Fanitarana ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano
Noho ny fanampian’Andriamanitra dia hamita ny asa fanitarana ny Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano isika. Asa fanitarana izay fikasana tao anatin’ny programan’asa an’ny Raiamandreny Mpanorina, Fr Daoud, saingy tsy vita noho ny antony maro samihafa, ny fahanterana sy ny fahasasarana teo aminy.
Tsara ny manamarika fa Fanitarana 2 no mbola fikasan’ny Raiamandreny hatao, ny iray dia ny fanitarana ny trano fiangonana lehibe manontolo miantsinanana, izay misy ny toerana malalaka efa voalalotra ciment. Fikasany ny handrodana ny trano efa tranainy ankehitriny, ka hanitatra ny fiangonana any amin’ny 30m na 35m miantsinanana, aorian’izay dia hahazo ivo eo amin’ny Batistère sy ny Sonorisation teo aloha ny Poilipitra.
Ny faharoa sady farany kosa dia ity hotanterahintsika ity izay heverina ho dingana fohiezaka izay hahatonga ny fiangonana ho efitrano midadasika mitambatra aloha. Efa vitan’ny Raiamandreny ary vonona tao ny Poteaux an’ity fanitarana ity, ary ny ambin’ny fandaniana kosa dia hoezahintsika rehetra, miaraka aminareo izay notahian’ny Tompo…
Araka ny nambaran’ny Filohan’ny Fikambanana Pasteur Raymond ANDRIANATOANDRO dia : « hotanterahintsika ny fikasan’ny Raiamandreny Fr Daoud, araka ny teniny hoe, izahay nanomboka izao asa lehibe izao, fa ianareo no manohy azy, raha misy ny tsy maha eo anay intsony. Koa dia tsy hanao zavatra isika afatsy ny hanohy ny hetahetan’ny Raiamandrenintsika ».
Noho izany dia hotanterahina amin’ny fomba ofisialy rahampitso Sabotsy 15 Mars 2025, amin’ny 8 ora maraina, ny fihadiana fototra ny asa fanitarana io extension faharoa io koa :
Asaina isika Mpino zanak’Andriamanitra rehetra ho tonga eto amin’ny Foibe hifanotrona sy hitondra am-bavaka izany,
AZA ADINO ny « angady », « la pelle », « la pic » sy izay fitaovana azo entina mifandraika amin’izany, indrindra ho an’izay « maçon ».
Hisy fiaraha-misakafo kely (ody am-bavafo) amin’izay koa aza adino ny fitaovam-pihinanana.
Entanina ny Sampana Mpidera sy Mpitendry, mba ho tonga maro hanafana ny fotoana.
TONGAVA MARO
Eto_ambonin_ity_vatolampy_ity_no_haoriko_ny_Fiangonako #Matio_16_18
#jesosymamonjy #foibeankorondrano

