Ny Famonjena no antony nahatongavan’i Jesosy

Ny Famonjena no Iohateny FOTOTRA ao amin’ny Filazantsara, sady hafatra lehibe indrindra nomena ny olona : «Hiteraka ZAZALAHY izy ary ny Anarany atao hoe : JESOSY, satria Izy no HAMONJY ny olony HO AFAKA amin’ny FAHOTANY». Mat. 1:21.

Nilaza mialoha ny fiavian’i Jesosy ny mpaminany lsaia, sady NANOME NY ANTONY : «Eny Izy tokoa no ho avy ka HAMONJY ANAREO». Raha tonga Jesosy, dia nambarany ny foto-diany teto an-tany : «Tonga ny Zanak’olona HITADY sy HAMONJY NY VERY». Lio. 19 : 10.

NILAZA MARIMARINA ny Apostoly Paoly fa : «Tonga teto amin’izao tontolo izao Kristy Jesosy mba HAMONJY ny mpanota». I Tim. 1 : 15.

Nanambara koa Petera fa : «Izy no nasandratr’Andriamanitra ho Tompo syMPAMONJY». Asa. 5:31.

Nilaza mazava Paoly ao amin’ny Heb. 7 : 25 fa «MAHAVONJY TOKOA izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy».