Ny fomba hanatonana ny Tenin’Andriamanitra

Tonga eo anatrehan’ny Tenin’Andriamanitra ianao, mba handre an’Andriamanitra MITENY AO AM-PONAO. Izay lazain’ANDRIAMANITRA ao amin’ny teniny dia aza avela hisy atao

tsirambina, na hoe : « Natao ho an’ny hafa izany !».

Aza diso anjara amin’ny fitahian’ANDRIAMANITRA amin’ny HITENENANY MIVANTANA AMINAO.

Koa rehefa manatona ny Tenin’Andriamanitra ianao, dia manatòna amin’ny fisainana te hanaja, mba hihaino tsara IZAY LAZAIN’NY RAINTSIKA avy any an-danitra ary hamantatra izay tokony holazainy antsika.

NOHO izany aoka HAMPIHARINTSIKA avy hatrany ! AMIN’ANDRIAMANITRA DIA TSY MITENY FOTSINY Izy mba hilalao amintsika, na : hanao izay hanatona tsika eo Aminy isan’andro ! Fa manana ZAVA-DEHIBE haseho antsika ANDRIAMANITRA.