Fahagagana sy misiona – 014

FIZARANA fahatelo
… tohiny

Nahoana Andriamanitra no naniraka ahy tany Egypta?

Efa fialofana ho an’i Abrahama sy Jakoba ary Josefa ny tany Egypta hatramin’ny andron’izy ireo. Eny, na dia Jesosy aza dia nentin’i Josefa sy Maria tany amin’ny toerana iray akaikin’i Le Caire, raha nila fanampiana noho ny fanenjehan’i Heroda Izy. Nampanantena an’i Egypta Andriamanitra fa handefa fanasitranana lehibe eo amin’izany tany izany raha mila famonjena sy miantso ary mitaraina Aminy izy ary hiverina Aminy indray ny Egyptiana rehetra ka hanatanteraka ny tenifikasany amin’izany firenena izany tokoa Izy. Fantatro fa izao no fotoana nambaran’Andriamanitra rehefa namaky izao voasoratra manaraka izao aho :

“ Amin’izany andro izany dia hisy tanàna dimy any amin’ny tany Egypta hiteny ny fitenin’i Kanana sy hianiana ho an’i Jehovah, Tompon’ny maro ; ny anankiray hatao hoe : Tanànan’ny fandringanana.

Amin’izany andro izany dia hisy alitara ho an’i Jehovah eo amin’ny tany Egypta sy tsangambato eo an-tsisiny ho an’i Jehovah. Ary ho famantarana sy ho vavolombelona ho an’i Jehovah, Tompon’ny maro, ao amin’ny tany Egypta izany ; fa hitaraina amin’i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy iray, sady lehibe Izy, izay hanafaka azy. Ary Jehovah ho fantatra any Egypta, ary ny Egyptiana kosa hahalala an’i Jehovah amin’izany andro izany, dia hanao sorona sy fanatitra ; eny, hivoady amin’i Jehovah izy sady hanefa izany. Ary Jehovah hamely an’i Egypta ; hamely Izy no sady hanasitrana azy ; dia hiverina ho amin’i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany ary hositraniny izy. Amin’izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asiriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-manompo. Amin’izany andro izany dia ny Isiraely no ho fahatelo amin’ny Egyptiana sy ny Asyriana ; eny, ho fitahiana eo amin’ny tany. Fa hotahian’i Jehovah Tompon’ny maro, ireo ka hanao hoe : hotahiana anie Egypta oloko sy Asyria, asan’ny tanako, ary Esiraely lovako”. Esaia 19 : 18- 25.

Niantso vonjy sy nitaraina tamin’Andriamanitra ny tany Egypta. Manome voninahitra ny Teniny Izy ka nandefa iraka iray mba hitarika azy ireo hanatona an’i Jesosy izay hany Mpamonjy ny olona rehetra.

Nanamarina sy nanatanteraka ny teniny sahady ny Tompo tamin’ny fivoriana voalohany natao ka fanahy fito no novonjeny ary marary maro no sitrana. Tsapanay ny ampitson’iny, rehefa tonga tany Minieh izahay, fa Andriamanitra mihitsy no nitarika ny olona ho tonga ao am-piangonana na dia mbola tsy fantatr’izy ireo akory aza ny fotoana hahatongavako tany. Ary tsy nisy filazana akory tamin’izany, nefa feno olona tanteraka ny trano fiangonana tamin’ny fitorianteny voalohany nataonay tao hany ka voatery nifindra toerana hafa izahay, ka tao amin’ny trano fijerena sarimihetsika iray izay mahazaka olona hatramin’ny efatra arivo eo ho eo no nitohizan’ny fitoriana Filazantsara.

Fantar’ilay mpitandrina avy hatrany aho raha vao niditra tao am-piangonana, satria efa hitany tamin’ny fahitana (vision) volana vitsivitsy lasa izay raha nangataka tamin’Andriamanitra izy ny mba handefasany evanjelistra iray hitondra ny Filazantsaran’ny fanasitranana eo amin’ny tany Egypta. Nahita ahy nanao akanjo mangamanga sy palitao fotsy ary fehitenda maitso ilay mpitandrina tao anatin’izany fahitana izany ihany, ary ireo fitafiana ireo tokoa no nanaovako tamin’ny fotoana nidirako tao am-piangonana ! Teo anoloan’izany, nanantena hatrany ilay mpitandrina fa ho tanteraka avokoa ny fahitana rehetra hitany, anisan’izany ohatra ny habetsahan’ny olona an’arivony tonga handre ny Tenin’Andriamanitra, sy handray fahagagana maro ary fanasitranana sy famonjena izay hataon’Andriamanitra eo amin’ny fireneny. Lany tamin’ny fitoriana Filazantsara sy vavaka ho an’ny marary ny ankamaroan’ny androko hany ka tsy nanam-potoana firy loatra aho handraisana an-tsoratra izay zava-niseho rehetra mba hatao diary.

hitohy …