Fitsipika lehibe tokony harahina mialohan’ny hampianarana ny Tenin’Andriamanitra

Ny hoe : AMPITAHAO amin’ny SORATRA MASINA ny Soratra Masina dia izao, izy izany no fitsipika lehibe indrindra.

1 — Ampitahao ary ny Soratra Masina rehetra mikasika ny lohateny iray itovizana. AZA MANANGANA foto-pampianarana avy amin’ny andininy iray na roa, kanefa tsy noraisinao avokoa ny andininy rehetra mikasika io lohateny iraisana io.

2 — JEREO, inona no antony nanoratan’ilay mpanoratra ny anjarany manokana nosoratany ? MANAO AHOANA ny toe-piainana nisy ny olona izay nosoratany ? Moa nisy ota natao tao am-piangonana ka nilana fanitsiana?

3 — Tsy mifanipaka ny Baiboly. Ny fampianarana omeny amin’ny toerana iray dia mifandray amin’ny fampianarana amin’ny toerana hafa. Noho izany, tsy maintsy ho SANDOKA izay dikan’ny teny mampifanipaka ny fampianarana ao amin’ny Baiboly.

4 — MIALOHAN’ny hananganana foto-pampianarana na fampianarana iray, dia AOKA HO AZO ANTOKA aloha fa efa voaangona avokoa ny andinin-tSoratra Masina rehetra momba izany, ary efa novakianao miaraka koa izy ireo (sady ampiarahana amin’izay voalaza eo ambony sy eo ambany). AZA hitarina eo amin’izay misy azy ny andinin-tSoratra Masina. Aoka ny Soratra Masina tsy ampiasaina hilaza zavatra mihoatra noho izay nokasain’ny mpanoratra azy holazaina.

Ohatra : Ny maha samy hafa ny fampianaran’i Paoly momba ny « asa » tsy mitondra ho amin’ny famonjena sy ny fampianaran’I Jakoba izay mijoro amin’ny hoe : manao «Asa.» tsara isika satria manam-pinoana, dia tena mora fantatra raha jerena ny antony sy ny fikasan’ny mpanoratra tsirairay. Miezaka i Paoly, ao amin’ny Epistily ho an’ny Romana hanaporofo fa « TSY MAHAVONJY ny ASA soa atao », fa milofo kosa anefa i Jakoba hanaporofo fa tsy ho afaka hitoetra eo amin’ny maha voavonjy azy ny olona raha tsy manao « ASA TSARA » ho vokatry ny finoany an’Andriamanitra. Manaiky izany rahateo ny ao amin’ny Jao. 15 : 14.

5 – AZA OMENA HEVINY ARA-PANAHY fotsiny amin’izao ny Soratra Masina. Aoka ho ampianariny anao izay tiany ampianarina. Zavatra iray ihany no ambaran’ny Soratra Masina. Aza ampiana hevitra hafa. Apok. 22 :18-19.

6 – AZA AHODINA na tsatsoina ny Tenin’Andriamanitra mba ho ENTI-MAMITAKA II Kor. 4 : 14… TOKONY HINOANA IZY ary EKENA ho MPITARIKA NY FIAINANTSIKA, AOKA HIAINA ARAKA NY TENIN’ANDRIAMANITRA, ary aza ovana.