Fomba famakiana ny Baiboly

Vakio manomboka amin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafarany izy tahaka ny famaky boky hafa. Aza malaky manao famintinan-kevitra raha tsy efa voavakinao manontolo ny tantara ao. Izany MIHITSY no FAMAKY NY BAIBOLY MANONTOLO fa tsy ampahany amin’ny andalana tiana sy azoazo fotsiny. Hahita zavatra maro lazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly izay tsy mbola fantatrao ianao. Mamakia toko maromaro amin’ny fotoana iray hahasahana ny lohateny iray lazain’Andriamanitra; dia tano ao an-tsaina izay lazainy.

Tsy mitovy amin’ny fomba famaky boky hafa ny famaky ny Baiboly satria avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra izy. Vakiana miadana eo am-pivavahana matetika sy amim-panajana; izany no tokony hamakiana azy. Inoy sy ankatoavy koa ny hafatra entiny ao.

Manana takelaka Fandaram-potoana izahay misy ireo boky sy toko ao amin’ny Baiboly tokony hovakianao isan’andro mba ahafahanao mahavita ny vaky Baiboly manontolo mandritry ny taona iray.

Rehefa vita kosa ny taona iray dia azonao atao indray ny mamerina azy hatramin’ny voalohany indray mba handraisanao fampianarana vaovao hatrany avy amin’ireo toko sy andininy efa voavaky teo aloha.

Azonao atao ny manantona ny Literatioran’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy rehetra akaiky anao hahazoanao azy.