Tsotra nefa diso

Fiteny mahazatra ny olona ny hoe : « TSY MANINONA IZAY INOANA, REHEFA TSOTRA ».

Deraintsika ny olona TSOTRA, kanefa tsy ampy ny fahatsorana. Mety misy OLONA TSOTRA amin’izay inoany ary manao zavatra marina. Omentsika haja lehibe ny olona izay tsotra ka mafana fo amin’izay zavatra itompoany ary vonona éry ny ho faty amin’izany. NEFA tsy ampy ny FAHATSORANA fotsiny.

– Nino TAMIM-PAHATSORANA ity vehivavy iray fa daozim-panafody sahaza no nalainy tao amin’ny tranom-panafody, kanjo nihoatra izany ka nivadika ho poizina ka dia maty izy.

Ny FAHATSORANA fotsiny tsy mahavonjy ny fanahinao raha mino zava-diso ianao. Mbola mahafaty lavitra ny mino zava-diso noho ny misotro poizina tamin’ny fifandisoana.

Ny fanambarana hoe : « TSY MAMPANINONA IZAY INOANA, FA AMPY REHEFA TSOTRA IANAO », dia mahafaoka izany fa na inona na inona inoana sy ekena dia mitondra any an-danitra. Tsy izany velively anefa no izy.

– Nafana fo tokoa ny Apostoly Paoly SADY TSOTRA raha nanenjika ny Kristiana. Noho ny fahasaropiarony tamin’ny fivavahana nenti-paharazana (Fivavahana araka ny lalàn’i Mosesy). Nefa mila fo vavovao izy ; mila ny fahaterahana indray. Tsy mampaninona na toy inona fahaelany, na toy inona FAHATSORANY, fa raha mbola nitohy tamin’izany izy dia ho very. Asa. 9.

– Nanatona TAMIM-PAHATSORANA ireo virijiny dimy adala raha ho ao amin’y fanasana fampakaram-bady ka niteny hoe : « Tompoko, vohay izahay, nefa novaliana hoe : tsy fantatro ianareo » Mat. 25 : 1-13. Diso izy satria tsy nivonona tsara ka dia nolavina.

– TSOTRA ireo mpaminanin’i Bala raha niantso ny andriamaniny mba hamaly azy amin’ny afo teo an-tendrobohitr’i Karmela. TSOTRA izy ireo ka niantso mafy sady nitetika ny tenany tamin’ny sabatra sy ny lefona mandra-pahaloa-dra tamin’ny tenany, nefa tsy nahazo valiny, satria izay tsy Andriamanitra no nivavahany. I Mpa. 18. Tsaratsara kokoa ny tsy nivavaka toy izay MIVAVAKA DISO LALANA.

– Tena TSOTRA TOKOA ireo olona maro izay mandeha mivahiny an-tany lavitra an-tongotra (ho fampijalian-tena hahazoana famelan-keloka) na nandry an-taonany maro amin’ny fandriana fantsika miranirany.

Diso anefa izany fa ny fibebahana sy ny fandraisana an’i Jesosy izay nandrotsaka ny rany ho fanadiovana fahotana no handraisana ny famelan-keloka. Mat. 26 : 28. Ka dia mbola mitoetra ho mpanota tsy voavela heloka eo ihany izy.

– Tena TSOTRA IHANY TOKOA ireo olona mivavaka izay mampitsahatra ny asany ka mampilefitra ny lohaliny, na aiza na aiza toerana misy azy mba hivavaka in-dimy isan’andro. Tsy voavonjy anefa izay tsy manana ilay hany tena Mpamonjy dia JESOSY KRISTY Zanak’Andriamanitra Lahitokana. Satria Izy irery ihany no hany làlana mankany an-danitra. Jao. 14 : 6.

– Nanapa-kevitra Davida mpanjaka sy ny olona fa hampiakarina avy any Kiriata-Jearima avy tao an-tranon’i Abinadaba ny Fiaran’i Jehovah ho ao an-tanànan’i Ziona. Natao tao anaty sarety vaovao izany. TAMIM-PAHATSORANA LEHIBE TOKOA no naninjiran’i Oza ny tanany hanohana ny Fiaran’i Jehovah tsy hianjera, satria nazeran’ny omby izany. Nirehitra taminy ny fahatezeran’i Jehovah ka dia maty teo noho eo izy, NOHO NY FAHADISOANY. II Sam. 6 : 7, satria tsy nisy olona nahazo nanendry izany afa-tsy ny mpisorona sy ny Levita ihany.

– Tamin’ny fahatsoran’i ABIMELEKA TOKOA no nakany an’i Saraha vadin’i Abrahama, satria tsy fantany ho vadin-dralehilahy izy. DISO INDRINDRA teo anatrehan’Andriamanitra anefa izany nataony izany, ka dia naha momba an’i Abimeleka sy ny vehivavay rehetra tamin’ny ankohonany Andriamanitra, sady NIKASA AHAFATY AZY mihitsy aza, noho ny fahadisoany. Gen. 20.

TSOTRA TOKOA IANAO, tsara izany, nefa tsy ampy ny fahatsorana fotsiny, fa raha tsy mahalala ny marina, izay hahafaka anao tsy ho andevo ianao dia ho very ihany NOHO NY FAHADISOANAO na ny fahotanao. Jao. 8 : 32. Diniho tsara ireo fitantarana rehetra, izay voalaza teo ambony ka fantaro izay toerana misy anao.

Hoy Jesosy : Tsy izay rehetra manao Amiko hoe : « Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’y fanjakan’ny lanitra, fa izay manao NY SITRAPON’NY RAIKO izay any an-danitra ».

Maro no mihevitra noho ny fahatsorany, fa hivoha ho azy ireo ny varavaran’ny lanitra satria naminany tamin’ny anaran’i Jesosy Tompo izy ireo ; namoaka demonia tamin’ny anarany ary nanao asa mahagaga maro. Nefa hamaly Izy hoe : « Tsy fantatro ianareo hatrizay hatrizay, mialà Amiko ianareo mpanao heloka ». Mat. 7 : 21-23.

Mino an’i Jesosy Kristy Tompo amin’ny fonao ve ianao ? Efa nanaiky Azy ho Mpamonjy ny tenanao manokana ve ianao ? AMIN’ITY ANIO ITY NO TOKONY HIHEVERANAO IZANY. Ampifantohy sy ampiantsony amin’i JESOSY TOMPO amin’ny fahatsoran’ny fonao ny finoanao, dia mibebaha marina fa hanome anao fihavanana amin’Andriamanitra sy fiainana mandrakizay Izy.