Fahagagana sy misiona – 010

FIZARANA Faharoa

PÔRTÔ RIKÔ

… tohiny

St Germain, … Cabo Rojo

Fantatro fa lehibe ny fitorianteny tany Fajardo nefa nahatsapa hatrany aho fa mbola maro ihany koa ireo toerana tokony homena anjara mba handre ny Tenin’ny Tompo. Noho izany, nankany St Germain aho, tanàna iray eny am-pitan’ny Nosy . Nanao fahagagana ny Tompo satria nampitsahatra ny orana izy saika hanaparitaka ny olona mangetaheta sy ireo izay marary Izy. Indray andro, nisy ankizy kely iray niangavy anay mba hivavaka ho an’ny vehivavy iray izay tsy afa-mihetsika eo ambony fandriana. Nalemy nandritra ny roa taona izy, hany ka tena nanahirana tokoa na dia ny manohana azy hiala eo amin’ny fandriany aza. Tsy maintsy fahanana amin’ny sotro izy rehefa hihinan-kanina, satria malemy avokoa ny rantsam-batany rehetra, eny, simba mihitsy na dia ny sainy aza. Tsy mbola nandre Tenin’Andriamanitra efa hatramin’ny ela izy, noho izany, nilaza tamin’ilay ankizy kely aho hoe : “Tsaratsara kokoa raha entina amin’ny fiara fitondrana marary mankany amin’ny fitoriana Filazantsara izy toy izay izaho no mankany an-tranony”. Dia nataon’izy ireo izany. Nosokafan’izy ireo ny varavarana rehefa tonga ny fiara fitondrana marary ary nametraka azy teo amin’ny toerana izay ahafahany mandre tsara ny Tenin’Andriamanitra. Ireo zanany efa manambady kosa dia liana tanteraka tamin’ny fihainoana ny Tenin’ny Fiainana mahagaga. Nitsiky tam-pitokiana ilay zanany vavy, rehefa nanomboka nivavaka ho an’ny marary aho, ka nanao tamiko hoe : “Aza adino i Mama”. “Eny” hoy aho namaly, “Ampitsangano amin’ny Anaran’i Jesosy izy. ” Nihazakazaka sy feno fanantenana nanatona ilay fiara misy ny reniny izy rehefa nahare izany. Niantso azy aho raha nahita izany finoana goavana izany : “Andraso fa hiaraka aminao koa aho”. Niditra tao anaty fiara izahay, ary tonom-bavaka kely fotsiny no nataonay, nandidy azy hitsangana amin’ny Anaran’i Jesosy avy eo, nanetsika ny tongony niaraka tamin’izay ravehivavy. Nipetraka nahitsy tsara izy ary nasandrany ny tanany, sitrana tanteraka izy noho ny herin’Andriamanitra ary afaka niresaka sy nisakafo tsara izy, tena faly tamin’ny zavatra azo tao anatin’ny fivoriana tokana izy ka naniry ny mbola hoentina hiverina eo indray mba hahafahany mandray ny zavatra zay efa nomanin’Andriamanitra ho an’ny tsirairay. Nentina tao amin’ny fotoam-pivavahana indray izy ny ampitso alin’iny ary napetraka teo ambonin’ny seza ary efa afaka mikasika ny tany ny tongony.

Nisy vehivavy iray hafa ihany koa narary mafy voan’ny homamiadan’ny vavony, ary efa tsy afaka misakafo nandritra ny volana maromaro, hany ka lasa mahia kely toy ireny taolana mifona hoditra ireny izy, ary marefo dia marefo tokoa izy ka tsy vitany intsony na dia ny mitsangana aza. Niala niaraka tamin’izay ny fanaintainana rehetra rehefa nametrahanay tanana ny vavoniny, ary rehefa nandroaka ny devolin’ny homamiadana sy nandidy azy hitondra miaraka aminy ny asany rehetra izahay. Nanala ny solomasony izy efa matevina be ilay ramatoa avy eo ka nanao hoe : “Nahoana aho no mahita tsara rehefa miala ireto solomasoko ireto, nefa tsy mahita tsara aho rehefa tsy manao izany? ” Nalefanay hody izy ary nambarany taminay fa afaka mihinana izay tiany izy : vomanga endasina, tongolo, hena endasina, … satria Andriamanitra efa nanafaka azy tamin’ny homamiadana. Lasa nody izy ary nanomboka nihinana ireo zavatra nolazainy ireo, ary nilaza izy taorian’izany fa tsy narary intsony fa nanomboka nahazo aina, ary nifaly tao amin’ny Tompo izay manana ny hery rehetra handresena ny herin’ny devoly rehetra. Satria tonga tety an-tany Jesosy handrava ny asan’ny devoly… Noho izany, tokony hifaly mandrakariva isika noho ny fandresen’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijalian’i Kalvary izay omeny antsika ! Ho mpandresy koa ianao raha toa ka Jesosy no avelanao hiady ny adinao!

Maro no sitrana sy natao batisa, saingy nahatsapa fa tokony homena anjara amin’izany koa Cabo Rojo. Hoy ny ben’ny tanàna rehefa nangataka ny kianjan’ny tanàna tao Cabo Rojo izahay : “Tsia, tsia, tsy mila an’izany ianareo satria kely loatra io toerana io, … ampiasao ny kianja filalaovam-baolina, amin’izay tafiditra ao avokoa ny olona rehetra, manana jiro maro azo ofaina izahay ary afaka manaboatra lampihazo ianareo. Nanaiky ny toroheviny izahay ary olona iray alina teo ho eo no tonga nanatrika ny fitoriana Filazantsara mba handre ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny alina voalohany. Maro no voavonjy tam-boninahitra sy afaka tamin’ny fahazaran-dratsy ary sitrana. Tsaroako, nisy lehilahy jamba iray nentin’ny namany roa lahy namonjy fivoriana. Afaka nanisa ny jiro izy tamin’ny alina voalohany nahatogavany tao ary nahatsikaritra zavatra maro hafa ihany koa rehefa nandeha nody. Afaka namatatra ny akanjo anaovan’ny olona izy ny ampitson’iny. Nilaza tam-pifaliana izy ny andro manaraka an’io indray fa afaka nahita tanteraka ny endriky ny vady aman-janany raha toa ka tsy mba afaka nahita izany izy tao anatin’ny herintaona sy enim-bolana!

Ireo mpitandrina mpiara-miasa tamin’ny fivoriana tao Fajardo. Avy eo ankavanana miankavia : Rtoa Kely Collins, Rahalahy Heitman, Rahalahy Anderson avy amin’ny “Four Square”, Rahalahy sy Anabavy Leonidas, Santos, avy amin’ny Assembly of God”, Rahalahy Flor Maldonado avy amin’ny “United Bretsen in Christ”, Rahalahay Serfin Garcia avy amin’ny “United Evangelical Church”, Anabavy Heitman, Rahalahy Julio Rosario avy amin’ny “Missionary alliace” ; anabavy Eleanor Lux, ary amin’ny sisiny ankavia indrindra dia Rahalahy Rogelio Gonzales avy amin’ny “Missionary Alliance Pastor. ”

Rocha de Mocha An, sy ny fiovan’ny anjara

Antso maro no voaray avy any amin’ny faritany maro tamin’ity indray mandeha ity. Ny sasany avy any amin’ny toerana kelikely, tao kosa anefa ny avy any amin’ireny tanàn-dehibe nisy ireny kianja lehibe ireny. Nisy olona fitonjato hatramin’ny valonjato tonga nanatrika ny fivoriam-bavaka tao amin’ny iray amin’ireny tanàna kely ireny, ary olona dimy sady moana no marenina no sitrana tao anatin’ny fotoam-bavaka iray nandritra izany. Nandeha nody aho rehefa vita ny fivoriana mba hiala sasatra kely, ary nanomboka namaky Baiboly sy nitady ny herin’Andriamanitra aho mba hahafantarana indray ny hafatra tiany omena ny olona. Nivavaka tao ivelany aho, ary namaky Baiboly teo ambany hazo palma sy nikatsaka an’Andriamanitra aho. Tao anatin’izany, nilaza teny tokana tamiko ny Tompo hoe : “EGYPTA. ”

hitohy …