy ny Tenin’Andriamanitra ary ANKATOAVY araka izay voasoratra ao ! Raha manandrana mampifanaraka ny DIDIN’ANDRIAMANITRA amin’ny fahazaranao hianao fa tsy mampifanaraka ny fahazaranao amin’ny didin’Andriamanitra dia tsy ho voavonjy ! “ Izay mananika ny fefy dia mpangalatra sy jiolahy ka tsy mba ho any an – danitra ! (Jaona 10 : 1,7 – 10).

Lehibe tokoa ny niheveran’Andriamanitra ny fanaovam – batisa aroboka anaty rano ka niantso ilay Mpisoronabe tao amin’ny toeram – pifohazana ao Samaria Izy mba hampiseho tamin’ilay tandapa Etiopiana ny lalam – pamonjena amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy ho ny Zanak’ondrin’Andriamanitra tsy misy kilema Izay nitondra ny fahotantsika ka nohomboana tamin’ny hazo fijaliana ho famonjena antsika. Nilaza tamin’ilay tandadpa Filipo fa ny batisa amin’ny rano dia ao anatin’ny famonjena satria raha nanakaiky farihy iray izy dia hoy ilay Etiopiana hoe : “ Indro rano, inona no manakana ahy tsy hatao batisa ? ” Namaly Filipo ka nanao hoe “ Raha mino amin’ny fonao rehetra hianao dia azo atao ”. – “ Mino aho fa Jesosy dia Zanak’Andriamanitra”. “ DIA NIARA – NIDINA TAO AMIN’NY RANO IZY ROALAHY dia Filipo sy ilay tandapa, ary nataony batisa izy.” ( Asa. 8 : 26 – 39).

Tsy hahavita izay tian’Andriamanitra hatao ho amin’ny famonjena antsika tanteraka ny rano intelo mitete ! Hoy ny teny ao amin’ny Romana 6 : 2 – 13 : “ Niara – nalevina amin’ Kristy ao amin’ny batisa isika ary satria natsangana tamin’ny maty Kristy dia hatsangana koa isika handeha amin’ny fiainam – baovao !” ( Kol. 2 : 12 ; Gal. 3 : 27).

Ary koa, tsy ny fanatofana vovon – tany intelon’ny Tanana atao amin’ny lohany akory dia hahalevina ny faty. Ny hoe mandevina dia manitrika ny faty ao anaty tany mihintsy ! Dia toa izany koa ny fanaovam – batisa amin’ny rano, dia ny fandevenana ny tena miaraka amin’i Kristy ka atsangana indray handeha amin’ny fanavaozana ny fiainana ! Tsy haha – to izay tadiavin’Andriamanitra ny rano intelo mitete !

Fa raha araka ny lalan’Andriamanitra no anaovantsika batisa dia tena fanamafisana ny famonjena antsika izany ; fantantsika fa an’Andriamanitra isika, ary tsy misy isalasalana izany. Ny fanaovam – batisa aroboka anaty rano rehefa mibebaka ary, dia tena ilaina mihintsy amin’ny famonjena araka ny fampianaran’i Kristy sy ny Testamenta Vaovao manontolo.

Nanao toriteny nampihetsim – po fatratra Petera tamin’ny andron’ny Pantekosta ka tonga ny vahoaka hanontany hoe : “Ry rahalahy, INONA no hataonay mba HAMONJENA anay ? Hoy ny navalin’i Petera azy “MIBEBAHA (tsy vonona ho amin’ny batisa amin’ny rano ny olona raha tsy efa miala amin’ny fahotany ka manaiky an’i Jesosy Kristy ho Zanak’Andriamanitra velona !) MIBEBAHA HIANAREO REHETRA ary AOKA HATAO BATISA ho amin’ny famelan – keloka”. “Ary ireo izay nandray ny teny tamim – pifaliana dia NATAO BATISA ary nisy olona naherin’ny telo arivo no voavonjy tamin’iny andro iny !” (Tena fanaovam – batisa lehibe tokoa …ary mino aho fa tsy hafa noho ny fanaovan’i Jesosy batisa ny olona akory ny fomba nanaovan’i Petera batisa koa !) (Jaona 4 : 1)

Tsy mahasolo ny batisa amin’ny rano akory ny filatsahan’ny Fanahy Masina ! Nandre an’i Petera nitoriteny Kornelio sy ny ankohonany ; nino izy ireo ary nilatsahan’ny Fanahy Masina ka NITENY TAMIN’NY FITENY TSY FANTATRA (Mariho : Efa olon – dehibe daholo izy rehetra ka afaka nidera an’Andriamanitra sy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra ; tsy nisy zazakely tamin’izy ireo !) Dia hoy Petera : Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovam – batisa ireo izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa ?…Dia nasainy natao batisa amin’ny anaran’i Tompo izy” (Asa. 10 : 47)

Nino ny fanaovam – batisa fanindroany Paoly ho an’ireo izay nahalala an’i Jaona fotsiny. Rehafa nandre an’i Paoly nitory ny amin’i Jesosy izy ireo dia nino an’i Jesosy ka natao batisa indray NIARAKA TAMIN’IZAY ho amin’ny anaran’ i Jesosy Tompo !”(Asa. 19 : 5).

Rehefa niova teny amin’ny lalana mankany Damaskosy Paoly dia nino an’i Jesosy ; kanefa nodidian’i Jesosy Ananiasy “hivavaka ho an i Paoly mba hahiratany indray ka hamenoana azy amin’ny Fanahy Masina. Ary niaraka tamin’izay dia nisy zavatra toy ny kiran’ny hazandrano niala avy tamin’ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana ary natao batisa (Asa. 9 : 18).

Ho an’ireo izy milaza fa misolo ny famorana natao tamin’ny lahy kely Jiosy ny fanaovam – batisa ny zaza dia jereo ny Soratra Masina ao amin’ny Testamenta Vaovao momba ny famorana : Gal 5 : 2 : “ Fa raha mety hoforana hianareo, dia TSY HAHASOA ANAREO NA DIA KELY AKORY AZA KRISTY ” (Asa. 15 – 24 – 28 – 29) : Nisy Jiosy sasantsasany te – hampianatra ireo tsy mpivavaka tonga nino an’i Kristy ny amin’ny tokony hamorana azy koa. Fa nanapan – kevitra ny loholon’ny fiangonana voalohany ao amin’ny Bokin’ny Asa fa TSY HOFORANA AKORY NY JENTILISA ! Ny Romana 2 : 25 dia milaza fa “ mahasoa tokoa ny famorana RAHA MANKATO NY LALANA HIANAO ; fa raha mpandika ny lalàna kosa hianao dia toy ny tsy voafora na dia efa voafora aza”. Tsy manampy anao na mahavonjy anao izany ! Efa nanota daholo ny olona rehetra, koa tsy misy soa azo avy amin’ny famorana sy ny fanaovam – batisa ny zaza ! Hoy Gal. 5 : 6 : “ Ao amin’i Kristy, samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi – famorana, fa ny ho OLOM – BAOVAO” ( Toetra vaovao araka ny nolazain’i Jesosy tamin’i Nikedomosy ao amin’ny Jaona toko faha – 3 dia ny fahaterahana indray rehefa miala amin’ny ota). Milaza Paoly ao amin’ny Kol. 2 hoe : “ Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filôzôfia sy ny famitahana foana, araka ny FAMPIANARANA VOATOLOTRY NY RAZANA, araka ny abidiam – pianaran’izao tontolo izao fa tsy araka an’i Kristy … ary tao aminy koa no namorana anareo tamin’ny famorana tsy nataon – tanana, tamin’ny famorana ny tenan’ny nofo, dia tamin’ny famoran’i Kristy, fa niara – nalevina taminy hianareo tamin’ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan’Andriamanitra izay nanangana Azy tamin’ny maty. Ary hianareo izay efa matin’ny fahadisoana sy ny tsi – fiforan’ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy rehefa navelany ny fahadisoantsika ary novonoiny sy sora – tanan’ny didy izay niampanga antsika ; dia nesoriny tsy ho eo mihintsy izany ka nohomboany tamin’ny hazo fijaliana.” Mbola tohizana ihany ao amin’ny Kol. 3 hoe : fa ireo izay niara – natsangana ka nahazo toetra vaovao dia tokony hampiseho fa voafora am – po izy ary faly aminy Andriamanitra. Aza mifandainga hianareo ; mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram – panahy, fanetren – tena, fahalemem – panahy ; mifamelà heloka. Ataovy ny zavatra rehetra ho voninahitr’Andriamanitra ary misaora an’Andriamanitra !”

Raha nahaova ny toetrantsika ny lalàna dia tsy ho nilain’i Jesosy ny ho faty noho ny fahotantsika… fa satria efa nanota AVOKOA isika ary efa nandika ny lalàn’Andriamanitra, dia tsy nahavonjy antsika ny famorana ary tsy maintsy novan’i Jesosy ny zavatra nisy tamin’ny nitondrany ny helontsika rehetra tamin’ny tenany teo amin’ny hazo fijaliana sy ny namantsihany ny didy nanameloka antsika teo amin’ny hazo fijaliana mba hahazoana antoka ny fampanantenana ny famonjena amin’ny alalan’ny FINOANA …Rehefa lehibe ny olona ka afaka manavaka ny tsara sy ny ratsy, mifidy ny hanompo an’i Jesosy Kristy, dia ovan’Andriamanitra ny toetrany ; manjary olom – baovao ao amin’i Jesosy Kristy izy, dia atao batisa amin’ny rano (aroboka) izay mampiseho fiaraha – maty amin’i Kristy sy fiaraha – mitsangana Aminy avy ao amin’ny fasana rano mba handeha amin’ny fiainam – baovao !

Ny tantara anankiray anisan’ny tsara indrindra eo amin’ny Baiboly dia ny momba an’i Kornelio. Na dia tsy Jiosy aza izy ary tsy navela hiditra tao amin’ny Synagogan’ny Jiosy dia lehilahy tsara kosa ary natahotra an’Andriamanitra sy nivavaka isan’andro ary nanao fiantrana sy nanana fandavan – tena. Fa tsy nahavonjy azy izany. Fa satria natahotra an’Andriamanitra tokoa izay ary nivavaka isan’andro ka tafakatra ho fampahatsiarovana teo anatrehan’Andriamanitra ny fivavahany, satria natahotra an’Andrimanitra tamin’ny fony rehetra izy, dia te – hamonjy azy Andriamanitra, koa dia naniraka Anjely manokana taminy !

Hoy ny Anjely tamin’i Kornelio : Ny fivavakao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’Andriamanitra, koa maniraha olona mankany Jopa ka ampanalao ny lehilahy anankiray izay atao hoe Petera mitoetra ao amin’ny mpankon – koditra anankiray ao amoron – dranomasina izy no hilaza aminao izay tokony hataonao !” Dia niantso roalahy tamin’ny mpanompony Kornelio sy miaramila mpivavaka iray ( izay tsy isalasalana fa niara – nivavaka matetika tamin’i Kornelio). Ary dia naniraka azy ireo tany Jopa haka an’i Petera izy.

Taloha kely indrindra ny ahatongavan’izy ireto tao Jopa dia niresaka tamin’i Petera Andriamanitra, satria i Petera mantsy hatramin’izy fa ny Jiosy no tokony hovonjena ; dia nilaza tamin’i Petera Andriamanitra fa misy olona telolahy tamy hiantso azy ary tsy maintsy miaraka amin’izy ireo izy. Tamin’izay fotoana izay indrindra no nisy nandondona tao am – baravarana ary nitady an’i Petera ireo lehilahy ka nilaza taminy fa nisy Anjely niseho tamin’ny tompony ka nilaza taminy hampaka an’i Petera .

Dia hoy Petera tamin’izy ireo : Hiaraka aminareo aho satria efa niresaka tamiko Andriamanitra !”

Rehefa niditra tao an – tranon’i Kornelio izy dia niankohoka teo an – tongotr’i Petera Kornelio ary nitsaoka azy ; fa noraisin’i Petera tamin’ny tanany izay ary natsangany ka nataony hoe : “ Izaho koa mba olombelona ihany”; ary rehefa niresaka taminy izy dia nahita olona maro niaraka taminy.

Ary nanontany ny antony nampanalana azy Petera ary Kornelio nitantara ny amin’ilay Anjely niseho taminy ka nilaza taminy hampaka an’i Petera fa izy no hilaza aminay ; koa indreto izahay eto anatrehan’Andriamanitra mba hihaino izay nandidiany anao. Dia ahoy Petera : Hitako fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany. Dia nasehon’i Petera azy ny lalana hahavonjy azy, ary ny nanaovan’i Jaona batisa an’i Jesosy no nanombohany ny tantara izay nahitana ny fisokafan’ny lanitra sy ny nidinan’ny Fanahy Masina teo ambonin’i Jesosy ka nanosotra an’i Jesosy avy any Nazareta tamin’ny Fanahy Masina sy nanome fahefana Azy. Nandehandeha nanao soa Izy ; nanasitrana ireo nampijalian’ny devoly, satria tao Aminy Andriamanitra. Dia ny namonoana an’i Jesosy koa sy ny nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana nefa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty ary mandidy anay (Petera) hitory amin’ny olona fa nirahin’Andriamanitra Izy hitsara ny velona sy ny maty. Ary na iza na iza mino Azy dia hahazo famelan – keloka. Rehefa niteny Petera dia nino izy ireo ka nandray an’i Krisy sy nilatsahan’ny Fanahy Masina ka niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra ary nankalaza an’Andriamanitra ! ( Mariho fa efa lehibe daholo izy ireo ka efa nino ary niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’Andriamanitra ! ary noheverin’i Petera fa ireo izay nandray ny Fanahy Masina tahaka azy sy ny Apostoly ihany no mendrika hatao batisa.)

Fa rehefa hitan’i Petera fa nomena ny Jentilisa tahaka ny Jiosy koa ny Fanahy Masina dia hoy izy : “ Tsy maintsy arahantsika ho azy ireo koa ny lalan’ny famonjena.” “ Moa azontsika atao va ny mandrara ny rano tsy hanaovam – batisa ireo izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa ?” Dia nasainy natao batisa amin’ny anaran’ny Tompo izy ireo !

Tsy nahavonjy an’i Kornelio ny hatsaram – pony sy ny vavaka ary ny fiantrana nataony ; fa nahafinaritra an’Andriamanitra izany ka nampaniraka mpitoriteny Izy mba hilaza amin’i Kornelio izay tokony hataony mba ho voavonjy. Ary dia nanomboka tamin’ny batisan’i Jesosy – Petera ary nitantara ny fiainan’i Kristy sy ny fahafatesany ary ny fandevenana Azy sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Dia nilaza tamin’i Kornelio izy fa na iza na iza MINO AN’I KRISTY dia ho voavela heloka ! NINO NIARAKA TAMIN’IZAY KORNELIO. Dia nofenoin’Andriamanitra ny Fanahy Masina hahatanteraka ny famonjena, dia ny BATISA AMIN’NY RANO. Dia nilaza izany taminy izy ary nampanao batisa azy tahaka ny nanaovana batisa an’i Jesosy koa !

Maniraka anay hitondra izany hafatra izany ho anareo Andriamanitra. Betsaka aminareo no olona tsara tian’Andriamanitra hovonjena. Efa nahitra ny vavaka nataonareo Izy sy ny fitiavanareo miangona sy mamaky ny Baiboly ary manao fiantrana. Fa tsy mahavonjy anareo raha izany ihany. TSY MAINTSY MINO NY FAHAFATESANA SY NY FITSANGANAN’I KRISTY TAMIN’NY MATY HO AMIN’NY FAMELANA NY HELOKAREO HIANAREO, dia MANARAKA NY DIDIN’NY TOMPO ary ATAO BATISA anaty rano, tahaka ny ohatra nomen’i Jesosy.

Samy tsy ampianarina sy tsy voalaza ao amin’ny Baiboly ny batisan’ny zaza sy fanatetevana ny rano, fa fampianarana natolotry ny razana fotsiny izany, ary ho loza toa inona ny fanaovana mosalahy ny fiainana mandrakizay amin’ny tsy fanarahana ny Tenin’Andriamanitra madio ka nanoloana ny fanao sy ny didin’Andriamanitra amin’ny fampianarana natolotry ny razana izay mifanohitra amin’ny teny nampanoratin’Andriamanitra !

Foana ny batisa amin’ny rano raha tsy miasa ny feon’ny fieritreretana ary efa manao fanovana ao am – pon’ny olona ny Fanahy Masina. Milaza ny Baiboly fa nataon’i Filipo batisa Simona ( mpanao ody ( Asa. 8) kanefa tsy mbola voavonjy izy talohan’io fa dia nanaraka izay natao fotsiny ary tsy nanana fiovam – po, koa dia tsy nitondra soa ho azy izany. Dia toa izany koa ny batisan’ny zaza : tsy mitondra soa ho an’ny zaza izay satria tsy miasa ny feon’ny fieritreretany sy ny sitrapony.

Azavain’ny Baiboly tsara ao amin’ny Jaona 3 : 23 fa nankany Ainona Jesosy sy ny Apostoly SATRIA NISY LOHARANO MARO TAO ; nahoana ary izy ireo no nifidy toerana nisy loharano maro ? Dia toa izany koa Jaona Mpanao Batisa, ilay mpialoha lalana an’i Jesosy, nahoana izy rehetra ireny no tsy maintsy nivoaka ny tanàna ho any an – tany lavitra ? Jordana dia tokony ho 60 kilometatra avy ao Jerosalema, ary Ainona koa tsy akaiky fa lavitry ny Tanana. Dia an – tongotra mandritry ny 8 ora eo ho eo nataon’ny olona tamin’izany fotoana izany raha avy ao Jerosalema ka mankany amin’ny onin’i Jordana, satria tsy nanana fiarakodia izy. Efa tany izahay ka mahalala ny toerana. Tena ho mahatsikaiky mihitsy ny fihetsiny raha nampandeha ny olona lalan – davitra toa izany izy kanefa azo soloina rano kely atete. Ny antony nifidianany rano be dia satria aroboka sy atao ao ambany no hevitry ny hoe batisa, ary antsoin’ny Baiboly mazava tsara ho fandevenana sy fitsanganana amin’ny maty izy ; koa tsy hahalevina olona amin’ny rano atete isika. Nazavain’ny Fanahy Masina tsara fa nankany Ainona izy satria nisy loharano maro tany, ary ireo andininy voalaza etsy ambony dia milaza ny batisa ho fandevenana. Koa raha mihevitra ny mpitondra fivavahana fa fandevenana ny fanetetevana dia mihevitra ny tenany izy ho mahalala bebe kokoa noho Ilay Mpamorona ny maha – Kristiana, dia Jesosy, IZAY NANKANY AINONA SATRIA NISY LOHARANO MARO TAO.

MBA AVERENO VAKIANA TSARA INDRAY AZAFADY IREO ANDININY VITSIVITSY ka jereo izay lazainy ; mazava tsara ny ilazany hoe NIARA – NALEVINA TAMINY.

Raha nitory tamin’ilay tandapa Filipo dia nanazava taminy ny momba ny batisa sy ny fomba fanaovam – batisa, koa raha mbola teny an – dalana izy ireo, dia nahatsinjo toerana misy rano ilay tandapa ka nanao hoe : indro rano, ka dia nidina teo amin’ny rano izy roalahy ary niara – niakatra avy tao koa. Raha ny fanatetevana no fomba fanao dia ho naka tamin’ny rano nivatsian’ilay tandapa tamin’ny diany izy na dia eran’ny kaopy aza. FA NILA RANO BE IZY.

Mamelà ahy hanontany anao ry mpamaky malala : moa efa vita batisa va hianao ? Mety hamaly eny hianao, fa hanontany anao indray aho : ahoana no nahalalanao izany ? Tadidinao va fa hianao no nangataka izany satria milaza mazava tsara ny Baiboly fa “ izay mino sy atao batisa no ho vonjena”?

Zavatra mikasika ny isam – batan’olona ity, zavatra izay ny tena mihintsy no tsy maintsy mino azy ary avy eo dia mangataka azy ; izany hoe hianao no tsy maintsy mino sy mangataka hatao batisa ; koa nanao izany va hianao ?

Raha eny ihany indray no valin – teninao dia mbola hanontany anao aho : AHOANA ? Hilaza hianao fa notetevana rano kely araka ny fitantaran’ny ray aman – dreninao. Kanefa tsy batisa izany araka fampianaran’ny Baiboly sy ny fomba fanaovana batisa ny olona, satria aroboka, atao ao ambany, alevina no dikan’ny hoe manao batisa izay teny grika, ary ny Baiboly milaza mazava tsara hoe “ NIARA – NALEVINA TAMINY TAO AMIN’NY RANO izany hoe naroboka tao anaty rano, natao tao ambanin’ny rano, nalevina tao anaty rano ary mitsangana indray ho amin’ny fiainam – baovao, ary tsy vita tsy aman – drano be izany ry sakaiza ! Koa avereno vakiana ity boky ity ary avereno vakiana izay rehetra voalaza ao amin’ny Baiboly momba ny nanaovana batisa ka dia eritrereto ary mangataha amin’Andriamanitra hanoroany anao ny lalana marina mba hanarahanao azy. Aza mientehitra amin’ny tenin’olombelona, fa AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA IHANY, satria ny lanitra sy ny tany ho levona fa ny Tenin’Andriamanitra tsy mba ho levona, ary tsy ho tsaraina araka izay tenin’olombelona akory isika fa araka ny teny nampanoratin’Andriamanitra. Aza atao mosalahy ary ny mandrakizainao amin’ny fienteherana amin’ny fomba diso, fandrao ao aorian’ny fahafatesana hianao vao hahatsiaro fa diso fotoana tamin’ny fanaovana izay tokony ho natao ! Ny tenako dia nilazan’ny ray aman – dreniko fa efa nataony batisa fony aho mbola zaza, fa tsy izaho no nangataka hatao izany ary tsy nahalala na inona na inona momba izany aho. Fa rehefa voavonjy aho, rehefa nandray an’i Jesosy ho Mpamonjy ahy aho ka nanana Azy tato am – poko, dia naniry ny hankato ny Tompo aho ka hatao batisa ; dia nankany amin’ny toerana nisy rano be izahay sy nidina tao ka nalevina tao anatiny aho ary niakatra avy tao indray mba hiaina fiainam – baovao. Misaotra an’Andriamanitra aho noho ny nanaovako izay ary sambatra aho hatramin’izay, feno fifaliana ny foko ! Nahazo fahasoavana lehibe sy fiadanana aho satria nahatanteraka ny Tenin’Andriamanitra. Ny tenako no nino sy nangataka hatao batisa, ka dia natao batisa aho.

Tsy nisy loza nanjo ahy tamin’ny nanaovako izany, na nanjo ny vadiko fa ny mifanohitra amin’izany aza no azonay, dia fahasoavana lehibe. Mamaly ny vavakay Andriamanitra ary maro be ny olona nahazo fahasoavana tamin’ny asanay ! Mitoetra ato aminay ny Fanahy Masina ary an’arivony maro ny olona sitrana tamin’ny aretina isan – karazany sy ny tsy sitram – panafody.

Inona no nahatonga izany ? Satria sitrak’Andriamanitra ny hankatoavantsika ny teny nampanoratiny. Raha niakatra avy teo amin’ny rano Jesosy dia injay nisy feo nanao hoe : “ Izay sitrako”. Koa raha misy milaza fa fahotana ny hatao batisa fanindroany dia hoy aho mamaly azy hoe : ny anay dia fahasoavana no azo fa tsy loza ; ary izay natao tamintsika fony faha – zaza dia tsy batisa velively araka ny Tenin’Andriamanitra izay nentinay nanazava izany tsara.

Koa anao ny misafidy alohan’ny hahadiso fotoana ka ho any amin’ny helo vao hahatsiaro sy hahita fa tsy misy hevitra intsony. Aleo re ry sakaiza mibebaka sy mino Filazantsara ary atao batisa, dia ho vonjena hianao !

NY FANASAN’NY TOMPO

Misy fombam – pivavahana anankiray ampianarin’ny Testamenta Vaovao dia ny “ Fanasan’ny Tompo”. Na izany aza anefa dia tsy ampiasaina afa – tsy indray mandeha io teny io : “ Raha miangona hianareo dia tsy misy hihinana ny Fanasan’ny Tompo akory” ( I Kort. 11 : 20).

NATAO HO FAHATSIAROVANA

Asehon’ny Apostoly Paoly amin’ireto andininy manaraka ireto izay tena atao hoe : “ Fanasan’ny Tompo”. “ Fa izaho efa nandray tamin’ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin’iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray ny mofo, ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy : Ity no tenako ho anareo, izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana dia hoy Izy :

Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny rako ; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro hianareo. Fa na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo hianareo mandram – pihaviny ( and. 23 – 26).

Koa arak’io Apostoly io izany dia ny fihinanana ny mofo sy ny fisotroana amin’ny kapoaka no Fanasan’ny Tompo, manaraka ny ohatra efa nomen’i Kristy. “ Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny ran’i Kristy va izany ? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ny tenan’i Kristy va izany ?” (I Kor. 10 : 16).

Ary araka ny filazan’i Paoly dia Kristy mihitsy no namorona io fombam – pivavahana io. “ Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy : Raiso, hano, ity no tenako. Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe : Sotroinareo rehetra ity ; fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan – keloka” ( Mat. 26 – 28).

Nanaraka ny ohatra sy didy napetrak’i Kristy ny Fiangonan’ny Apostoly ka nitandrina io fombam – pivavahana io. Araka ny efa hitantsika teo dia nanolotra an’izany ho an’ny Korintiana araka ny tena fanao Paoly ary niala tsy ho tompon’andraikitra amin’ny fanaovan’izy ireo izany amin’ny fanahy tsy mendrika. Notandremana tany amin’ny Fiangonan’i Troasy izany, satria izao no vakiantsika : “ Ary tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitoriteny taminy” (Asa. 20 : 7). Mazava fa ilay fombam – pivavahana no lazaina eto ary saika mitovy hevitra ny amin’izany ny mpanoratra rehetra. Mahatonga ny fitovian’izany fivoriana izany amin’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo ny teny ampiasaina satria fivorian’olona mivavaka no ambara. “ Ny mofo izay vakiantsika, tsy firaisana amin’ny tenan’i Kristy va izany ?” (I Kor. 10 : 16). “ Fa Jesosy tamin’iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo, ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny” ( I Kor . 11 : 23 – 24 ). Ny fanambaran’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny fiangonana tany amboalohany dia milaza fa notandreman’ny Kristiana rehetra tamin’ny fotoanany io fombam – pivavahana io ; ary notohizan’ny Kristiana hatramin’izao andro izao izany fitandremana izany.

NY FIKASANY

Manana ny antony ny Fanasan’ny Tompo ; natao hampiana – javatra izy ; satria tsy ho namorona fombam – pivavahana tao amin’ny Fiangonana Kristy raha tsy nisy antony manokana tsinjoviny.

Misy hevitra teolojika sy fahalalana diso momba ny Fanasan’ny Tompo, ary holazaintsika eto ny sasantsasany :

  1. Manjary tena sy ran’i Kristy, ny mofo sy divay rehefa nohamasinina
  2. Misy mihevitra sy mampianatra fa tena ao anatin’ny eokaristia mihintsy Kristy.
  3. Misy aza sahy milaza fa voavela ny helony amin’ny fotoana andraisany ireo zava – masina ireo, izany no mahatonga azy hanome ireo ny olona eo am – bavahaonan’ny fahafatesana.

Tsy manam – pototra velively ao amin’ny Testamenta Vaovao ireny hevitra sy fandinihana asandratsandratra ireny izay iheverana ny Fanasan’ny Tompo ho mahasolo ny Mpamonjy mihintsy na mahasolo ny tsy maintsy hananana fahatsapana ny famonjena arahin’ny fahamasinam – piainana. “ Aza manampy ny teniny fandrao hanariny hianao ka ho hita fa mpandainga” ( Ohab. 30 : 6).

Ny fikasan’ity fombam – pivavahana ity manokana dia aseho ao amin’ny tenin’i Kristy raha nandidy ny fitandremana azy Izy “ Izao no ataovinareo no fahatsiarovana Ahy” ( Lioka 22 : 19). Raha “ ho fahatsiarovana” an’i Kristy ary ilay fombam-pivavahana, ary araka ny voalaza , dia tsy tenan’i Kristy tsy akory (na dia mampiseho Azy eo amin’ny avotra nataony aza) fa natao hahatsiarovana kosa ka hahatonga ny fijalian’i Kristy noho ny helontsika ho velon – tsoratra tsara ao an – tsaintsika ka hiarahantsika bebe kokoa Aminy amin’ny fijaliany sy ny fahafatesany. “ Fa na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo hianareo mandram – pihaviny.” ( I Kort. 11 : 26). Tsy mahazo fiainana ara – panahy isika amin’ny fitandremana izany fa “ mampiseho kosa ny fahafatesan’ny Tompo.”

Koa na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaky ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo izy. Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotra ny kapoaka. Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny tenany, raha tsy mahafantatra ny tenan’ny Tompo izy ( I Kort. 11 : 27 – 29). Ny olona tsy mahafantatra ny tenan’ny Tompo ( ny tenany izay nataony sorona, amin’ny naha – fanatitry ny ota azy), ary mbola tsy voavotra tamin’ny ota dia tsy mendrika ny hanana anjara amin’io fombam – pivavahana io izay “ mampiseho ny fahafatesan’i Kristy”. Koa raha mihinana ity mofo ity izy sy misotro amin’ny kapoaka” dia “meloka” ny amin’ny tenany. Firifiry amin’ireo mpampianatra moa no “meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo” isan – kerinandro ? Aoka ny olona hamantatra ny tenany”. Ireo izay voavonjy ary ireo ihany no manana anjara amin’io fombam – pivavahana masina io izay atao ho an’ny tranon’Andriamanitra. Aoka ny sisa rehetra tsy hanandrana ny haniratsira ny fahamasinany amin’ny firobohany ao izay hanala baraka ny fiangonan’Andriamanitra amin’ny fiarahany ao amin’ny fanahy tsy mendrika.

Raha fahatsiarovana ny nijalian’ny Tompo sy ny fahafatesany ny Fanasan’ny Tompo ary tandindon’ny tenany voahombo teo amin’ny hazo fijaliana, dia mbola manana hevitra anankiray lehibe koa izy, dia ny fikambanana sy ny firaisan’ny tenan’ireo izay mino an’i Kristy. “ Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny ran’i Kristy va izany ? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ny tenan’i Kristy va izany ? Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika ( ny mino voavonjy) na dia maro aza ; fa isika rehetra dia samy mandray amin’izany mofo izany avokoa” ( I Kort. 10 : 16 – 17).

Ny mofo tsy mivaky nampiasaina teo amin’ny Fanasan’ny Tompo dia mampiseho amin’ny endrika mahafinaritra sy fitambaran’ny mino voavonjy ho tena iray. Ny koba nanamboarana azy dia avy amin’ny voa samy hafa karazana ary mety ho avy amin’ny tany mifanalavitra ; kanefa dia nakambana ireo voa ireo ary taorian’ny fanamboarana natao, dia vita vainga – mofo iray ; na dia ny toetr’ireo voa aza dia niova tao am – pahandroana azy. Dia toa izany koa isika : maro raha raisina tsirairay ary mifanalavitra ny toerana ; kanefa “voakambana” tsara isika ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny Fanahiny Masina, voaova ny toetrantsika ka nanjary masina ilay mpanota, ary dia “ iray ihany ao amin’i Kristy Jesosy” tokoa isika. Mampiseho antsika tsara ho toy ny tena iray mikambana ao amin’I Kristy ilay vainga mofo. Koa rehefa eo aroso eo amin’ny fotoanan’ny Fanasan’ny Tompo raisin’ny tena masin’Andriamanitra marina ilay mofo amin’izy tsy mivaky iny, dia mampiseho ny firaisantsika ao amin’ny tenan’i Kristy, dia ny Fiangonany ( Ef. 1 : 22 – 5 ; Kol 1 ; 18 – 24).

NY FITOHIZANY

Ny Soratra Masina no milaza mazava ny efa nikendrena ny hitandremana ny Fanasan’ny Tompo eo amin’ny Kristiana amin’ny fotoany rehetra. Efa hitantsika fa nitandrina izany ny Fiangonan’ny Apostoly. Ary ny hafatra napetraky ny Tompo dia ny handehanan’ny mpianany “ hampianatra ny firenena rehetra”. Hampianatra inona azy ? “ Mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo” ( Mat. 28 : 19 – 20). Nandidy ny fitadremana izany va izy ? Izao no ATAOVY ho fahatsiarovana Ahy” ( Lio. 22 : 19). Tokony haharitra hitandrina izany ? Mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo, ary indro Izaho momba anareo mandrakariva ambaram – pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao”.

Mazava izany. Raha mbola toriana koa ny Filazantsara dia tsy maintsy mitandrina izay rehetra nandidian’i Kristy ny olona “ambara – pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” Izao koa no vakiantsika ao amin’ny toerana hafa : “Fa na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony, sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo hianareo mandra – pihaviny” ( Kor. 11 : 26). Ary dia ny tena mpanaraka marina an’i Kristy amin’ny andron’ny Kristiana rehetra ihany no tokony hitandrina azy “mandra – pihaviny”. Amen.

Ny tena Fiangonana no tenan’i Kristy, ary ny tenan’i Kristy dia ny fitambaran’ireo mino voavonjy, izay efa nateraka indray sy nohavaozin’ny Fanahy Masina ( Tit. 3 : 5 – 6). Nateraky ny Fanahy indray, naterak’Andriamanitra ary itoeran’ny Fanahin’Andriamanitra ao anatiny araka ny nolazain’i Paoly ao amin’ny Romana toko faha 8 : 9 – 17 ; raha misy tsy manana ny Fanahin’Andriamanitra dia tsy Azy izy, ary rehefa voavonjy isika dia irahan’Andriamanitra ny Fanahin’ny Zanany hitoetra ao anatintsika izay iantsoantsika hoe : Aba, Ray ô ; ary ny Fanahy Masina mihintsy no hiara – manambara amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Koa raha zanaka isika dia miaraka amin’i Kristy. Ireny olom – boavonjy ireny ihany, raha ny marina, no mahazo mandray ny Fanasan’ny Tompo sy mahatsiaro izay nataon’ny Tompo Izay maty ho azy ireo tao Kalvary. Ary ireny no tenan’i Kristy, ary tsy misy olona tsy voaova fo, sy tsy voavonjy manana alalana na zo handray ny Fanasan’ny Tompo na hitandrina io fombam – pivavahana io izay natokana harahin’ireo olom – boavonjin’Andriamanitra ary zanany ety an – tany mandra – pihaviny haka azy ireo amim – boninahitra.

Tsy ho voatandrina na oviana na oviana araka ny tokony ho izy sy tsy hanana ny heviny marina ary tsy hitondra fahasoavana izay nokasain’ny Tompo homena ny fiarahan’ny olona maro ifangaroan’ny voavonjy sy ny tsy voavonjy manaraka io fombam – pivavahana masina io. Firaisana amin’ny tenan’i Kristy io ( ny firaisana dia fiarahana), fiarahan’ny fitambaran’ireo mino voavonjy amin’ny Tompo sy Mpamonjy azy Izay nanavotra azy.

Araka ny fampianaran’ny Baiboly dia tsy misy tena fiarahana marina amin’ny mino sy ny tsi – mino, ny zanak’Andriamanitra sy ny zanaky ny devoly ( Vakio. II Kor. 6 : 14 – 18), satria milaza ny Baiboly fa hampisehoana mibaribary izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly ary izay rehetra manota dia zanaky ny devoly. Ary nony tonga nanatona an’i Jesosy ireo mpitondra fivavahana tsy voavonjy ka nilaza taminy hoe zanak’i Abrahama, dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe tsy zanak’i Abrahama hianareo fa zanaky ny rainareo, dia ny devoly, satria manao ny asan’ny devoly rainareo.

“ Izay rehetra manota no mandika ny lalàna ; fa ny ota no fandikana ny lalàna. Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra ny ota ; ary tsy mba misy ota ao aminy. Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota ; izay rehetra manota dia tsy mahita na mahalala Azy. Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo ; izay manao ny marina no marina ; eny marina tahaka Azy. Izay manota dia avy amin’ny devoly, satria ny devoly manota hatramin’ny voalohany. Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly. Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak’Andriamanitra. Izany no mampiseho miharihary izay Zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.” ( Jaona 3 : 4 – 10).

“ Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy mitoetra tamin’ny marina satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga”. ( Jaona 8 : 44).

Koa izay mbola manota sy tsy manana fiainana masina sy marina ary tsy mbola voavonjy tamin’ny ota, dia mbola ao amin’ny fanjakan’ny devoly ary zanaky ny devoly araka ny Tenin’Andriamanitra ; ary tsy manana ajara amin’io fombam – pivavahana masina io ny zanaky ny devoly fa an’ny zanak’Andriamanitra irery io. Ary ny hany lalana hahatafafindra avy amin’ny fanjakan’ny devoly ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia ny fahaterahan indray amin’ny alalan’ny Fanahy Masina sy ny hahavoavonjy ary ny ho tonga tempolin’ny Fanahy Masina. Toroko hevitra ny mpamaky mba handinika tsara ireto andininy manaraka ireto izay nalaina tao amin’ny Baiboly, indrindra fa ny Testamenta Vaovao. Tena zavatra misy no lazain’ireo teny ireo ary efa voatsapan’ny olona maro, ary raha mba te – hahatsapa izany koa hianao, dia ny hoe voavonjy sy tonga zanak’Andriamanitra ary itoeran’Andriamanitra, Fanahy Masina ao anatinao; dia amim – panajana no iangavianay anao ho tonga hanatrika ny fivoriana izay ataonay eny amin’ny Fiangonana eny Ankorondrano izay handrenesanao ny Tenin’Andriamanitra madio sy ny lalana marina ho amin’ny famonjena sy amin’ny fiainana mandrakizay ; ary omenay toky hianao, raha maniry marina ny ho voavonjy, fa hamonjy anao Andriamanitra ary hitoetra eo am – ponao amin’ny alalan’ny Fanahiny Masina.

Asaina ho tonga ny olona rehetra ary ho raisina amin – kafaliana ; ho an’ny olona rehetra ny Fiangonanay. Tongava ka andramo ary avelao izahay hanao izay hahazoanao fahasoavana noho ny amin’ny fanahinao ; fa inona moa no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izay kanefa very ny ainy ? ( Marka 8 : 36).