Mampitandrema raha tsy te ho very

Vakio ny Oha. 24 : 11, 12 : « Raha mihirim-belona tsy hana­faka izay entina hovonoina ianao, sy ireo efa ho mby eo am-pamo­noana ; Raha hoy ianao : « Indro, tsy mahalala izany izahay, moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va ? Ary izay mandinika ny fanahinao, tsy hahalala izany va ? Tsy hovaliana araka ny ataony avy va ny olona rehetra ? ». Fitsarana manao ahoana re izany ! Iza no hamaky izany ka tsy ho voatsindrona ?

Raha misy olona tandindomin’ ny fahafatesana, nefa isika mandà tsy hampitandrina azy, antsika ny tsiny ! Mety hilaza ho tsy mahalala isika. Mety hilaza isika fa tsy fantatsika izany. Tsy hanampy antsika na amin’ inona na amin’ inona anefa izany. Azontsika atao ny mahafantatra. Azontsika atao ny mamantatra izay ilaina. Ny fialan-tsiny toa izany tsy heken’ Andriamanitra. Nibaiko antsika Izy mba hanopy ny masontsika ka hijery fa efa masaka hojinjaina ny eny an-tsaha. Tokony hampaneno ny fanai­rana isika ! Tokony hilaza aminy ny loza miandry azy… Raha tsy izany, ho meloka ny amin’ ny fahafatesany isika.

Izany no takian’ izao ora izao. Hanome antsika fahitana anie Andriamanitra, ndrao ho ringana ny olona ka ho tompon’ andraiki­tra isika !