Ny maha Baiboly ny Baiboly
Ny maha Baiboly ny Baiboly dia ny fisian’ny zava – dehibe sy fampianarana tahaka ireto sasantsasany ireto ao :
- Andriamanitra no namorona ny olombelona.
- Lavo ny olombelona ka tsy nankato an’Andriamanitra. Nandidy fanamelohana mandrakizay any amin’ny helo noho ny heloky ny olombelona Andriamanitra.
- Nanomana lalana hamonjena azy Andrimanitra (amin’ny alalan’i Jesosy).
- Mety ho voavonjy ny olona raha manaiky ny lalan’Andriamanitra sy izay noheveriny hamonjena azy.
- Ny lalam – pamonjen’Andriamanitra dia ny nahafatesan’i Kristy ho antsika sy ny nanavotany antsika raha tokony hahazo tombon – tsoa amin’izany isika ka ho voavonjy. Mazava ny fampianaran’ny Baiboly fa ny tenantsika no tsy maintsy mibebaka sy miova fo ary manaiky amim – pinoana izay efa nomanin’Andriamanitra ho antsika (ny tenan’ny olona no tsy maintsy manam – pinoana alohan’ny hahavoavonjy azy).
/°