Fahagagana sy misiona – 018

FIZARANA fahatelo
… tohiny

Sombiny amin’ireo fanasitranana tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana

Loholona avy ao amin’ny Fiangonana presbyteriana

Minieh Egypta

“Te hilaza ny zavatra nataon’ny Tompo tamiko sy ny fahasoavana noraisiko aho nandritra ny fifohazam-panahy tamin’ny tapaky ny volana Marsa 1952. Ny anabavy Jane Collins no nanao izany fitoriana Filazantsara izany. Nampahorian’ny aretina izay tsy fantatry ny mpitsabo mihitsy ny vadiko, ary tsy nisy fanafana mihitsy izany aretina izany. Sitrana tanteraka anefa izy rehefa nametrahan’i Jane Collins Tanana sy nivavahana tamin’ny Anaran’i Jesosy. Tsy izay ihany anefa ny zavatra nataon’ny Tompo fa ny zanakovavy izay vao folo taona dia nianjera mafy ka kiaka be teo ambonin’ny masony, ary folaka ihany koa ny tanany. Tonga nanatrika ny fivoriana izahay ary notsapaiko ny tanany rehefa vita ny vavaka ho an’ny marary ka tsy narary sy tsy naninona intsony ; sitrana tamin’ny Anaran’i Jesosy izy ary tsy nilaina intsony ilay lamba namatorana ny tanany fa nariana avy hatrany izany. Izany no fijoroana vavolombelona tamin’ny soa nataon’Andriamanitra teo amin’ny ankohonako. ”

Hoy Awaad Lutfy

Zanaka miaramila avy ao Minieh Egypta

“Vao efatra taona ny zanako raha nipetraka tany Alexandrie izahay. Nisy nana be ny sofiny tamin’izany fotoana izany ary namoaka fofona tena maimbo be izany. Ary raha sendra misy olona miditra ao an-tranonay dia tsy miverina intsony ireny noho ilay fofona tena tsy zaka mihitsy. Efa nanatona “spécialiste” maro izahay tany Alexandrie saingy tsy nisy vokany izany. Nifindra tany Luxor indray izahay taty aoriana satria miaramila moa ny tena ka tsy maintsy manaiky ny lamina apetraka. Nanatona mpitsabo sofina maro ihany koa izahay tany, nefa mbola tsy nahasitrana ilay sofiny ihany izany. Nifindra taty Minieh, Egypta indray izahay avy eo ary nanapa-kevitra ireo dokotera maromaro natoninay fa tsy maintsy hodidiana ny sofin’ilay zanako. Tsy nanana ny ampy ho entina manatanteraka izany anefa izahay. Naheno indray àry aho fa tonga tao amin’ny firenenay Rtoakely Collins. Nisy boky kely teny an-tanany (Baiboly) tamin’izay fotoana izay ary nitoriteny mikasika ny nananganana an’i Lazarosy tamin’ny maty tao am-pasana sy ny nananganana ny malemy rehetra izy. Hakanton’izay boky re izany ! Ry mpamaky hajaina, lavitra an’Andriamanitra izaho sy ny ankohonako fahiny. Nanatona Azy kosa izahay ankehitriny. Tonga nanatrika ny fitoriana Filazantsara nataon’ny rahavavy Collins izahay tamin’ny 6 Aprily 1952, ary nentiko tany ilay zanako vavy ka nametrahany Tanana sy nivavahany. Hitako fa sitrana tanteraka ny sofin’ilay zanako rehefa teny an-. dalam-podiana izahay ary tsy nisy fofona sy fambara hafahafa intsony izany. Tena nanetsika fon’olona maro tokoa izany fijoroana vavolombelona izany. Nankasitrahan’ny olona tokoa raha ilay vehivavy mpanarato fanahy iny : Rtoa Collins. ”

Hoy Zakie Shinndah

Sekoly ambony ao Minieh Egypta

“Narary sofina aho hatramin’ny fahazazako. Fito taona lasa izay, nankany amin’ny mpitsanbo aho ary nodidiana ny sofiko ary naharary mafy ahy tokoa izany fandidiana izany. Namonjy ny fitoriana Filazantsara nataon’ny rahavavy Collins anefa aho rehefa henoko ny lazany ary nanao tao am-poko hoe : “Tsy maintsy manolotra ny foko ho an’i Jesosy aho. ” Nihena ilay fanaintainana tamin’ny sofiko roa rehefa nataoko izany ary niangavy ny rahavavy Collins aho mba hivavaka ho ahy. Tsy reko intsony ilay fanaintainana taorian’izay. Misaotra an’Andriamanitra aho noho ny fanasitranany ahy sy ny namonjeny ahy ho afaka amin’ny ota. Deraina mandrakizay Izy. ”

Hoy Edward Ibrahim

hitohy …