Ny herin’ny vavaka
Mandrakariva, ny vavaka, indrindra ho an’ny Mpanompon’Andriamanitra, dia tonga atao ambanin-javatra na tena tsy dia ankasitrahana loatra. Misy fotoana hahenoantsiika fanakianana mihitsy ny fampiharana azy, ohatra ny hoe fandrebirebena na mampihen-danja ny asa fanompoana ny fanaovana azy raha toa ka izy no zava-dehibe indrindra ilain’Andriamanitra. Koa sakanana ny fanaovana ny vavaka mba hanehoana ny tena hoe mahomby. Azo antoka noho izany fa miseho avokoa ny avonavona, ny diploma sy izay momba azy ; nefa raha tena mila ireo zavatra ireo ny asan’Andriamanitra dia tena fandaniana andro ihany koa izany izy.
Ny asan’Andriamanitra dia tahaka ny sambo ho rendrika, lavitra izay mety ho famonjena rehetra. Ho an’ny Mpanompon’i Kristy, ny vavaka dia tsy adidy tsotra atao amin’ny asa fanompoany, tsy tombontsoa fotsiny izy, fa ny tena ilaina indrindra. Koa aleony tsy misy rivotra hahavelona ny avokavony toy izay tsy misy vavaka. Koa amin’io Mpanompon’Andriamanitra io ny vavaka no miantoka ny hahafaty na hahavelona azy. Ary izany no tokony hivavahana ho an’ny Mpanompon’Andriamanitra. Ireo zavatra roa loha ireo dia miray amin’ny mariazy izay tsy tokony hisaraka mihitsy : Ny mpitory teny dia tsy maintsy mivavaka, isika dia tsy maintsy mivavaka ho an’ny mpitory teny.
Mba hanampiana feno ilay andraikitra, ary hanosika ho amin’ny fahombiazana io asa lehibe io dia mila vavaka be dia be avy amin’ny tompon’andraikitra rehetra ao am-piangonana dia ireo rehetra heverina ho tokony hanao izany.
Koa ho an’ny tena Mpanompon’Andriamanitra, raha vantany vao nanolo-tena hiray amin’ny Mpamonjy Velona izy ka niditra hitaiza ny fanahiny ho volavolaina amin’ny fanompoana, dia mila mivavaka sy fanampiana be dia be amin’ny fifonana am-bavaka avy amin’ny olon’Andriamanitra.