Filazana manjo
Ny Ekipan’ny Lalamasaka Hatry ny Ela dia mirary fiononana ho an’ny ankohonan’ny Mpanompon’Andriamanitra RAFALIMINO Raymond (Fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarafara Sabotsy Namehana), noho ny fahalasanan’ny
Anabavy RAVELOJAONA Onisoa Vololonirina.
Nandray anjara betsaka tamin’ny fampandrosoana ny Fiangonana Jesosy Mamonjy izy ireo, ary ny Anabavy Onisoa dia anisan’ireo Reny tamin’ny Isiraely, teo anilan’ny Anabavy Daoud fahavelony, anisan’ireo vadina Mpanompon’Andriamanitra nikarakara an’i Sr Daoud tao anatin’ny tsy fahasalamana, sy ny ora farany teo amin’ny Foibe Ankorondrano.
Vadina Mpanompon’Andriamanitra tso-po sy nahay nitondra olona izy, nitondra fampianarana marobe tamin’ny fivoriam-behivavy, nitaiza sy nanabe ny tanoran’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano, ary Renim-piangonana tahaka ny reny rehetra teto amin’ny Foibe.
Noho izany dia sitrakay ny hanome voninahitra ny herimpony, sy ny asa vitany napetrany ho an’ny Fiangonana.
Jesosy anie hameno ny banga ary hampahery anareo ankohonany.
