Tratry ny taona 2021
Ny Ekipan’ny Lalamasaka Hatry ny Ela dia miarahaba antsika tratry ny Noely 2020, sy nahatratra ny Taona vaovao 2021.
Taona nandalovantsika ady sarotra sy niaretana zavatra maro iny taona 2020 iny. Tsy vitsy tamintsika no nisedra aretina mafy na nihatra tamin’ny tena na teo am-pitsaboana fianakaviana sy namana. Tsy vitsy ihany koa no nindaosin’ny fahafatesana, ka isika velona dia tonga kamboty sy mananontena, na lasa akanga sisa nanamborana nahatratra izao taona vaovao izao. Tsy nisy nanavahana fa dia samy nandalo fahasahiranana lalina , ny an’ny sasany fahaverezana asa, ny an’ny hafa tsy fihinanan-kanina sy tsy fisiana andro maro, ny fianarana simba, na fiainam-pianakaviana rava. Ary mbola mitohy miatrika ny vokadratsy naterak’iny taona iny isika mandraka ankehitriny.
Ny zavatra tsapa anefa raha mijery iny taon-dasa iny isika ka nahadingana ity taona vaovao ity dia samy resy lahatra fa : Ny Fahasoavan’Andriamanitra sy ny famindram-pony no nihazona antsika ho toy izao, tsy maty tao anatin’ny aretina na latsaka tao anaty famoizam-po, fa mbola velon’aina hatrany.
Ny lesona azo notsoahina kosa ny taona 2020, ho entintsika hiatrehana ny taona vaovao dia izao : Tsy mahavita tena isika fa mila mifanampy sy mifanome tanana, mila miverina amin’ny fahatsiarovan-tena ho tia sy hitsinjo ny hafa, na dia izay heverina ho manana ny zavatra rehetra aza. « Ny manana hanome ny tsy manana ». « Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an’ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy » Lioka 3:11.
Mivavaka isika mba ho taona hanavaozan’ny Tompo ny zavatra rehetra ity taona ity, honeran’i Jesosy ny fatiantoka rehetra, ho fenoiny ny banga rehetra.
Enga anie ho namboly fitiavana sy fiantrana, firaisan-kina sy fihavanana isika tao anatin’izay taona mangidy izay ka hitsimoka sy hitrebona ary hamoa voa tsara izany amin’ity taona vaovao 2021 ity.
« Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa MPIANATRO IANAREO, raha MIFANKATIA ».
Ho amintsika rehetra anie Fahasoavan’i Kristy
Ny Ekipa rehetra eto amin’ny Lalamasaka Hatry ny Ela