Fahagagana sy Misiona – 004

FIZARANA voalohany

IREO NOSY

… tohiny

Nahazo trano fiangonana

Nisy vehivavy metôdista iray nifanena tamin’ireo tanora zazalahy niaraka taminay teny an-dalana telo andro taorian’ny nahatongavanay tao St Thomas. Nanasa anay izy hanao asa fifohazam-panahy ao amin’ny toerana iray ampianarany Sekoly alahady izay misy seza dimy sy roanjato, “piano” iray, ôrga iray, ary “ventilateur” iray, sy jiro maro be eny amin’ny valindrihana (plafond). Nanomboka ny fivoriana izahay ny ampitson’iny ary hita fa hipoka olona mangetaheta tanteraka ny toerana, zara raha misy ahafahana mamindra. Nifandimby nitoriteny izahay ary nisy hatrany ny fiantsoana hankeny amin’ny alitara. Misy fiantsoana intelo ao anatin’ny alina iray ary olona maro mangetaheta famonjena avy amin’Andriamanitra no manatona eny anoloana : dimy amby zato ny isan’ireo olom-boavonjy sy afaka tamin’ny fahotana. Tao anatin’izany rehetra izany, nanaomboka nametra-panotaniana tao anaty izahay hoe : “Aiza no ametrahana ireto olona ireto rehefa mifarana ny fivoriana? … Mila trano fiangonana isika. Nivavaka izahay ary namaly anay ny tamin’ny fomba mahagaga Andriamanitra. Fantatra fa nisy ankizy voan’ny lefakozatra eo akaikin’ny Nosy St Croix. Nisy baiko nivoaka fa tsy azon’ny ankizy idirana intsony ireny toerana ho an’ny sarambabem-bahoaka ireny (lieux publics) mba hiarovana ny fiparitahan’izany aretina mahafaty izany mandra-pisian’ny fanambarana vaovao indray. Noho izany indrindra ary, tsy nilain’ilay vehivavy metôdista intsony ilay toerana fampianarana Sekoly Alahady, ary nomeny anay tam-pitiavana izany toerana izany mba hampiasain’ireo olona vao niova fo ireo mandra-pahazoana toerana anaovana fivoriana maharitra.

Afaka ny tahotra

Naneho ny zava-mahagaga taminay hatrany Andriamanitra nandritra ireny fotoana rehetra ireny ary nanamarina ny Teniny tamin’ny alalan’ny famantaram-pahafahana maro Izy tao anatin’ireny toriteny tsotra nataonay ireny. Tao anatin’izany, nanahy mafy i Mary ny handeha any amin’ireo Nosy hafa ny amin’ny zavatra mbola mety ataon’Andriamanitra any. Noho izany, nanainga ho any amin’ny Nosy hafa indray izahay rehefa nijanona enina amby roapolo andro tao St Thomas mba hanome azy ireo anjara hahafantatra an’i Jesosy.

Fifohazam-panahy tao Antigua

Efa nanomana fifohazam-panahy izay hataony ao Antigua Andriamanitra tamin’ny nandefasany mpitandrina iray, izay nanokatra fiangonana vao iray volana sy tapany talohany nahatongavanay tany. Olona enina ambinifolo monja anefa no nanarika izany fivoriana izany. Nitsangana tam-pifaliana lehibe izy rehefa nanambara taminy ny momba anay sy ny dianay izahay ka nilaza taminay hoe : “ Manino moa raha tonga dia atomboka rahampitso alina ny fitorianteny? ” “ Rahampitso alina hoe?’’

Maninona raha tonga dia tomboka androany? ” hoy izahay namaly. “Tsy misy olana kah, azo atomboka anio alina izany, nieritreritra fotsiny mantsy aho hoe sao dia reraka noho ny dia ianareo. ”

Feno olona hatrany amin’ny arabe ny toerana rehetra tamin’ny alina voalohany, mba hizaha ireto tanora ireto, mihiakam-pandresena manoloana ny herin’ny devoly. Nisy vehivavy mihaja be iray nanantra-tanana sy nitomany nanatona teny anoloana satria tena resy lahatra tanteraka izy fa mpanota ary nanolo-tena ho an’ny Tompo, maro ihany koa no voavonjy noho ny fitoriana Filazantsara.

Avy be ny orana tamin’izay

Fantatray anefa fa tsy io tanàna io ihany no mila ny Filazantsara, raha io Nosy lehibe io no jerena. Noho izany, nanomboka nitoriteny ankalamanjana izahay. Tonga teo amin’ny tanàna fahaefatra nitoriana teny izahay, asy nilatsaka ny orana raha vao nanomboka nihira izahay. Samy nitady fialofana ny rehetra. Nisy zazalahy kely iray nanontany ahy raha mahazo mihazakazaka maka ny fanalahidim-piangonana any amin’ny dadany. Nambarako taminy anefa fa tsy mety loatra ny anaovana ny toriteniko ao am-piangonana, saingy lasa ihany izy. Tafaverina izy folo minitra taty aoriana sady faly ery nilaza hoe : “ Efa misokatra ny trano fiangonana” ary afaka nanohy ny toriteny tao izahay.

Nisy seza efajato teo ho eo tao am-piangonanaa rehefa tafiditra tao izahay, ny olona sasany miankina amin’ny rindrina. Maro ihany anefa no mbola nitsangana nandritra ny adiny roa, tao ihany koa ny niaritra teo an-tokontany, kotsan’ny orana, nefa tsy nampaninona azy ireo izany satria te hihaino ny Tenin’Andriamanitra izy.

Tsapako rehefa nitoriteny aho fa tahaka ny mitsangana anelanelan’ny maty sy ny velona aho satria ny teny izay ambarako eo dia mety ho toriteny farany horenesin’ny sasany amin’ireo olona marobe ireo.

Olona dimampolo indray no niara-nanolo-tena ka nandray ny tena famonjena rehefa nifarana ny fivoriana.

Tonga tao Monserrat ny anadahy George Upton, mpitan-tsoratry ny misiona tao amin’ny fiangonana “ Assemblée de Dieu” tao Canada tamin’ny herinandro faharoa nitorianay teny tao an-drenivohitra, ary nahazo tombony mahafinaritra nanana azy nitoriteny imbetsaka taminay. Niandry ny anadahy Piper, izay misionera iray avy ao Monserrat izy. Nankasitrahany tanteraka ny fomba nitarihan’Andriamanitra ny fivoriana izay nataonay. Faly indrindra izahay nanana azy ho namana satria lehilahy masin’Andriamanitra izy.

Saingy nisy zavatra nampihomehy tamin’ny alina voalohany nahatongavany. Niverina tany amin’ny Hôtely izahay rehefa nifarana ny fivoriana. Nanoro hevitra anay izy mba hanohizana izany amin’ny fotoana manaraka rehefa nanambara taminy ny fomba nitarihan’Andriamanitra anay izahay, satria efa alina be loatra ny andro, ary samy namonjy ny efitranonay avy izahay avy eo. Telo vavy izahay no nitambatra tao amin’ny efitrano lehibe iray : izaho sy Mary ary Sadie, ary nanoratra taratasy i Mary tamin’izay fotoana izay. Nisy nandondona ny varavarana tamin’izay ary i Mary no namaly. Tsy iza akory ilay olona fa ny anadahy Upton, “Misy lay ve ny farafaranareo? ” “Eny tompoko” hoy i Mary, “ fa angaha tsy nasian-dry zareo lay ny farafaranao? ”

“Misy tokoa, saingy amin’ny fomba ahoana no hiakarako eo ambonin’ny fandriana amin’io lay mihantona eo ambony io? Sa hitsambikina avy eny ambony ianareo? ” Niezaka nitazona ny fihomehezany i Mary, fa toran’ny hehy kosa izahay roa vavy. Mifatotra eny ambonin’ny valin-drihana avokoa mantsy ny lay rehetra ary mandrakotra ny farafara izany (eo amin’ny 6 metatra sy sasany eo ho eo no haavon’ny lay miala eo amin’ny fandriana)….

Tonga ny anadahy Piper ny ampitson’iny. Tsy nanaiky mihitsy izy raha tsy niaraka taminy hanao asa fitoriana any Monserrat izahay rehefa nahita ny hery mahagagan’Andriamanitra tamin’ny asa rehetra natao izy.

Monserrat sy ny asa fitoriana fanasitranana tao

Niandry teny ivelany avokoa ny olona rehetra mba hihaona aminay tamin’ny fotoana nahatongavanay tany Monserrat. Indro efa vonona avokoa ny zavatra rehetra, rehefa niditra tao an-trano izahay : feno vorontsiloza sy gana sy zavatra hafa marobe ihany koa teo ambony latabatra. Tsy tahaka ny “hanoanana” mihitsy izany taminay.

Efa nanomana ny fon’ny vahoaka tamin’ny fahatongavanay Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fahitana vehivavy iray nasehony taminay, efa-bolana mahery talohan’ny nahafantaranay ny fisian’ny tanànan’i Monserrat.

Fiantsoana ho amin’ny misionera

Fahagagana maro no nataon’Andriamanitra tao Monserrat nandritra ny asa fitoriana natao tao ary olona zato mahery no niova fo tamin’izany : nivoaka ny devoly ary tanora maro no nanolotra ny fiainany hanompo ny Tompo sy hitory ny Teniny. Anisan’ireny ny zanakavavin’ny lehilahy manankarena indrindra eo amin’io Nosy io, nefa nandao ny hareny rehetra izy mba hanaraka an’i Jesosy sy hanao misionera. Tsy nisy olona namatsy azy anefa tao anatin’izany, saingy nanao dingana lehibe izy satria natoky ny tenifikasan’Andriamanitra. Nilaza izy fa raha toa ka ampy hitazonana sy hitahirizana anay efatra mianadahy ny Tenifikasan’Andriamanitra dia afaka mitahiry azy ihany koa izany. Ary nataon’i Tompo tokoa izany. Nahita izy rehefa nandeha tany tamin’ny toerana izay niantsoan’Andriamanitra azy fa ny hany toerana mendrika hanaovana ny asa fanompoana dia ilay toerana vao nialan’ny “syndicat” iray. Lasa izy namandrika izany toerana izany, eny na dia mbola tsy fantany aza ny hofany. Nanoratra izy hoe : “fantatro fa tsy betsaka noho ny azon’Andriamanitra aloa izany”. Isaky ny fivoriana natao, nandritra ny volana maro dia fanahy sivy eo ho eo hatrany no voavonjy. Efa misy trano fiangonana mijoro ao ankehitriny.

Nitsahatra ny orana

Hita fa feno olona avokoa ny fiangonana rehetra nalehanay. Indray alina, nanomboka nilatsaka ny orana raha olona an-jatony maro no tavela tao ivelany satria tsy tafiditra tao anatiny intsony. Samy nandeha nitady fialofana avokoa ny rehetra fa niaritra nijanona teo kosa ireo olona ireo satria liana te hihaino ny Tenin’Andriamanitra izy ireo. Nanandratra ny tanany i Verlin rehefa nahita izany ary nandidy ny orana mba hitsahatra. Nisava tanteraka ny rahona dimy minitra monja taorin’izay, ary nahita ny kintana mamirapiratra tahaka ny diamondra izahay raha nivoaka avy tao am-piangonana tamin’iny alina iny… Nisokatra ny lanitra raha vantany vao tonga tany an-tranony avy indray ny tsirairay, ary nanomboka nilatsaka ny orana, ary nandritra ny alina iray manontolo izany.

Novatsiana sakafo tany Barren

Nampahery mpitandrina maro ny anadahy Piper mba tsy hisalasala hanasa anay hanao asa fifohazana, mila sakafo sy trano fotsiny ary fanatitra kely isan-kerinandro izahay.

Mpitandrina avy any amin’ny distrika iray faran’ny mahantra indrindra eo amin’io Nosy io ny mpitandrina tonga voalohany nanatona anay. Lasa amin’izay àry ny eritreritra hoe amin’ny fomba ahoana no hamatsiany anay? Tsy ho vita izany raha ny marina… Saingy feno fanantenana lehibe izahay ary nanaiky an-tsitrapo ny handeha ho any.

Nanomboka naneno nandritra ny antsasakadiny teo ho eo ny lakolosy tamin’ny 5 ora maraina. Tsy afa-natory intsony manoloana izany feon-dakolosy izany ny olona be torimaso. Nanontany tena izahay ny anton’izany, nifoha avy eo ary nankany am-piangonana. Akory ny hagaganay fa hay nisy fivoriam-bavaka maraina tao ! Efa nilaza taminay mialoha ny anadahy Piper fa tsy dia misy sakafo loatra eo amin’io toerana io, nefa indro feno sakafo marobe ny latabatra nony tonga ny fotoana fisakafoanana ; nieritreritra aho avy eo hoe natokana ho sakafo anio fotsiny izany ary mety tsy hisy ohatra an’io intsony rahampitso. Indro mbola feno hatrany anefa n y latabatra rehefa tonga indray ny ampitso sy afakampitson’iny hany ka somary nanahy kely aho ary nilaza taminy hoe : “Pastera ô, tsy te hiditra trosa amin’ny sakafo izahay, ataoko fa ampy ho anay ny rano sy ny mofo. ” Niala teo amin’ny latabatra izy sady nilaza tam-pitsikitsikiana hoe : “Faly aho satria nitarika izany resaka sakafo izany ianareo, ary te hanambara aminareo ihany koa aho fa tena mahafinaritra ny fomba famatsian’ny Tompo. Tena tsy fahita tokoa ny legioma sy ny hena aty aminay, ary nanoratra sakafo manokana (menu spécial) mihitsy aho noho ny fahafantarako ny sakafo tian’ny Amerikana ; niankina tanterak tamin’Andriamanitra aho mba handefasany ny zavatra ilaina rehetra amin’izany. Tokony tamin’ny 10 : 00 ora teo ho eo, raha nikarakara ny hena aho dia indro nisy zazalahy iray nanatitra tongo-janak’omby. Taoriana kelin’izay, indro tamy indray ity vehivavy iray avy lavitra be nanatitra karaoty, ary niangavy anabavy iray aho raha teny an-dalana hamonjy fotoam-bavaka maraina mba hitondrany voasary makirana, nefa inona hoy ianareo no nitranga? Hoy izy tamiko sady nanolotra harona iray : “Ny Tompo no efa nanambara tamiko mba hitondrako ireto voasary makirana ireto any aminao, indreto izany, ry Pastera!” Tsy hamela ny zanany ho noana Andriamanitra, eny, na dia mitoetra eo amin’ny toerana tena lavitra sy mitokana aza, raha toa ka sahy mino ny Tenin’Andriamanitra izy ireo.

hitohy …

0