MA Daoud

Moa ve ny Kristiana afaka mivelona tsy misy ota? (tohiny)

Izay dika ankapoben’ ny hoe : MANOTA ao amin’ ny Testamenta Vaovao dia fandikàna an-tsitrapo sy amin’ ny fahala­lana ny lalàna izay fantatra. Ny fahatsontsana, fahalemena sy fahadisoana tsy nahy dia tsy azo sorohana raha mbola eto amin’ ny nofo isika. Ny fahotana kosa dia azo sorohana amin’ ny alalan’ ny hery fiarovan’ i Kristy mandritra ny ora mifandimby eo amin’ ny fiainam-baovao...

Jesosy Mpanasitrana sy Mpamonjy

Lany tamin’ny fanasitranana ny marary sy famelana ny heloky ny mpanota ny telo taona tamin’ny andron’i Jesosy. Dia tonga ilay fotoana lehibe izay nahatonga Azy ho Mpisolo ny olona. Tsy maintsy nalana avokoa ny ota sy ny aretina, kanefa alohan’ny hahafahana izany ara-drariny dia tsy maintsy naloa aloha ny tambin’izy roa. Jesosy Kristy irery ihany, Ilay tsy nanota sy tsy...

Ny Ran’ny Zanak’ondry

Mialoha ny nanafahan’Andriamanitra ny Israely tamin’ny fanandevozana tany Egypta dia tokony hatoky ilay MPAMONJY IZAY HO AVY (Jesosy Kristy) ny isan-tokantrano mba hanafahana azy ho afaka amin’ny otany. Raha vao nanota voalohany Adama sy Eva, dia voatery nanome ny Zanany Lahitokana Andriamanitra mba hisolo azy noho ny otany. Mandra-pahaterak’i Jesosy, ny olo-masina rehetra tao amin’ny Testamenta Taloha dia tsy maintsy...

Miverena any Betela 002

TOKO VOALOHANY MIVERENA ANY BETELA Mba ahazoanay manolotra ny hafatra ho anao izao maraina izao, ka ahafahanao mandre ny feon’ ny Fanahy Masina dia ilaina ny hamakiana ireto andalan-tSoratra Masina roa ireto, satria ho raisintsika ny fiainan’ i Jakoba mba ho sary azo ampiharina amin’ ny fiainan’ ny kristiana maro. Noho izany, dia ilaina ny mahalala ny tantara hatramin’ ny voalohany ka hatramin’...

Miverena any Betela 003

Eo anelanelan’ ny toko faha-28 sy ny toko faha-35, dia maro ny taona lany ary tao anatin’ izany dia nisy zava-dehibe roa loha niseho tamin’ ny fiainan’ i Jakoba. Nandalo zava­tsarotra maro izy, kanefa notanan’ Andriamanitra hatrany ny tenifikasany izay nataony tamin’ i Jakoba. Nanao fanekena tamin’ Andriamanitra Jakoba hoe : Raha ataonao amiko izao, Tompo ô !dia hataoko kosa izao ho...

Miverena any Betela 004

Feno fahatsapana izay azo ampiharina amin’ ny fiainan’ olona maro ny fiainan’ i Jakoba. Ny toerana sarobidy indrindra dia BETELA, izay nise­hoan’ Andriamanitra tamin’ i Jakoba raha nandositra an’ i Esao rahalahiny izy. Raha vao nanomboka nanaraka ny Tompo Jakoba dia nanana fahalemena betsaka, satria nanana toetra « miady varotra », raha misy zavatra tsy miteraka tom­bontsoa ho azy dia tsy tiany ny manaraka izany...

Miverena any Betela 005

Na dia zavatra tsy tsara aza no niseho tamin’ ny fiainan’ i Jakoba, izany dia mampiseho ny fahalemen’ ny olombelona izay tokony ho noresen’ i Jakoba. Very ny firaisan’ i Jakoba tamin’ Andriamanitra raha tonga tao Sekema izy, noho ny nahitany ny sampin’ ny Jentilisa sy nanarahany izany. Niverina tamin’ ny fiainany ta­loha izy sady voataona tamin’ ny ratsy koa ny...

Miverena any Betela 006

Rehefa mifandimby hatrany ny taona, dia tokony hisy eo amin’ ny fiainantsika ny fiovàna. Toy ny Kompania lehibe iray izay mandinika ny bokiny amin’ ny faran’ ny taona mba hahi­tana na nahazo tombony izy, na maty antoka tamin’ iny taona iny. Jereny na nahazoana tombony, na nahafatesana antoka ny taona niasàna. Inoako fa sitrak’ Andriamanitra ny hankalazantsika ny voalohan’ ny taona mba ahafahantsika...