Iza moa ireo hendry

Ny adala dia izay olona mandre ny tenin’ i Jesosy, nefa tsy mety manatanteraka izany. Soritan’ i Jesosy fa ny olona toy izany dia manorina eo ambony fasika, ary ny tambiny amin’ ny farany dia faharavana mandrakizay. Ny olona HENDRY kosa dia izay mandre ny tenin’ i Jesosy ka manatanteraka izany. Soritana ho toy ny olona manorina eo ambony vatolampy izy. Ny manorina toe­tra kristiana amin’ ny fankatoavana ny Baiboly no fahendrena le­hibe indrindra, fa amin’ izany dia fidirana malalaka no homena azy any an-danitra.
Ny fananana fahatsapana kristiana tena marina mbamin’ ny fiainana masina dia lafo vidy tokoa, anefa hisy valiny : satria ha­haritra izany raha ho levon’ ny afo izao tontolo izao.
Ny fanekena tsotsotra ny fombam-pivavahana kristiana dia mety hanana vidiny ihany koa, nefa tsy hisy valiny mandrakizay.
Ho mora kokoa ny manorina trano eo ambony fasika noho ny mihady lavaka hanao fototra hanorenana eo ambony vatolampy ; Fa ny olona manorina eo ambony fasika, rehefa latsaka ny orana ka tonga ny tondra-drano, hitsoka ny rivotra ka hamely ny trano, dia hirodana ny tranony ka tsy hanana fialofana izy ; Fa ny olon­kendry kosa izay nanorina teo ambony vatolampy niaraka tamin’ ny fototra lalina, dia ho voaaro sy hanam-pialofana, satria hahari­tra ny tranony.
Noho izany, ry mpamaky malala, raha aorinao amin’ ny fiai-nana araka ny Tenin’ Andriamanitra ny fahatsapana kristiana anananao, ka ankatoavinao ny teny, dia haharitra izany amin’ ny fotoana ilàna azy.