novembre 22, 2019

Miarahaba antsika tratry ny Paska 2013

Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo !Faly miarahaba antsika ny Lalamasaka hatry ny ela tratr’izao andro Paska izao.Ny herin’ny Fitsanganan’i Jesosy Kristy Tompontsika anie hampijoro antsika hatrany amin’ny fanarahana Azy, hanangana indray izay efa lavo ka hamerina ny maro amin’ny Lalamasaka hatry ny Ela, ary koa ny Famonjena vitany hanavotra ireo izay mbola ao anatin’ny fahotana Amin’ny fonay rehetra

Fahagagana sy misiona – 018

FIZARANA fahatelo… tohiny Sombiny amin’ireo fanasitranana tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana Loholona avy ao amin’ny Fiangonana presbyteriana Minieh Egypta “Te hilaza ny zavatra nataon’ny Tompo tamiko sy ny fahasoavana noraisiko aho nandritra ny fifohazam-panahy tamin’ny tapaky ny volana Marsa 1952. Ny anabavy Jane Collins no nanao izany fitoriana Filazantsara izany. Nampahorian’ny aretina izay tsy fantatry ny mpitsabo mihitsy ny vadiko, ary tsy...