Raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo

Ny amin’ny fitsanganan’ny maty Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo. Fa natolotro anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana...