Tsotra nefa diso

Fiteny mahazatra ny olona ny hoe : « TSY MANINONA IZAY INOANA, REHEFA TSOTRA ». Deraintsika ny olona TSOTRA, kanefa tsy ampy ny fahatsorana. Mety misy OLONA TSOTRA amin’izay inoany ary manao zavatra marina. Omentsika haja lehibe ny olona izay tsotra ka mafana fo amin’izay zavatra itompoany ary vonona éry ny ho faty amin’izany. NEFA tsy ampy ny FAHATSORANA fotsiny. – Nino TAMIM-PAHATSORANA ity vehivavy iray fa daozim-panafody sahaza no nalainy...