Nitoeran’ny devoly aho fa nafahan’i Jesosy

Voninahitra ho an’ i Jesosy Kristy irery ihany no hijoroako vavolombelona ny amin’ ny zava-mahagaga nataon’ ny Tompo tamiko.

Monina ao Bezaha fivondronan’ i Betioky Atsimo ny tenako. Tamin’ ny volana Mars 2006 dia narary aho: Nihamahia sy sempotra aho, ary tsy nahasakafo ihany koa satria nisy zavatra manakana tao amin’ ny tendako. Notsaboina tany amin’ ny dokotera fa hoe lany calcium nefa tsy nisy fiovany.

Nentina tany amin’ ny ombiasy aho avy eo ka dia notsaboina tao, omby iray no namidy nikarakarana ahy tany, tsy fitsaboana anefa fa nampidirana devoly atao hoe JINY aho. Lasa mpitaiza olona aho nanomboka teo sady tsy nahazo nivavaka intsony koa, fa hoe maty raha vao mivavaka. Vao maika anefa nampitombo ny aretiko ny fananako io devoly Jiny io:

Lasa  nanjavona ny masoko, nefa aho tamin’io fotoana io nanana anaka, ary tena natahotra ny tsy ahazo zaza.

Indray andro Zoma tamin’ ny volana Oktobra 2008, nisy mpanompon’ Andriamanitra namangy anay sady nitoriteny no nanoro hevitra  tonga tao amin’ ny tokatranonay. Nangetaheta ny hivavaka aho, ary dia tonga tany am-piangonana. Rehefa nandre toriteny aho, dia nihetsika ilay devoly tato amiko. Nivavaka ho ahy ny fiangonana rehefa nirava ny fivoriana, ary nodorana tao am-piangonana ny odiratsiko  rehetra.

Nanomboka teo dia tsapako nihamaivana aho, ary nihanahita koa ny masoko, sady nanomboka nisakafo sy nahita tory tsara, sady tsy sempotsempotra intsony. Tamin’izay koa aho no nahatsapa fa afaka tamin’ ny fahazaran-dratsy rehetra izay namatotra ahy. Namonjy fivoriana sy fotoam-bavaka maraina foana aho hatreo, ary tsapako fa tena voavonjy tanteraka. Halako ny fomba fanaoko taloha.

Voninahitra ho an’ Andriamanitra irery ihany.