Toy izao no tena FIFOHAZANA

Rehefa ny olona eny amin’ny arabe no matahotra ny hiloa-bava hamoaka teny manohitra an’Andriamanitra fandrao hianjeran’ny FITSARAN’ANDRIAMANITRA ; REHEFA NY MPANOTA ampangorohoroan’ny FANATREHAN’ANDRIAMANITRA, mangovitra eny an’arabe ka mitalaho famindrampo ; rehefa mifofofofo mamaky vohitra sy ny tanana ny hery tsy TAKATR’OLOMBELONA « FANAHY MASINA », ka mahazo mafy ny olona amin’ny fiaikena mampivarahontsana, na dia tsy nisy FIVORIANA manokana na FAMPIELEZANA akory aza ; rehefa ny trano fiasana na fivarotana no manjary POLIPITRA ; ka manjary ALITARA FISORONANA NY FO rehetra, ary ny TRANO FONENANA tonga « TOERA-MASINA FIVAVAHANA », ka malemy fihetsika eo anatrehan’ANDRIAMANITRA ny olona « DIA IZANY NO FIFOHAZANA ».

Nahaverezana be dia be ny hevitry ny teny hoe « FIFOHAZANA » ankehitriny, izao taranaka indray miaina izao, izay tsy mbola nahita maso akory ny fiasa-MAHERIN’ANDRIAMANITRA tamin’ny FIFOHAZAM-PANAHY LEHIBE eran’ny firenena, toy izay niseho teo amin’ny taranaka teo aloha, dia tsy mahazo an-tsaina tsara ny haben’ny « FAMANGIANA ».