Misy marina ny Helo

Nitory teny Sr Daoud indray andro, « Misy marina ny Helo » no lohateny. Nitantara izy fa nisy fikambanana ingénieur minier rosiana tarihin’ingahy Azzacov, nandavaka tany ambanin’ny tany. Rehefa nahalavaka tany amin’ny 14,4km izy ireo dia nisy fitrangan-javatra mahatsiravina. Nihanafana ny fanambanin’ny tany, ary nanomboka naheno feo sy hiaka mahatsiravina izy ireo. Rehefa tsy zakan’izy ireo ny fihainoana izany dia nanapa-kevitra fa hametraka microphone sy fitaovana hafa mba hahafahana manaraka izay zava-miseho tany ambany tany. Rehefa izany dia voaray tamin’ny fitaovana electronika fa niakatra 1000° ny hafanana, ary nisy feo sy hiakiakam-pijaliana tsy zaka renesina noraisin’izy ireo tamin’ny vata fandraisam-peo.
Indro zaraina amintsika ny feo avy any amin’ny helo voaray tamin’izany andro izany. Ity feo ity dia tsy misy truquage, tsy namboarina, fa feo avy amin’ny archive-ndry zareo tao amin’ny télévision TBN, ary ananan’ny BBC dika mitovy.