septembre 2019

Nitoeran’ny devoly aho fa nafahan’i Jesosy

Voninahitra ho an’ i Jesosy Kristy irery ihany no hijoroako vavolombelona ny amin’ ny zava-mahagaga nataon’ ny Tompo tamiko. Monina ao Bezaha fivondronan’ i Betioky Atsimo ny tenako. Tamin’ ny volana Mars 2006 dia narary aho: Nihamahia sy sempotra aho, ary tsy nahasakafo ihany koa satria nisy zavatra manakana tao amin’ ny tendako. Notsaboina tany amin’ ny dokotera fa hoe...

Novonjen’i Jesosy tao anatin’ny ditra

Aina Nasolo Salama daholo tompoko ! Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany no hahazahoako mijoro vavolombelona eto aminareo! Izaho dia zazalahy nianatra Sekoly Alahady tao amin’ny Jesosy Mamonjy taloha. Rehefa niha-lehibe nefa dia navilin’ny Satana ka dia nanaraka azy tany ka nanjankany, ary dia nofatorany tamina fahazaran-dratsy isan-karazany : tao ny famaliana Ray aman-dReny. Ny raiko moa niverin-dalana ary dia nanampy an’ny Satana...

Sitrana tamin’ny infection interne tao amin’ny kibo

Neria Ho Voninahitr’Andriamanitra Ray-Zanaka-Fanahy Masina irery ihany no hijoroako vavolombelona aminareo, fa nanamarina ny Teniny Izy amin’ny handatsahany ny Fanahiny amin’ny nofo rehetra amin’ny andro farany. Nentiny nanasitranana ahy izany. Tamin’ny voalohany dia tao amin’ny ambavafoko no navaivay, ary tena nandreraka ahy izany. Nilaza ny mpanompon’Andriamanitra tamin’izay fotoana izay mba hangataka ny fahafenoan’ny Fanahy Masina ny tsirairay; nitsangana tamin’ny Anaran’i...

Ny Famonjena no antony nahatongavan’i Jesosy

Ny Famonjena no Iohateny FOTOTRA ao amin’ny Filazantsara, sady hafatra lehibe indrindra nomena ny olona : «Hiteraka ZAZALAHY izy ary ny Anarany atao hoe : JESOSY, satria Izy no HAMONJY ny olony HO AFAKA amin’ny FAHOTANY». Mat. 1:21. Nilaza mialoha ny fiavian’i Jesosy ny mpaminany lsaia, sady NANOME NY ANTONY : «Eny Izy tokoa no ho avy ka HAMONJY ANAREO»....

Tsotra nefa diso

Fiteny mahazatra ny olona ny hoe : « TSY MANINONA IZAY INOANA, REHEFA TSOTRA ». Deraintsika ny olona TSOTRA, kanefa tsy ampy ny fahatsorana. Mety misy OLONA TSOTRA amin’izay inoany ary manao zavatra marina. Omentsika haja lehibe ny olona izay tsotra ka mafana fo amin’izay zavatra itompoany ary vonona éry ny ho faty amin’izany. NEFA tsy ampy ny FAHATSORANA fotsiny. – Nino TAMIM-PAHATSORANA ity vehivavy iray fa daozim-panafody sahaza no nalainy...

Ny herin’ny vavaka

Mandrakariva, ny vavaka, indrindra ho an’ny Mpanompon’Andriamanitra, dia tonga atao ambanin-javatra na tena tsy dia ankasitrahana loatra. Misy fotoana hahenoantsiika fanakianana mihitsy ny fampiharana azy, ohatra ny hoe fandrebirebena na mampihen-danja ny asa fanompoana ny fanaovana azy raha toa ka izy no zava-dehibe indrindra ilain’Andriamanitra. Koa sakanana ny fanaovana ny vavaka mba hanehoana ny tena hoe mahomby. Azo antoka noho...

Miverena any Betela 008

Mba nozahanao ve ny bokin’ ny fiainam-panahinao ? Moa voalaminao ara-dalàna ve ny kaontinao amin’ ny Tompo ? Aiza ny voady Izay nataonao ny voalohan’ ny volana janoary ary ny faharoan’ ny volana janoary 1966 ? Nanokana fotoana vitsivitsy tao amin’ ny miafina ianao tamin’ izany fo­toana Izany hivavahana sy hangatahana amin’ Andriamanitra hoe : « Satria efa novonjenao aho, dia...

Fahamasinana sy Fakam-panahy 3 (tohiny)

TSY NY FAKAMPANAHY no mahatonga ota fa ny filavoana lefona amin’ ny fakam-panahy. Tonga eo amin’ ny saina aloha ny FAKAMPANAHY… io no ambaratonga voalohany indrindra amin’ ny fakampanahy. Avy eo dia tafafindra any amin’ ny fitaovam-pandrenesana izany, ny filàna, ny faniriana ary ny fihetseham-po, dia manambara ny loza raha sendra voahetsiky ny faniriana ireo… Tonga eo amin’ ny am­baratonga saro-pady eo...