Tantaran’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy

ISIKA NO MITANTARA. Ity pejy ity dia natokana hitantarantsika izay tranga, seho, zava-nisy rehetra mikasika ny fiangonana Jesosy Mamonjy FANTATRAO, niainanao, notatarain’ireo Ray aman-dreny, na olona tsotra teny ivelany aza, ny lovan-tsofina rehetra nefa hitanao fa avy tamina loharano AZO ANTOKA, indrindra ireo tantara TRANAINY tany am-piandohana (1961-….). Iriana manokana ny feo avy amin’ireo Ray aman-dreny mbola velona ankehitriny. Aza adino ny milaza ny vanim-potoan’ilay tantara sy ny toerana nisehoany. Mazotoa manoratra ary.
* Makanesa eny amin’ny faran’ny ambany raha handefa ny tantara avy aminao

4 réponses

  1. Ambinitsoa loicah darenn dit :

    TANTARAN’NY FIANGONANA JESOSY MAMONJY
    ETO MADAGASIKARA
    —————–
    Tantaran’ny Fifohazam-panahy Jesosy Mamonjy
    Antony hampahatsiahivana ny tantara ?
    • Tsy tokony hadinoina ny tantara mahafinaritra namangian’Andriamanitra an’i Madagasikara,
    • Ho lesona fakan-tahak’ireo taranaka aty aoriana,
    • Hafatry ny Révérend Daoud, mialoha ny hafatesany : “Anjaranay izaho sy Ranabavy Daoud no nanomboka ny asa, fa anjaranareo kosa ny manohy azy”,
    • Fanalahidy nampaharitra ny fifohazam-panahy Jesosy Mamonjy : Fitandrovana ny FAHAMASINANA
    Iza moa ireo mpanorina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy ?
    Reverend Mounir Aziz DADOUD
    • 24 Jona 1924 – 12 Febroary 2004,
    • Kurde niova fo, teraka tao Mossoul (Irak) teratany avy any Turquie ny fianakaviany, nandalo tao Irak ary nifindra avy eo tany Egypte,
    • Voavonjy tamin’ny faha 19 taonany,
    • Pasteur BARSOUM no nitaiza sy nampianatra azy taona maro tany Egypte,
    • Nianatra teo am-pandohalihana ny Baiboly
    • Isan’ny Service d’Ordre an’i Sr Jane Collins tamin’ny évangélisation 1951
    Iza moa ireo mpanorina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy ?
    Evanjelistra Jane COLLINS :
    • 1912 – 10 Jolay 1999,
    • Teratany Américaine – Dallas Texas,
    • Voavonjy tamin’ny faha-11 taonany,
    • Nahavita fianarana ambony tamin’ny teny Espagnol ary nampianatra,
    • Nianatra Sekoly Biblique Baiboly tao Waxachie USA
    • Misionera tany Perou nandritra ny 6 taona
    • Nitondra ny évangélisation tany Egypte tamin’ny 1952
    Iza moa ireo mpanorina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy ?
    • Niverina tany Dallas Etats-Unis tamin’ny faran’ny taona 1952,
    • Nanangana ny “The Voice of Miracles and Missions”, tamin’ny taona 1953, izay lasa “International Bible Association” taty aoriana,
    Nihandohan’ny fifohazam-panahy teto Madagasikara :
    • Niala sasatra teto Madagasikara ny voalohan’ny taona 1961, taorian’ny fitoriana filazantsara tany Ouganda,
    • Mai 1961 : Fitoriana filazantsara voalohany tany amin’ny Stade Cheminot Antanimena (Embouteillage), nafindra teny Fenoarivo (14km) – samy naharitra 25 andro,
    1.a
    Vokatra : Olona an’arivony maro nihaino ny toriteny ankalamanjana, maro nandray famonjena sy fanasitranana, ary na dia ny marary teny amin’ny hopitaly aza nisy nivoaka ara-tantara.
    Ny fiantombohan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy ?
    • Taorian’ny fitetezam-paritany, nandre ny antso hanorenana fiangonana tao Ambatondrazaka, “Atsaharo ny fivoriam-panasitranana mitety tanana, fa ATSANGANO NY FIANGONANA ARAKA NY FOTO-PAMPIANARAKO ETO AMIN’NY NOSY ITY”
    • Nifady hanina 21 andro izy ireo,
    • Nanao fotoam-pivavahana tao Sainte-Marie Kely, Tana ary nanangana ny Association Cultuelle Pentecôtiste Jesosy Mamonjy, rehefa feno 100 ny Mpino,
    Ny fiantombohan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy :
    • Oktobra 1962 : niorina ny fiangonana Jesosy Mamonjy,
    • Aprily 1963 : nividy ny tanimbary Ankorondrano,
    • 01 Jolay 1963 : didim-panjakana nivoaka nankato ny fiorenan’ny FJM,
    • Septambra 1963 : nidirana voalohany ny trano FJM,
    • 09 Oktobra 1963 : Notokanana ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano,
    • 22 Desambra 1963 : Nanaovana batisa voalohany,
    Ny fivoaran’ny asan’Andriamanitra teo amin’ny FJM :
    • Martsa 1964 : nanombohan’ny mpino nitoriteny sy nijoro vavolombelona,
    • 06 Jolay 1964 : nanofana Evanjelistra sy Sekoly ara-baiboly voalohany –
    Mpampianatra Sr Jane Collins
    • Oktobra 1965 : naparitaka ny Evanjelistra sy SAB ho any Ambatolampy, Moramanga, Ambatondrazaka ary Toamasina,
    • Septambra 1966 : nahazo tany tao Toamasina,
    • 1967 : Fitoriana filazantsara teto Fianarantsoa (tohin’ny fangatahan’ny Chef de Province Fianarantsoa mivady), tao amin’ny Stade Ampasambazaha : Talata – Alatsinainy.
    Ny nandroahana an’i Révérend DAOUD mivady :
    • 25 martsa 1967 : Niala teto Madagasikara ny Revérend DAOUD mivady mpanorina ny FJM noho ny didim-panjakana fandroahan’ny Governemanta Malagasy vokatry ny hetraketraky ny mpialona, sy mpankahala, izay nanely tsaho maro (Oh : mpangalatra volamena, mpanafatra fitaovam-piadiana amin’ny baoritra, mpangoron-karena, …)
    • Teniny rehefa niala teto Madagasikara : “HITAKO LAVITRA NY ZAVA-TSAROTRA HIANJADY AMIN’ITY FIANGONANA ITY”
    • Nihazo an’i Limuru Kenya izy ireo, avy any indray no nihahiany ny FJM teto Madagasikara.
    Ny nikatonan’ny fiangonana Jesosy Mamony :
    • May 1967 : Niangavy ny Misionera Jetter avy amin’ny ADD ny mpanorina mba hampahery ny mpino,
    • 02 Jolay 1967 : Fitokanana ny FJM Toamasina
    • 09 Jolay 1967 : Nitaona ny olona hivadika ADD ingahy Jetter/Gilles – Nanontany an-taratasy ny Mpanorina ireo Evanjelistra.
    • 27 Jolay 1967 : Namaly ny mpanorina ary nazava ny fanodikodinana nataon’Ingahy Jetter/Gilles,
    • 09 Aout 1967 : Nizara roa ny Conseil d’Administration

  2. Andry dit :

    1963 tany. Nirotsaka nahery vaika be ny Fanahy Masina tao Ankorondrano fa nisy famangian’Andriamanitra. Niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra ny ankizy sy tanora marobe, ka tsy nety niova intsony ny fiteniny, ny sasany nandritry ny 3 andro, ny sasany nandritry ny herinandro. rehefa tonga tany am-pianarana ny sasany dia tsy niteny gasy intsony fa niteny tamin’ny teny tsy fantatra. Dia gaga ny mpampianatra sy ny sekoly, nalefa nody fotsiny ireo fa tsisy azo natao, ireo ankizy koa tsy nahavita nanova ny fiteniny mihitsy raha tsy andro vitsy tato aoriana. Enga anie ka hiverina izany, amen

  3. Antsa dit :

    Tantarain’i Mamanay fa rehefa nirava hono ny fiangonana ny alahady atoandro dia miara-rodobe ny mpino miaraka amin’i fr sy sr Daoud mandeha an-tongotra miakatra an’Ambondrona iny andeha hamangy fahoriana mpino, avy eo mbola hiverina hivavaka mamonjy amin’ny 3ora. Tamin’ny 1964 hono izany

  4. Zo dit :

    Nisy Mpitondra taxi niresaka tamiko fa efa mpivavaka tao amin’ny JM hono izy sy ny ray amandreniny tamin’ny JM vao niforona. Mipetraka eny Soavimasoandro rizareo ka teo amin’ny dongona iorenan’ny FJKM Soavimasoandro io hono no nakana ny tany nanotofana ny tanimbary teo Ankorondrano io tamin’ny mbola tsisy ninoninona teo