Finoana – 03

… tohiny

Omena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika avokoa izay omen’Andriamanitra antsika, ary ho an’izay rehetra mahatanteraka ny fepetra sy mino ny Teny. Mety hanava-tena isika ka hanao hoe : “Tsy sitrapony”, fa tsy manavaka na iza na iza Andriamanitra. Tsy mizaha tavan’olona Izy. Ho an’ny olona rehetra ny teny fikasany. “Misy marary va eo aminareo?” (Jak. 5 : 14). “Mangataha dia homena hianareo” (Mat. 7 : 7). Raha mangataka zavatra Amiko amin’ny anarako hianareo dia hataoko izany” (Jaona 14 : 14). “Na inona na inona tononinareo amin’ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray hianareo, dia ho azonareo izany” (Marka 11 : 24).

Ampanantenaina ny fahasitranana amin’nyalalan’ny fitoeran’ny Fanahy Masina (Rom. 8 : 11)… Ireny teny ao amin’ny Soratra Masina ireny sy ilay teny fikasana nomena mivantana sy ho an’ny olona rehetra dia mampahalala mazava ny sitrapon’Andriamanitra hanasitrana izay rehetra manantona Azy amim-pinoana.IZANY NO SITRAPONY, NY LALANY. Tsy misy fomba hafa fanasitranana amporisihina ao amin’ny Baiboly. Tsy manana lalan-kafa afa-tsy izany ho an’ny olona Andriamanitra.

Ny sitrapony dia ny hananantsika fanasitranana, fahasalamana ary tanjaka ao amin’i Kristy. Zo sy tombontsoantsika ao Aminy izany. Sitrany isika ary manome voninahitra Azy raha manaiky ny lalany. Tiany raha salama isika. Hekentsika ve izany fitiavana atolony izany ? Hankato Azy amin’ny fanarahana ny lalany va isika, mba hahatanteraka ny sitrampony ato amintsika sy hanomezantsika voninahitra an’Andriamanitra ato amin’ny tenantsika ?

Tsy ilaintsika ny mivavaka hoe : “raha sitrakao Tompo ô, sitrano aho” raha manana fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra isika. Ny “raha” mantsy dia mitory fisalasalana, ary manafoana ny finoana ny fisalasalana. Nisy marary anankiray niteny tamin’ny mpanoratra tsy ela izay, hoe : “Mino ny fivavahana fangatahana fanasitranana amin’Andriamanitra aho, raha sitrapony” ary mba hahazoana an-tsary izay heveriny dia hoy izy : “Mety hangata-javatra amin-drainy ny zaza, ary homen-drainy azy izany raha heveriny fa hahasoa an’ilay zaza; ary tahaka izany koa no ivavahako ahazoana fahasitranana”. Izao no valiny : raha NANOME TOKY ny ray fa hanome zavatra iray an-janany, dia manan-jo ny hanatena izany ilay zaza; NAMPANANTENA fahasitranana ho antsika ny Raintsika, koa manan-jo HANANTENA isika fa hitana ny teny nomeny Izy.

Ny tsi-fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny zavatra sasany dia mety hahatonga antsika hivavaka amim-pinoana fa hanao izany Andriamanitra raha sitrany, ary hanao izany Izy. Fa rehefa nilaza ny sitrapony Andriamanitra ka nanome toky fa hanao zavatra iray dia tsy tokony tsy hahalala izany isika na hisalasala ny amin’ny izany. Mampiseho ny Teniny fa sitra-pony ny fanasitranana, dia tahaka ny maha-sitrapony ny famonjena koa, raha mahatanteraka ny fepetra isika ka mino ny teny fikasany.

Miankina amin’ny fahalalana ny sitrapony ny finoana mahazo zavatra avy amin’Andriamanitra. Ny fahalalany ny sitrapony no fototry ny fanantenantsika. Tsy hahazo fahasitranana amim-pinoana mihitsy isika ary mino ny fandraisana izany raha mbola misalasala ny aminn’y maha ho antsika izany. Tsy maintsy mahalala ny sitrapon’Andriamanitra isika; dia mandray amim-pinoana, mino fa rehefa mangataka dia mahazo.

Manana ny anjarany ao amin’ny fahasitranana koa ny sitrapontsika. Horaisintsika va izay efa sitrak’Andriamanitra homena antsika?

‘Raha miray Amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia nagataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany” (Jaona 15 : 7) Raha mifanehitra ny “mety Aho” ny –sy ny “mety aho”-ntsika dia ho vita ny asa.

hitohy …