Miverena any Betela 005

Na dia zavatra tsy tsara aza no niseho tamin’ ny fiainan’ i Jakoba, izany dia mampiseho ny fahalemen’ ny olombelona izay tokony ho noresen’ i Jakoba.

Very ny firaisan’ i Jakoba tamin’ Andriamanitra raha tonga tao Sekema izy, noho ny nahitany ny sampin’ ny Jentilisa sy nanarahany izany. Niverina tamin’ ny fiainany ta­loha izy sady voataona tamin’ ny ratsy koa ny fianakaviany.

Tsy tokony ho nataon’ i Jakoba mihitsy ireo zavatra ireo, nefa mbola niteny taminy ihany Andriamanitra noho ny fitia­vany sy ny faharipony : ‘Tsy ity no toerana izay NOFIDIKO ho ANAO, tokony handao ity toerana ity ianao ka HIVERINA any amin’ ny FITOERAN’ NY FTIAVANAO VOALOHANY, any amin’ ny tanin’ ny FANOLORANTENANAO VOALOHANY, raha nam­panantena ianao fa HANOMPO AHY sy HIANKOHOKA AMIKO, Izay hany Andriamanitrao ary hanana firaisana mi­tohy hatrany amin’ ilay ANDRIAMANITRA MANDRAKIZAY. Mitsangàna ka ilaozy ity toerana ity, ka miverena any BETELA — ANY NO HITAHIAKO ANAO ».

Inona no nataon’ i Jakoba ? Nanomboka nandamina ny ankohonany izy ; Nodidiany izy ireo ho vonona hiainga AVY HATRANY. « ANDRIAMANITRA izay niseho tamiko tany Betela dia maniry ny hiverenako any. Te-hanome ahy fanambarana vaovao sy be voninahitra kokoa Izy. Te-hiteny amiko indray Izy. Tiany ho tsapako indray ny heriny ary ny fifalian’ ny firai­sana voalohany sy ny fanambarana, ary ho tsarovako koa ny voady izay nataoko teo anatrehany ».

« Samia miasa haingana, mba ahazoantsika mihaona in­dray amin’ Andriamanitra ao amin’ io toerana io, ary ho velona eo anatrehany, handre ny feony, sy handray valim- bavaka avy any an-danitra indray amin’ ny alalan’ ny afo avy any an-­danitra hilatsaka eo amin’ ny fanatintsika.

Tsy azonareo entina ny SAMPINAREO. « ENTO ety amiko ireny, angony ny sampy rehetra sy ny terafima, ary ny sampy izay tianareo sy maminareo, ary koa ny zavatra izay nahatonga anareo handao an’ i Betela ». Nankato ny tenin’ i Jakoba avo­koa ny ankohonany rehetra, ka nentiny teo aminy ny sampy rehetra ary naleviny tao ambany hazo ireny. Ankehitriny, hoy izy : « MIDIOVA IANAREO, manadiova tena, ovay ny fitafiana­reo, satria handao ity toerana ity isika mba hiverina any Betela ». Haleloia I

Inona no nataon’ i Jakoba ? Nankatò an’ Andriamanitra izy I Io Andriamanitra izay nandidy an’ i Jakoba hiverina any Betela io no miteny zavatra toy izany ao amin’ ny Apokalypsy ho an’ ireo izay nihareraka teny aman’ ny làlana ho any an­-danitra : « MIVERENA AMIN’NY FITIAVANA VOALOHANY »ny fanolo­ran-tenanao voalohany… ; Diniho ny zavatra eo amin’ ny fiai­nanao izay nahatonga anao ho any Sekema. Diniho ny fonao, ny fiainanao, mibebaha, tsarovy ny « ASANAO voalohany ary  » MIVERENA AMIN’NY FITIAVANAO VOALOHANY,..«