Toriteny

Mety ho sitrana ianao

Ny Baiboly no fitambaran’ny tenifikasana sy ny didy… Mampiseho ny fomba hiaraha-mandeha amin’Andriamanitra ny didy, ary manambara amintsika ny fitahiana izay atolotr’Andriamanitra kosa ny tenifikasana. Ny hahavoavonjy anao aloha no zavatra mahaliana anay voalohany indrindra, ary rehefa izany dia tonga  « zanaky ny tenifikasana ianao », zanak’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly : Ny tenifikasan’Andriamanitra dia Eny sy Amena ho an’izay rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. Na iza na...

0

MITONDRA FIAINANA NA FAHAFATESANA NY SAFIDINAO

Mitondra Fiainana na Fahafatesana NY SAFIDINAO Nahoana no marary ny olona ka na ny dokotera, na ny vavaka dia tsy afaka hanampy azy ? Nataon’Andriamanitra hitovy Aminy ny olona hatramin’ny voalohany… Tsy mety maty, na marary, na nisy ota. Nandeha tsara ihany avokoa ny zavatra rehetra nandritra ny fotoana tsy dia voafetra, mandra-pitenin’i Satana tamin’i Eva sy nanontaniany azy hoe : « Nilazan’Andriamanitra...

Fandraisana MPIANATRA vaovao eto amin’ny Musics and Voice Orchestra, taona 2024

Musics and Voice Orchestra eto amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Ilazana ny Ray aman-dReny rehetra fa misokatra indray ny fandraisana mpianatra mozika vaovao amin’ireto taranja ireto : Violon, Violoncelle, Contrebasse, Trompette, Trombone, Cor, Tuba, Saxophone, Clarinette, Flûte traversière, Hautbois, Valiha, Mandoline, Banjo, Percussion. Fepetra takiana : – Ankizy lahy sy vavy 7-14 taona, – Manao Sekoly Alahady tsara amin’ny Fiangonana Jesosy...

Boky sy DVD Film documentaire. Tantaran’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Fankalazana faha 60 taona

Noho ny fanampian’ny Tompo dia nahavita nandrafitra ny Tantaran’ny Fiangonana isika ho tsangambaton’ny faha 60 taona. DVD Film sy Boky miaraka izy ireto, izay azonao jifaina amin’ny vidiny mirary, mba hananan’ny isan-tokantrano azy. Sarobidy dia sarobidy tokoa ny fananana azy ireo, satria mamelona ao anaty indray ny tantara navelan’ireo Mpanorina ny Fiangonana, ary manetsika ny fo hahatsiaro ny antson’Andriamanitra azy...

Ny Fanasan-tongotra, Jesosy Mamonjy Ankorondrano, BroDaoud Dec27 1963

Torinteny Alahady Paska 2020, amin’ny 3ora hariva NY FANASAN-TONGOTRA Jesosy Mamonjy Ankorondrano, Bro Daoud Dec 27 1963 Maro amintsika no miantso ny fiverenan’ny Fiangonana ho amin’izay niaingana (miverena any Betela, ny fahamasinana, ny firaisan-kina), ny rivo-panahy niainana teo aloha, ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fifankatiavan’ny samy zanak’Andriamanitra. Ity torinteny ity dia isan’ireo tenin’Andriamanitra faheno sy namolavola ireo raiamandreny tany...

Avereno indray ny fifandraisanao amin’Andriamanitra

Ny hoe tonga Kristiana dia tsy midika fa hanana fiainana mahafinaritra foana. Mandrakariva dia mandalo fotoan-tsarotra tokoa isika ary mila tsy hahita intsony hoe aiza no fiafaran’izao lalako izao. Arakaraky ny hanotana, dia mahatsapa isika fa miha manalavitra ny tavan’Andriamanitra ka tonga tsy maha vavaka intsony, tsy mahavita makany am-piangonana intsony. Ary manosika mafy ny fahavalo, mitondra eritreri-dratsy marobe, mitondra...

Vavaka mitaraina amin’Andriamanitra, BroDaoud Jesosy Mamonjy Ankorondrano

Amin’izao andro sarotra andalovantsika izao, izay fotoana tsy maintsy ianteherantsika amin’ny vavaka dia manasa anao hihaino ity torinteny ity. Tsy mbola nahazo ianao satria tsy mbola nivavaka, na efa lasa « kamo » mivavaka, na mivavaka tsy amin’ny hafanam-po sy fitarainana. Andriamanitra anefa matoa manentana antsika ao amin’ny Teniny mba hivavaka, dia satria efa sitrany ary efa vonona ny hamaly vavaka Izy...