Fahamasinana sy Fakam-panahy 2 (tohiny)
Avela ho tonga ny fitsapana noho ny antony. Ny faharesena tsirairay dia mamela antsika halemilemy kokoa hiatrika ny ady manaraka, fa ny fandresena tsirairay kosa mahatonga antsika hatanjaka kokoa.
Ny fitsapana mandrakariva dia tonga amin’ ny faritra malemy indrindra amin’ ny toetrantsika. Avelan’ Andriamanitra izany satria fantany fa mandresy isika rehefa mandresy ny fakampanahy eo amin’ io faritra io ! Ny fandresena vaovao tsirairay dia mitondra fitomboan’ ny herin-tsaina, ary manamora ny fandresena amin’ ny manaraka !
Izany no antony tsy hitarihan’ Andriamanitra na oviana na oviana ny olona iray hanatanteraka zava-dehibe ho an’ Andriamanitra raha tsy efa porofoin’ izany olona izany aloha ny fahaizany mampiasa ny sabatry ny Tompo ao an- tokantranony !
Fanahy tsotra maro no mbola mitoetra ho voafatotra satria tsy mbola nianarany na oviana na oviana ny hanavaka ny hoe sain-dratsy (saina ratsy) sy ny (fisainana ny ratsy). Raha mbola manana fitaovam-pandrenesana 5 isika, izay mifandray amin’ izao tontolo izao feno faharatsiana, dia mety ampiasain’ i Satana ireo ho làlana malalaka ho amin’ ny fakampanahy, kanefa tsy misy na dia pentina iray aza hahazo ny fanahy raha vantany vao roahina tanteraka ny sain-dratsy. Azo ary tokony horoahina eo no ho eo amin’ ny fomba rehetra ny sain-dratsy tsy ho amin’ ny fieritreretanao, amin’ ny alalan’ ny fiderana mafy an’ Andriamanitra, na ny firesahana ny zavatra mahafinaritra nataon’ i Jesosy ho an’ ny namanao.
Rahoviana no afa-manavaka ianao fa ny toetry ny sainao dia vokatry ny fakam-panahy, na koa fisavorovoroan’ ny ratsy avy amin’ ny natioranao mihitsy ? Raha ny soso-kevitry ny ratsy tsymanaitra fihetsika, na mampirehitra faniriana, rehefa mihivingivina ianao ka mihemotra tsy hieritreritra azy mihitsy, rehefa manohitra ny firehana sy faniriana mahazatra anao izany ka mahatonga fahorian’ ny fanahy na dia ny fieritreretana azy aza ; Amin’ izay fotoana izay, dia azo antoka fa avy any ivelany izany fa tsy avy ao anatiny, ka tsy tokony hisy fanamelohan-tena hanaraka. Asosoky ny devoly ny sasany amin’ ny asa ratsiny, fa ianao kosa maniry sy mifidy ny hifikitra amin’ ny Tenin’ Andriamanitra sy hanaraka an’ i Jesosy. Tohero ny devoly dia handositra anao izy!