Finoana – 02

Ny handraisana azy, ny hampiasana azy

… tohiny

FOTOTRA HO AN’NY FINOANA MARINA HAHAZOANA FANASITRANANA.

Mampiseho ny sitrapon’Andriamanitra ny amin’ny fanasitranana ny Baiboly. Tsy mbola nanohitra ny teny nampanoratin’Andriamanitra ny fampisehoana manokana ny sitrapony ! Mampiharihary ny fitiavan’Andriamanitra ho “mpanasitrana” ny olony ny fianarana tsara ny Soratra Masina, ary manambara ny sitrapony hanasitrana ireo iza sy Mankato Azy. Hijery andininy vitsivitsy avy ao amin’ny soratra Masina isika hanamarinana izany.

 Rehefa nitondra ny Zanak’Israely nivoaka tany Egypta Andriamanitra, dia nanome azy fitsipika sy fepetra ho amin’ny FANASITRANANA (Eks 15 : 26). Naverina indray io tamin’ny fiafaran’ny 40 taona nirenireny tany an’efitra. Hitantsika ao amin’ny tantarany fa narary sy azon’aretina izy, ary raha niverina tamin’Andriamanitra sy nibebaka dia nahazo fahasitranana ho valim-bavaka. Raha fanaon’Andriamanitra ny manome fanasitranana ho valim-bavaka tamin’ny andron’ny testamenta Taloha dia vao maika koa mahery ny fiasan’izany amin’ny andron’ny Testamenta Vaovao. “Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra” (Mat.12 : 15).

Tsy ho fampisehoana ny maha Andriamanitra Azy fotsiny akory,araka ny iheveran’ny sasany azy, ny asa fanasitranana nataon’i Kristy fa mba ho fanatanterahana izay nanirahana Azy –hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. “Inty Aho tonga hanao ny sitraponao, Andriamanitra ” (Heb 10 : 7)

Jesosy dia fampisehoana ny sitrapon’Andriamanitra. Nanao ny sitrapon’Andriamanitra Izy; nanasitrana izay rehetra nanatona Azy Izy. Tsy miova mihitsy ny maha Mpisorona Azy ; Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay”. Tsy miova ny fitiavany fa toy ny tamin’ny nanasitranany olona marobe ihany; tsy miova ny heriny fa toy ny tamin’ny nanasitranany ny aretina maro samy hafa ihany.

“ Koa amin’izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy , mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky”(Heb 2 : 17). Na taiza na taiza nalehany fony mbola nanao ny asany tety ambonin’ny tany dia nanana fo mangoraka Izy ary NANASITRANA “ireo rehetra narary ho sitranina”, ary Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ho antsika Izy Ankehitriny. Mitovy ihany ny hevitry ny hoe “fangoraham-po sy famindram-po” ao amin’ny Soratra Masina.

Manana hevitra fisoloana – miharitra fahoriana ho an’olona, fa tsy miarak’ory aminy – ny teny hoe : “mitondra” ao amin’ny Mat. 8 : 17. Raha nentin’i Kristy ny aretintsika, nahoana isika no hitondra azy? Hitantsika ao amin’ny Testamenta Taloha ny santionan’ny avotra momba ny fanasitranana. Ny fanadiovana ny boka, Lev. 14; ny fanasitranana ny areti-mandringana, Nom. 17 : 15 ; ny menarana varahina, Nom. 21 : 7 – 9 ; ny nanasitranana an’i Joba, Job. 33 : 24.

Hitantsika ao amin’ny Deotornomia toko faha-28 fa natao ho isan’ny ozona ny famparariana. Fa milaza ny Gal. 3 : 24 fa “nanavotra antsika tamin’ny ozon’ny lalàna Kristy”.

Mifampiankina hatrany ny aretina sy ny ota hatrany am-piandohan’ny Soratra Masina ka hatrany am-piafarany : Sal. 103 : 3 ; Jaona 5 : 14 ; Matio 9 : 5 – 6; mbamin’ireo hafa koa milaza ny momba izany. Tamin’ny alalan’ny rà soan’i Kristy izay nalatsaka ho antsika sy tamin’ny dian-kapoka niaretany no nahazoantsika fanavotana ho afaka amin’ny ota sy aretina.

hitohy …