FIJOROANA VAVOLOMBELONA NY AMIN’NY FANASITRANANA

Jesosy Mamonjy Betafo

Ny dera sy ny laza ary ny Voninahitra dia ho an’Andriamanitra irery ihany, izaho RAKOTONDRAZANAKA Jean Claude dia narary, niditra hopitaly mihitsy satria tratry ny aretina mandoza fa mitohana, nanao saondy aho nandritra ny fotoana maro,nisy fotoana nanao echographie tao antsirabe dia nisy zavatra mivonto be tao anatiko, ary mitombo isam-bolana ilay fivontosona ary tsy mety hoy ny dokotera raha tsy operena, nefa ny vola aloha amin’izany dia 1.700.000ar, efa somary saika hamoy fo ihany aho satria koa zah diabetika, fa niezaka nampahery ny finoako aho ary nankiniko tamin’i Jesosy andro aman’alina izany, ny mpanompon’Andriamanitra ihany koa nivavaka ho ahy.

Nihaino ny Tompo ka sitrana tanteraka aho ankehitriny, tsy noperena fa nositranin’i Jesosy maimaimpoana ary afaka tanteraka, Levona ny fivontosana ary tsy mitohana intsony.

Hoan’Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra

📍 Ianao koa, raha manana fijoroana vavolombelona dia asaina hiantso anay mivantana na hifandray aminay amin’ny hafatra miafina.

☎️ 034 46 165 00