Fahagagana sy misiona – 011

FIZARANA Faharoa

… tohiny

 FIJOROANA VAVOLOMBELONA AVY ANY AMIN’IREO NOSY

Tsy nilaina akory ny fandidiana ilay fivontosana

Rahalahy Serafin :

“Manoratra izao taratasy izao aho mba hisaoraka an’Andriamanitra satria sitrana tanteraka aho rehefa namonjy ireny fitorianteny ankalamanja ireny rehefa nampahorian’ny aretin’ny voa (reins) sy fivontosana tao amin’ny vavoniko. Tokony ho tamin’ny fahenina ambinifolon’ity volana ity no fotoana handidiana ahy ; rehefa toga tany amin’ny hôpitaly anefa aho dia nilaza tamiko ireo mpandidy fa tsy nisy na inona na inona tao. Azafady mba omeo an’ilay evanjelistra vehivavy iny izao fijoroana vavolombelona izao. ”

Hoy Rafael Cruz

Avy aty Fajardo Pôtô Rikô

Levona ny fivontosana tao amin’ny sofina

“Nisy fivontosana izay naharary ahy mafy mihitsy teo amin’ny sofiko, ary tsy hitako intsoy izay natao, saingy nahatazana ny rahavavy Jane Collins nitoriteny aho rehefa namonjy ny fitoriana Filazantsara izay notarihan’ny anadahy T. L Osborn, nivavaka ho an’ny marary izy avy eo tamin’ny iny alina iny. Nanana fahatokiana tao anatiko aho fa hanasitrana ahy Andriamanitra ary nanankina ny finoako taminy ihany koa aho. Levona ilay fivontosana, ary tsy nahatsapa marary intsony aho nanomboka tamin’izay. Voninahitra ho an’Andriamanitra. Ankoatra izany, narary mafy ihany koa ny lohaliko, sitrana tamin’izany aho noho ny fahasoavany nandritra ny fitoriana Filazantsara nataon’ny anabavy Collins Jane tany Fajardo. Isaorana ny Tompo noho izany fahasoavany nataony tamiko izany sy ny fahatsarana izay nomeny an’i Jane Collins mba hivavaka ho an’ny marary ka hahasitrana ireny eo no eo. Andriamanitra anie handrakotra azy fitahiana manana amby ampy. ”

Hoy ny rahavavy Carmona de Gonzales, vadin’ny mpitandrina

ao amin’ny Eglise d’Alliance de Missionaires Chrétiens.

Levona ny “hernie”

“Misaotra an’Andriamanitra aho raha nandre ilay fitoriana Filazantsara ankalamanjana nataon’ny anabavy Collins tao Fajardo. Nanapa-kevitra hanatrika izany aho raha mba afaka hanasitrana ahy amin’ity “hernie” ity Andriamanitra, eny na dia manahirana ahy aza ny mandeha noho io aretina io. Nasain’ilay anabavy napetraka teo amin’ny faritra marary azy avy ny tanan’ny tsirairay rehefa nivavaka ho an’ny marary izy. Tsy hita teo intsony ilay “hernie” rehefa napetraka teo amin’ny faritra misy izany ny tanako. Afa-mandeha tsara aho ankehitriny, eny, afa-mihazakazaka mihitsy aza. Voninahitra anie ho an’Andriamanitra noho ny famindrampony tamiko sy nanirahany an’ilay anabavy voahosotra ho aty aminay. ”

Hoy ny rahalahy Gregorio Estrada Mercada

Avy aty Pôrtô Rikô

Sitrana ny aretin’ny voa (reins)

St Croix Virgine Islands,

8 aogositra 1951

“Telo taona izay no nahararian’ny voako(reins), misaotra an’Andriamanitra lehibe anefa aho ankehitriny satria nositraniny aho nandritra ny fifohazam-panahy natao tao Bethlehem St Croix. Hitahy antsika rehetra anie Andriamanitra. ”

Hoy Margarita Soto

“Nahatsiaro fanaintainana ny tenako manontolo. Nandray ny Tompo anefa aho tamin’ny fotoam-pifohazam-panahy indray alina ka nanasitrana ahy Izy. Nahatsapa zavatra boribory toy ny baolina aho niala tao anatiko, nanaraka ny taolan-tratrako havia izany, sitrana tanteraka tamin’ny aretiko izay efa nampijaly ahy nandritra n y iraika ambinifolo taona aho niaraka tamin’izay.

Ankoatr’izay, nanasitrana ny aretim-bavoniko ihany koa ny Tompo. Deraina Andriamanitra fa sitrana aho izao!

Hoy Rtoakely Reina Soto, avy aty King’s hill P. O, St Croix, V. I

Sitrana tao anaty fiara

Roma F. Browne, P. O Box 66

RahederickSted St Croix V. I

“Ho an’ny anabavy Collins

Raiso am-pitiavana tompoko ity taratasy ity ho mariky ny fankasitrahana sy fankatelimena noho ny zavatra nataonao tamiko. Indray hariva, sendra nandalo tany FrederickSed aho ary najanoko ny fiarako ka nihaino ny toriteny rehetra nataonao aho raha nitoriteny tao ianao. Nilaza taminay ianao rehefa niantso olona rehetra tonga teo mba hino ny herin’ny fanasitranan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka, mba hametraka ny tanana amin’ny faritra rehetra marary anay. Nataoko izany ary nahazo vokatra teo no ho eo aho. Nitsahatra sy nihamaivana ny lamosiko izay narary sy nanaintaina, ary tsy nahatsapa marary teo amin’ny faritra manodidina izany intsony aho. Matoky aho ary mivavaka ho anao mba hahomby hatrany amin’ny asa fitoriana izay ataonao, Andriamanitra anie hampahery anao hatrany. ”

Hoy Roma Browne

Anakandriamaso may, sitrana tanteraka

“Ho an’ny rahavavy Jane :

Raha mba fantatrao mantsy ny hafaliako hatramin’izay nivavahanao ho ahy tamin’ny Alahady lasa teo izay, tao amin’ny Sekoly Alahady ! Indray andro, nipitihan’ny menaka tao anaty masoko raha nanedy trondro aho, ary nisy zavatra fotsifotsy nandrakotra ny anakandriamasoko teo no ho eo ; valo ambinifolo taona izay no nitrangan’izany. Sitrana tanteraka anefa aho rehefa nivavaka ho ahy ianao tamin’ny Alahady teo. Niala ilay zavatra fotsifotsy nandrakotra ny masoko havia ary tsy hitako intsony ny nandehanan’izany, sitrana ny masoko ary mahita tsara aho izao. Misaotra an’Andriamanitra lehibe aho noho ny Teniny izay milaza fa mamonjy sy manasitrana Kristy. ”

Hoy Luisa Tores avy aty St Croix, V I

Sitrana ny marenina

“Izaho dia zazalahy nampijalian’ny aretin-tsofina hatramin’ny nahaterahako. Efa saika simba mihitsy ny sofiko satria tena narary be izany. Nentin’i Mama tany amin’ny dokotera hatrany aho, eny, efa tany amin’ny hôpitaly misy “spécialiste” mihitsy aza, ary efa nividiana avokoa izay mety ho fanafody hahasitrana ahy, saingy lasa tsy maheno ny sofiko isaky ny fotoana tokony handehanako mianatra, hany ka tsy afaka mankany am-pianarana aho. Noterena hianatra anefa aho, nefa misy olona hatrany mitondra ahy ho any amin’ny hôpitaly isaky ny avy mianatra aho ary toy izany foana no niainako. Nentin-dry zareo tany amin’ny hôpitaly aho mba hijery “spécialiste” momba ny sofina, tamin’ny volana oktobra 1950, raha kilasy fahafito no nisy ahy. Voatery nankany amin’ny Nosy hafa indray avy eo hitady dokotera hafa hitsabo ahy, saingy tsy afaka nanao na inona na inona tamiko ireo. Tsy nisy fiovana mihitsy ny sofiko. Nanapa-kevitra ny dokotera nony farany fa hodidiana ny sodiko saingy samy tsy nisy nanaiky na izaho na i Mama. Noho izany, napetrakay tamin’ny Tompo ny zava-drehetra. Deraina anefa Andriamanitra fa nanasitrana ahy Izy nandritra ny fifohazam-panahy tao St Croix. Efatra ambinifolo taona aho izao. ”

Hoy Christian Soto, avy aty Colquahuon, St Croix, V I

hitohy …