Moa ve ny Kristiana afaka mivelona tsy misy ota? (tohiny)

Izay dika ankapoben’ ny hoe : MANOTA ao amin’ ny Testamenta Vaovao dia fandikàna an-tsitrapo sy amin’ ny fahala­lana ny lalàna izay fantatra.

Ny fahatsontsana, fahalemena sy fahadisoana tsy nahy dia tsy azo sorohana raha mbola eto amin’ ny nofo isika. Ny fahotana kosa dia azo sorohana amin’ ny alalan’ ny hery fiarovan’ i Kristy mandritra ny ora mifandimby eo amin’ ny fiainam-baovao nomena antsika. Hanome hery ny sitrapo Izy amin’ ny fomba iray izay ha­hatonga izany hahatohitra ny sosokevitra rehetra hanao zavatra tsy araka ny sitrapon’ Andriamanitra. Tsy misy hery, na eto an­-tany, na any amin’ ny helo, afa-manery hanota ny olona iray izay miankina amin’ Andriamanitra mba ho voaaro amin’ izany. Tsy tonga Kristy hanarona, na hanala tsiny, na hanome fahalalahana ny ota, fa hanome antsika fandresena tsy miato, hampianatra ant­sika fa amin’ ny alalan’ ny fahatokiantsika Azy lalandava, dia tsy hanandrana faharesena na oviana na oviana isika.

Toa izany ny faminanian’ i Zakaria : « Izy dia hanao amin­tsika, rehefa nafahana tamin’ ny tànan’ ny fahavalontsika, izay hahazoantsika manompo Azy tsy amin-tahotra. Amin’ ny fahama­sinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin’ ny andro rehetra iainantsika’. « Manoatra noho ny mpandresy isika amin’ ny ala­lany » ary « Ny anarany hataonao hoe Jesosy, satria Izy no ha­monjy ny olony ho afaka amin’ ny fahotany ».

Amin’ ny alalan’ ny Ra sy fahafatesan’ i Kristy no andrai­santsika famelana, ary amin’ ny alalan’ ny dian-kapoka taminy no andraisantsika fanasitranana. Fa amin’ ny alalan’ ny fanekentsika ny Tompo natsangana no andraisantsika fiainam- pandresena.

Ry mpamaky malala, izany fahatsapana izany dia mety ho anao raha manolotra ny tenanao ho fanatitra velona sy manolo­-tena ho Azy ianao, ka maty ny amin’ ny ota sy miditra amin’ ny fiainam-baovao.

Raha manana an’ i Jesosy manjaka ao am-ponao sy eo amin’ ny fiainanao ianao, dia hitoetra ao Izy ka hanapaka ny fahavalo rehetra, ary tsy hisy vahiny avela hiditra ao amin’ izay efa itoe­rany. Raha efa nanaiky Azy ho Mpamonjy anao taorin’ ny faname­lohan’ ny ota ianao … Ekeo izy ho Mpamonjy anao amin’ ny herin’ ny ota, ary atolory ny momba ny tenanao ho momba ny tenan’ ny fahamarinana, voahombo miaraka Aminy, maty ny amin’ ny ota ary velona ho amin’ ny fahamarinana sy ny fahamasinana. Ho avy Kristy ka hiorim-ponenana ao aminao ka handresy ho anao sy amin’ ny alalanao. Mandohaleha, ekeo ny helokao, milavoa lefona

Aminy izao indray maka izao ihany ary maneke azy ho Mpandre­sinao.

Raha navela irery ny olombelona, dia manaiky avokoa isika rehetra, fa tsy azo tanterahana izany, nefa tsy resaka momba izay mety ho vitantsika io fa momba izay mety ho vitany. Moa misy zava-tsarotra tsy vitan’ Andriamanitra ? Tsy azontsika atao ve amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ny miaina iray minitra tsy manota ? Ary raha vita iray minitra izany, nahoana no tsy vita ora iray ? Ary raha vita ora iray, nahoana no tsy vita andro iray ? Ary raha andro iray, nahoana no tsy ho taona iray ? Hoferantsika va ny Iray Masin’ ny Isiraely ? Tsy hety hisy fandre­sena mitohy manoloana ny ota raha tsy fandresena toa izany no antenaina, ary tsy hisy Kristiana hanantena izay inoany fa tsy azo andramana. Malemy isika, nefa « amin’ ny alalan’ i Kristy mampa­hery antsika » dia « mahay ny zavatra rehetra isika », « Ny zavatra rehetra hain’ ny Mino ».

0