Miverena any Betela 002

TOKO VOALOHANY

MIVERENA ANY BETELA

Mba ahazoanay manolotra ny hafatra ho anao izao maraina izao, ka ahafahanao mandre ny feon’ ny Fanahy Masina dia ilaina ny hamakiana ireto andalan-tSoratra Masina roa ireto, satria ho raisintsika ny fiainan’ i Jakoba mba ho sary azo ampiharina amin’ ny fiainan’ ny kristiana maro. Noho izany, dia ilaina ny mahalala ny tantara hatramin’ ny voalohany ka hatramin’ ny farany.

Hovakiantsika ao amin’ ny Gen. 28:10-22. « Dia nivoaka avy any Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana. Ary tonga teo amin’ ny fitoerana anankiray izy ka nandry teo niloaka alina, satria efa maty ny masoandro, dia naka vato tamin’ izany fitoe­rana izany izy, ka nataony ondana, dia nandry teo izy.

Ary nanonofy izy, ka indro, nisy tohatra niorina tamin’ ny tany, ka nipaka tamin’ ny lanitra ny lohany ; Ary indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe : Izaho no Jehovah Andriamanitr’ i Abrahama rainao sy Andriamanitr’ Isaka ; Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny tarana­kao ; Ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin’ ny tany,dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra syany atsimo ianao, ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany. Ary indro, Izaho momba anao ka hiaro anao aman’ izay làlan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin’ ity tany ity, fa tsy handao anao aho mandra-panaoko izay voalazako taminao.

Ary Jakoba nahatsiaro tamin’ ny torimasony dia nanao hoe : Ato amin’ ity fitoerana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala. Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe : Endrey, mahata­hotra ity fitoerana ity ! Tsy hafa ity, fa tranon’ Andriamanitra sy vavahadin’ ny lanitra

Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato na­taony ondana ka nanorina azy ho tsangambato, dia nampidina diloilo teo aminy ; Ary ny anaran’ izany fltoerana izany dia na­taony hoe : Betela, fa Lozy no anaran’ ilay tanàna tany aloha.

Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe : Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin’ izao làlana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako, ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin’ ny tranon’ ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro, ary ity tsangambato ity ho tranon’ Andriamanitra, ary izay rehetra omenao ahy, dia ho­meko Anao tokoa ny ampahafolony ».