Miverena any Betela 004

Feno fahatsapana izay azo ampiharina amin’ ny fiainan’ olona maro ny fiainan’ i Jakoba.

Ny toerana sarobidy indrindra dia BETELA, izay nise­hoan’ Andriamanitra tamin’ i Jakoba raha nandositra an’ i Esao rahalahiny izy. Raha vao nanomboka nanaraka ny Tompo Jakoba dia nanana fahalemena betsaka, satria nanana toetra « miady varotra », raha misy zavatra tsy miteraka tom­bontsoa ho azy dia tsy tiany ny manaraka izany làlana izany. Tian’ Andriamanitra ny hitahy antsika mihoatra NOHO izay heverintsika sy angatahintsika.

Noho izany, nomen’ Andriamanitra an’i Jakoba izay nan­gatahiny : fitahiana ara-bola sy fiarovana.

Rehefa hitan’ i Jakoba ny tohatra mipaka amin’ ny lani­tra ary ny anjely miakatra sy midina eo ary hitan’ ny masony ny herin’Andriamanitra, dia hoy lzy: « Tiako ity toerana ity, sa-tria nahita an’ Andriamanitra aho », ary nataony hoe : BETELA no anarany sady nampian’ i Jakoba teny hoe : Andriamanitra ô, satria tia ahy IANAO, mahafinaritra ny miaraka Aminao, raha tohizanao ny fitahiana ahy, ka homenao hanina sy lamba tafiana aho, ary hikarakara ny fianakaviako Ianao, dia homeko anao ny ampahafolon’ izay rehetra nomenao ahy. Tamin’ izany fepetra izany dia nanomboka nitahy an’ i Jakoba Andriamanitra ary dia nandalo fahatsapana maro Jakoba. Taorian’ izany dia nankany Sekema Jakoba, dia ilay toerana nisy ota sy korontana ary fahafatesana. Tsy teo anefa no toe­rana tian’ Andriamanitra hisy azy.

Nodidian’ Andriamanitra i Jakoba handao an’ i Sekema ka hiverina any Betela izay nanaovany ny tena fanolorantena voalohany tamin’ Andriamanitra sady nahitany Azy voalo­hany… tsarovy, ry Jakoba, fa taty aoriana raha nifanena ta­minao aho dia nanova ny anaranao ho Isiraely ! MITSANGÀNA ka ilaozy ity toerana ity, ary miverena any Betela amin’ ilay FANOLORANTENANAO voalohany.

Tsy toerana tsara ho anao i SEKEMA ; Nahita fahoriana sy fahasahiranana ianao tao. Toerana fihaonana sy firaisana amin’ Andriamanitra kosa i BETELA izay ahazoako miseho aminao ». Fa efa nandre ny feon’ Andriamanitra tao izy, nahita ny heriny ary nahatsapa fandresena tao amin’ io toerana io. Nanangana alitara tao izy ary nanao fanatitra tao ka namaly tamin’ ny alalan’ ny afo avy any an-danitra Andriamanitra. TIAN’ ANDRIAMANITRA HATSANGANA INDRAYeo amin’ io toerana mahafinaritra io Jakoba, dia BETELA izany toerana izany.