Fahamasinana sy Fakam-panahy 3 (tohiny)

TSY NY FAKAMPANAHY no mahatonga ota fa ny filavoana lefona amin’ ny fakam-panahy.

Tonga eo amin’ ny saina aloha ny FAKAMPANAHY… io no ambaratonga voalohany indrindra amin’ ny fakampanahy. Avy eo dia tafafindra any amin’ ny fitaovam-pandrenesana izany, ny filàna, ny faniriana ary ny fihetseham-po, dia manambara ny loza raha sendra voahetsiky ny faniriana ireo… Tonga eo amin’ ny am­baratonga saro-pady eo amin’ ny fakampanahy izany izao, tsy voa­tery hisy fanamelohana anefa. Raha toa ny fon’ ny olona tsy voato­lotra manontolo ho an’ Andriamanitra, ny fakam-panahy dia mety hahita fandraisana tsara ao anatiny ao ! Tsy mbola tonga ny fana­melohana anefa, raha tsy efa lalaina sy omena làlana ilay soso­kevitra ratsy. (Mandefitra zavatra izay fantany fa ota ny olona sasany… raha tokony hanohitra ny ota ; Izany dia mitranga mate­tika amin’ ny ray aman-dreny manoloana ny zanany… Notapahin’ Andriamanitra ny hatok’ i Ely noho ny nanaovany izany). Raha ny sitrapo miteny amin’ ny fakampanahy hoe tsia, resy izay ny mpan­kafanahy, ary mivoaka MANOATRA NOHO NY MPANDRESY ilay olona ; Deraina ny Tompo.

Na izany aza dia mety ho tonga amin’ ny fanahy voadio tan­teraka ny hihaino an’ i Satana, hifandahatra amin’ i Satana man­dra-pahalavony amin’ ny fakampanahy sy ny ota ; Satana dia na­mitaka an’ i Eva, izay nanana fo madio tanteraka, na dia izany aza dia tsy azo itompoana fa hahomby izy tahaka ny talohan’ ny naha­diovan’ ny fo ho afaka amin’ ny ota rehetra ! satria tsy misy mpa­madika ao anatiny, izay hamoha ny vavahadin’ ny rova ho amin’ ny fahavalo ety ivelany.

Ny fahamasinana tsy manome fiarovana na iza na iza hoe tsy afaka ny hanota izy, fa manome ny olona ny fitaovan’ ny hery rehetra kosa izy mbamin’ ny fijoroana hanohitra ny fakampanahy.

Na dia maharitra sy masiaka aza ny ady, dia hentitra sy feno ny fandresena, amin’ ny alalan’ ny fitomoerana ao amin’ i Kristy ! Fa toy ny oram-baratra sy ny rivotra izay manampy man­dentika ny fakan-kazo, ireo hazofijaliantsika sy zava-manahirana ary fitsapana no mpanampy tsara indrindra ho antsika hitom­boana amin’ ny fahasoavana sy ny fahalalana an’ i Jesosy Kristy Tompontsika ! Jesosy dia tsy nampanantena na oviana na oviana, làlana mankamin’ ny voninahitra, tsy misy zava-tsarotra sy hazofi­jaliana mbamin’ ny fanoherana avy amin’ i Satana… Fa hoy ny fampanantenan’ i Jesosy   :   ‘Indro, Izaho momba anareo man­drakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao !’. Ary hanampy anao Izy hiady handroaka ny devoly ka hivoaka ma­noatra noho ny mpandresy isika amin’ ny alalan’ Ilay tia antsika !