MA Daoud

Ny Famonjena no antony nahatongavan’i Jesosy

Ny Famonjena no Iohateny FOTOTRA ao amin’ny Filazantsara, sady hafatra lehibe indrindra nomena ny olona : «Hiteraka ZAZALAHY izy ary ny Anarany atao hoe : JESOSY, satria Izy no HAMONJY ny olony HO AFAKA amin’ny FAHOTANY». Mat. 1:21. Nilaza mialoha ny fiavian’i Jesosy ny mpaminany lsaia, sady NANOME NY ANTONY : «Eny Izy tokoa no ho avy ka HAMONJY ANAREO»....

Fahamasinana sy Fakam-panahy 3 (tohiny)

TSY NY FAKAMPANAHY no mahatonga ota fa ny filavoana lefona amin’ ny fakam-panahy. Tonga eo amin’ ny saina aloha ny FAKAMPANAHY… io no ambaratonga voalohany indrindra amin’ ny fakampanahy. Avy eo dia tafafindra any amin’ ny fitaovam-pandrenesana izany, ny filàna, ny faniriana ary ny fihetseham-po, dia manambara ny loza raha sendra voahetsiky ny faniriana ireo… Tonga eo amin’ ny am­baratonga saro-pady eo...