Finoana – 01

Ny handraisana azy, ny hampiasana azy

SASIN-TENY nataon’ny Mpanoratra

Fifaliana lehibe ho anay ny manolotra ity boky momba ny fanasitranana ataon’Andriamanitra ity ho an’ny havana malalanay eto Madagasikara. Angatahinay Andriamanitra mba hampiasa azy amin’ny fanampiana ny vahoaka hitady fifaliam-po sy fiadanam-po sy fiadanam-panahy ary fahasitranana ho an’ny aretiny.

Mba hahazoan’ny mpamaky ny vokatra tsara indrindra amin’ny alalan’ity boky ity dia mangataka azy izahay mba hamaky ny teny miadana sy amim-pieritreretana tsara. Aoka hivelatra ny Baiboly ka hojerena ao ny toko sy ny andininy voatonon’ny boky ary aoka handanjalanja tsara ny tenin’ny Soratra Masina, satria ireny ihany no fanomezan-toky sy fanekena mivantana avy amin’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Ny sitrapon’Andriamanitra dia nasehony tamin’ny alalan’ny teniny nampidiriny ao amin’ny Baiboly sy tamin’ny alalan’ny zavatra hita maso teo amin’ny fiainan’i Jesosy Kristy izay tonga hanao ny sitrapon’ny Ray. Tonga tamin’izao tontolo izao Jesosy Kristy mba hitondra ny fahotantsika sy ny aretintsika tamin’ny Tenany, araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’i Isaia 53  : 2 – 6 sy Matio 8  : 17.

Tsy mba majika ny Fanasitranana ataon’Andriamanitra fa fanarahana tsotra ny fepetra mazava nambaran’ny Tenin’Andriamanitra, ary finoana ny fanomezan-toky momba ny fanasitranana.

Andriamanitra dia Fitiavana, sady mangoraka ny fony raha mijery antsika Izy… fa toy izao no nitiavany antsika : nomeny ny Zanany Lahy Tokana ho faty ho antsika teo ambony hazo fijaliana ary nokapohina Izy mba ho fanasitranana antsika. Kanefa, satria Masina koa Andriamanitra dia miandry antsika izay maniry fahasambarana Izy, hibebaka sy hahafoy ny fahotantsika rehetra, ary mba hanolotra ny fo amam-panahy ho an’i Jesosy Kristy sady hanompo an’Andriamanitra eto amin’izao fiainana izao. Raha maniry fanasitranana sy fiainana mandrakizay isika dia tsy maintsy ho tafasaraka tanteraka amin’ny ota ny fiainantsika. Raha mendrika ny fangatahanareo fanasitranana Andriamanitra, dia tokony ho mendrika ny fanompoanareo koa Izy.

Io no antony lehibe amin’ny fangatahanay ny olona haharitra amin’ny famonjena ny fivoriana, mba ho reny matetika ny fanazavana ny Tenin’Andriamanitra ka ho fantany mazava kokoa ny sitrapon’Andriamanitra momba azy ary amin’izany dia hitombo sy hihamatanjaka ny finoany sy fahalalany ny hevitr’Andriamanitra momba ny fiainany eto.

Azon’Andriamanitra atao na inona na inona tiany, sady « ny zavatra rehetra dia hain’ny mino », Andriamanitra, izay nanao antsika, no mahalala antsika sy ny tenantsika be lavitra noho ny olona hafa rehetra, koa raha izany dia mahalala izy ny amin’izay hanasitranany antsika. Raha vonona hanaiky an’Andriamanitra ny olona, tahaka ny anekeny ny Dokotera, dia afaka manao zavatra lehibe tokoa ho azy Andriamanitra.

Ato amin’ity boky ity dia nohazavainay ny anton’ny tsi-fahasalamana sy ny hany fanafodin’Andriamanitra. Hitanao ato koa ny fanomezan-toky maro nataon’Andriamanitra mampanatena fanasitranana ny olona rehetra izay vonona hanaiky ny fepetra ilain’Andriamanitra sy hino ny Teniny.

Ho tahin’Andriamanitra anie hianao amin’ny famakiana ity boky ity amin’ny fo malalaka, sy amin’ny finoana ny fahamarinana hita ao aminy. Ity fahamarinana ity no hanafaka anao amin’ny fahotana, sy ny tsi-fahasalamana ary ny aretina rehetra, noho ny herin’Andriamanitra Velona, amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy.

hitohy…