Aoka halemy fanahy amin’ny namanareo ianareo

Na izany aza, manana ny fahasoavan’andrimanitra izay mahatonga ny olona hiasa amin’ny fahatsaram-panahy eo anatrehan’ny zava-tsarotra mitranga rehetra. Amin’ny alalan’ny fahamoram-panahy vokatry ny fahasoavana no tena hisehoan’ny fiainam-panahy marina. Ny fitiavana, ny fahatsaram-panahy, ny famelan-keloka no hanehoana ny fitenin’ny lanitra. Hoy kristy: “izao no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia”. Jao.13:35.

Katsaho ao amin’andriamanitra ny fahasoavana fahalemem-panahy. Raha voatery mifampiraharaha amin’ny olona mahery setra, tsy mahalala fomba, mahery vaika ianao, dia mangataha amin’andriamanitra mba hanampy anao ho tonga lehilahy sy vehivavy izay toy ny vahoakan’ny lanitra monina eto an-tany.

Ny fahasoavany no afaka hanampy anao tsara ho tsara fanahy sy hanana toe-tsaina sy toe-panahy ambony. Hanampy anao izy tsy hivarilavo, na hikorosy fahana amin’ny zava-dratsy, toy ny fitiavana hamaly faty, na hamaly ratsy izay natao tamin’ny tena.

Ny fahatsaram-panahy kristiana dia ho hita soritra amin’ny fahaizana mifehy tena amin’ny andro fizahan-toetra.  Afaka mampijoro anao hatrany izany, na dia mitsingevaheva azan y sasany manodidina anao. Amin’ny alalan’ny fahasoavan’andriamanitra izay azonao no manome valiteny malefaka na dia fanakianana mahery vaika aza no misy manodidina anao, ary fihetsika miantsy ady.

Hanampy anao ho malemy fanahy amin’ny hafa ny fampiharana ilay fitsipika volamena hoe: “araka izay tianareo ataon’ny olona aminareo no mba ataovy aminy toy izany kosa”. Lio.6:31. Ny fanolokoloana ny toetra mangoraka ny hafa dia hanampy antsika hampivelatra izany : “mihevera ny tenanao fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany”. Gal.6:1.

Ny olona tsara fanahy dia manana fo mangoraka. Ny fangoraham-po dia miorina eo ambonin’ny famindrampo amin’ny olona votasaina, malemy, mikaviavia, mpanao rainazy, tsy ampy saina, tsy misaotra.

Misy hery lehibe ao amin’ny fahatsaram-panahy. Ny fitiavana miteraka fitiavana, ny hatsaram-panahy miteraka hatsaram-panahy, ary hanorotoro ny fo vato ny famindrampo.

Nisy zazalahy izay teraka tao amin’ny tokatrano izay tsy niraharaha azy. Mandritry ny andro dia niaritra vava ratsy sy tsi-fifankahazoan-kevitra izy. Vokatr’izany dia tonga kizintina, joko tsoriaka, kaodikaody izy. Indray andro narary izy. Tsy nampiseho firy fahatsaram-panahy taminy ny ankohonany. Kanjo nisy vehivavy kristiana malemy fanahy iray namangy tao an-tokatranony ary nanokana fotoana io vehivavy io hamangy an-drazazalahy tao amin’ny efi-tranony. Nilaza taminy ny teny fampiononana izy.

Tampoka teo, nosintonin-drazazalahy ny firakony hanarona ny tavany dia nanomboka nigogogogo nitomany izy. “nisy zavatra nolazaiko nandratra anao va?”, hoy ravehivavy. Dia namely razazalahy tsia fa ianao no olona voalohany izay mba niresaka tamiko nanao feo mahafinaritra”.

Nisy koa lehilahy izay nanana soavaly midongy tsy mety handeha. Nodokadokafany aloha ilay soavaly, avy eo dia niady tamin’ilay soavaly izy mba handeha, nefa tsy nisy vokany izany. Nanomboka nikapoka ilay biby izy, nefa tsy mbola nandeha ihany io. Nisy mpandalo iray nahita ny fihetsik’ilay lehilahy ka nanatona nitondra bozaka teny an-tanany. Natehiny ny vavan’ ilay soavaly ny bozaka, ka nohanin’ilay soavaly izany. Nosafosafon-dralehilahy ny oron’ilay soavaly sy ny tendany, ary niresaka taminy moramora izy, dia noraisiny ny lamboridin’ilay soavaly, ary nanomboka notarihiny ilay soavaly. Ny fahalemem-panahy dia mahatanteraka izay tsy vitan’ny fandambolamboana, ny fitreronana ary ny kapoka.

Mbola marina ihany koa fa matim-paniriana ny hahazo, na dia fitiavana kely sy fahalemem-panahy aza ity izao tontolo izao ity. Ny zavatra mba azony anefa dia herisetra, ny balan-tafondro mipoaka, baomba milevina. Voasaraka roa izao tontolo izao, noho ny fankahalana, valifaty, ny ady ary ny lolompo. Toa hahafinaritra re raha mety hiaritra ny hanam-paharetana, ny halemy fanahy, ny hamindra fo ary ny ho tia ny manampy ny hafa ny olona!

Aoka isika hanomboka hampihatra izany fahalemem-panahy izany anio.

Maro ny olona no miaiky fa ilaina ny malemy fanahy, kanefa mangataka andro ny hanao izany tsaratsara kokoa izy. Manapa-kevitra fa hanao tsaratsara kokoa, na rehefa hifindra monina any amin’ny toeran-kafa.

Rehefa te hanao sangan’asa volamena ianao, ataovy anio izany. Raha mba te-ho mora fanahy kokoa ianao, atombohy izany anio. Raha tianao ny ho malemy fanahy rahampitso, anio dia manaova fampiharana ny amin’ny hatsaram-panahy.

Aoka halemy fanahy ianao ao an-tokatranonao, amin’ireo olona izay tena manorisory anao indrindra. Aoka halemy fanahy any am-piasana, any an-tsekoly, any am-piangonana. Aoka halemy fanahy amin’ny tanora, ny antitra. Aoka halemy fanahy amin’ny fahavalonao, (raha manana ianao). Reseo amin’ny alalan’ny fanehoanao hatsaram-panahy aminy ny fahavalonao.

Aoka halemy fanahy ianao amin’ny mpivarotra izay tonga eo am-baravaranao. Aoka halemy fanahy ianao amin’ny mpitondra taratasy. Aoka halemy fanahy ianao amin’ireo tsy manan-kialofanana. Aoka halemy fanahy ianao amin’izay miarahaba anao sy izay manadino ny hanao izany.

M.A.Daoud