Fahagagana sy misiona – 008

FIZARANA Faharoa

PÔRTÔ RIKÔ

… tohiny

Fajardo sy ny mponina maro ao

Miasa any amin’ireny toerana fanodinana sigara ireny ny ankamaroan’ny mponina ao Fajardo, ny sasany miasa manapaka fary any an-tsaha, ao Pôrtô Rikô ihany, manomboka amin’ny 5ora maraina hatramin’ny 2 ora tolakandro. Mandeha tongotra lavitra be avy eo, nefa tonga an’arivony ihany izy ireo mba handre ny Filazantsaran’ i Kristy.

Nanatona lahiantitra jamba iray izahay indray alina, nentin’ankizilahy kely iray vao valo taona monja izy io. Hitanay fa nisy fanantenana lehibe teo amin’ny endrik’ilay jamba. “Raha toa ka afaka mandre ny toriteninay fotsiny izy, dia hahiratra ny masony”. Izao fotsiny no nolazaiko tao am-poko : “An driamanitra ô, aza avela ho diso fanantenana izy, fa sitrano amin’ity alina ity, amin’ny Anaran’i Jesosy”.

Indro efa feno olona an-jatony maro teo rehefa nandroso teny amin’ny lampihazo izahay, , ary nisy vehivavy iray nisintona ny tanako tamin’izay raha iny hiakatra ny tohatra iny aho, ary hoy izy : “Azafady tompoko, jamba ity lahiantitra ity, mba afaka hivavaka ho azy ve ianao? ”

Hoy aho nanotany : “Tsy mahita na inona na inona mihitsy ve izy? ”

“Tsy mahita mihitsy aho, eny, na dia tara-pahazavana kely aza”, hoy izy namely ahy.

“Eny ary, mihaino ny Tenin’Andriamanitra aloha ianao izao, ary hambara aminao izay tian’Andriamanitra hataony aminao, hiara-hivavaka isika avy eo ary hametraka ny tananao eo amin’ny masonao amin’ny Anaran’i Jesosy ianao mangataka fanasitranana Aminy”. Niakatra teo ambony lampihazo aho rehefa avy nilaza izany taminy ary nanomboka ny fotoana. Tena nahafinaritra mihitsy ny hira fiderana natao tamin’iny alina iny, feno Tenin’Andriamanitra ny foko ary nanosotra ahy ny Fanahy Masina ihany koa Izy. Olona maro no nanolo-tena sy voavonjy rehefa natao ny fiaraha-mivavaka ho an’izay rehetra maniry hanana firaisana tsara amin’Andriamanitra. Natomboka amin’izay ny vavaka ho fanasitranana ireo olona ireo rehefa avy nanaiky sy nandray an’i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy avy izy ireo. Tena nanetsika na dia izay fo tena mafy tokoa aza ny nahita ireo olona an’arivony nivavaka tamin’ny fony sy nitomany tamin’Andriamanitra ary nametraka ny tanany tamin’ny faritra marary azy avy…, ny sasany nametra-tanana tamin’ny lohany, ny sasany tamin’ny lamosiny, ny sasany teo amin’ny vavoniny, ny sasany teo amin’ny fony… fa samy nivavaka daholo. Samy nanantena zavatra tamin’Andriamanitra avokoa ny rehetra. Nanome anjara an’Andriamanitra mba hiasa eo amin’ny tsirairay izany rehetra izany.

Ampahany tamin’ireo sitrana tao Fajardo, Pôrtô Rikô, lehilahy eo afovoany : io ilay jamba nentin’ilay zazalahy kely valo taona. Havia : vehivavy sitrana tamin’ny raboka. Eo ankavanana : lehilahy roa sitrana tamin’ny fivontosana sy “hernie”.

Nasaina ny tsirairay mba hanambara izay nataon’ny Tompo taminy taorian’ny vavaka natao. Poa toy izay dia nihazakazaka nankeny amin’ny lampihazo ilay lahiantitra jamba, niantsoantso mafy izy sady nandray ilay “micro” ary hoy izy : “ Mahiratra aho, mahiratra aho”. Tsy afa-nahita intsony mantsy izy tao anatin’ny telopolo taona izay, na dia tara-pahazavana kely monja aza. Nanao asa fitrandrahana arintany ireny mantsy izy fahiny, tsy nahita na inona na inona intsony izy tampotampoka teo, tratry ny “tempête de neige” ihany koa izy tamin’izay fotoana izay, rehefa nivoaka tao amin’ilay lavaka fitrandrahana ; tamin’ny 1918 no nitrangan’izany tao New York.

Sitrana tanteraka anefa izy ankehitriny ary mahita tsara ny masony izao.

Nanamafy izany fijoroana vavolombelona izany : hitany sy fantany tsara izany ny fehitendan’ny lehilahy iray (cravate) avy ery amin’ny dimy ambinifolo metatra miala amin’ny lampihazo. Rehefa vita ny azy, nisy lehilahy jamba hafa ihany koa nangataka hanambara amin’ny olona ny fandresena noraisiny.

Tany amin’ny faran’ny olona tany no nisy azy, nefa Andriamanitra kosa teo akaikiny ka nampahiratra azy. Nisy vehivavy iray ihany koa tokony hodidiana ny ampitson’io. Nandre tsara ny zavatra tian’Andriamanitra hataony aminy izy, ary nasain’ny dokotera niverina nody izy rehefa nankany amin’ny hôpitaly hanao fifamotoana satria tsy ilaina intsony ilay “fandidiana”. Rava tanteraka ilay fivontosana.

Vehivavy mitazona ny zanany izay jamba hatrany am-bohoka nefa sitrana sy mahita tsara izy ankehitriny. Sisiny ankavanana ao aoriana : lehilahy tsy afaka nanao na inona na inona nandritra ny dimy ambinifolo taona. Tonga nanatrika ny fitoriana filazantsara izy ary nahavita nitsangana nandritra ny ora roa sy sasany, ary afaka nandeha an-tongotra lavitra be nody tany an-trano izy avy eo. Nahatsiaro tena ho nihatsara hatrany izy ny ampitson’iny, mbola tonga nanatrika ny fivoriana ary nitsangana nandritra ny ora telo indray. Tena efa salama tsara izy tamin’ny andro fahatelo ary nanapa-kevitra handeha hiasa hanapaka fary mandritra ny adiny enina izy.

Tonga nanatrika hatrany ny fitoriana Filazantsara anefa izy rehefa avy niasa. Nijoro vavolombelona teny anoloana izy ary nitsambikimbikina toy ireny zazakely ireny…. nanohy ny asany indray izy ny ampitson’iny.

Nisy vehivavy hafa ihany koa nanana fivontosana tao amin’ny vavoniny. Nametrahany Tanana tamin’ny Anaran’i Jesosy izany. Notampenany ny tanany ny vavany rehefa nivavaka ho azy izahay mba tsy handrenesana ny fikiakiakan’ny rehefa miolana manaintaina mafy ny vavoniny.

Nino ny Tenin’Andriamanitra izy fa ho sitrana. Nody tany an-trano izy noho izany sady natoky hatrany ny Tenin’Andriamanitra Mbola narary ny vavoniny ny ampitso. Nanomboka nandoa ranon-javatra mainty be izy tamin’ny 12 ora teo ho eo. Tsy inona anefa io naloany io fa ilay aretina.

Zavatra mahamay kely sisa no tsapany tao anaty rehefa tafavoaka izany.

Nandeha namonjy fivoriana indray izy ary nivavaka. Ny ampitson’iny, afaka tanteraka ilay namaivay talohan’ny tamin’ny 12 atoandro ka afaka nihinana izay zavatra rehetra tiany hohanina izy satria velona sy manasitrana Jesosy.

hitohy …