juin 2020

Zarao amintsika ny sarin’ny Fiangonanao

Alaivo sary ny trano fiangonanareo, sarin’ny mpino en groupe, batisa, evangélisation, fiadiana fototra, fanokanam-piangonana, sns dia azonareo atao ny mandefa azy mail aty aminay (lalamasaka@gmail.com) mba handaharanay azy eo amin’ny rubrique Rakitsary Aza adino ny mombamomba ny sary:– Sarin’ny Fiangonana.– Toerana : anaran-tanàna, commune, distrika sns.– Ny mpitandrina mitondra ao ankehitriny.– Raha hainao ny mamaritra azy amin’ny google map dia...

Andriamanitra tsy azo vazivaziana Bro Daoud, Jesosy Mamonjy Ankorondrano

Andriamanitra tsy azo vazivaziana.Ny vokatry ny fahotan’ny fahatanorana. Ny maha zava-dehibe ny manambady olom-boavonjy. Ny sazin’ny fanambadiana mpanota. Ireo fitandremana tokony hatao sy tokony ho fantatra mialohan’ny hidirana amin’ny fifamatorana amin’ny mariazy.Toriteny sy fampianarana ho an’ny tanora. Azon’ny mpitaiza tanora sy ny Ray aman-dReny manana tanora hakàna lesona hanoroana lalana azy ireo.

Fanamasinana BroDaoud, Jesosy Mamonjy Ankorondrano

Mialohan’ny hahatongavan’ny Fifohazana dia tsy maintsy misy ny Fanamasinan’Andriamanitra. Ny Fifohazam-panahy dia tsy tongatonga amin’izao fa tsy maintsy mivavaka isika mba hisintonana izany avy any ambony hidina ety an-tany. Andriamanitra tsy miara-miasa amin’ny vahoaka izay tsy manolon-tena tanteraka, fa miasa Izy raha isika manao ny anjarantsika.