Fahagagana sy Misiona – 001

FAHAGAGANA SY MISIONA

ary Asa Fitoriana FILAZANTSARA maneran-tany

TENY FAMPIDIRANA

Nahazo aingam-panahy ny mpanoratra hanatontosa ity boky ity, izay vokatry ny fifaninanana lehibe noho ireo famantarana maro fa efa mby akaiky ny farany, ary nahatsapa koa izy fa mbola maro ny hetsika tokony hatao mba hitoriana ny Filazantsara any amin’ny toerana izay mbola tsy nandre izany mihitsy, ka miandry ny fanafahana azy ireo amin’ny fangejan’ny herin’ny fahamaizinana.

Tokony ho tanjontsika ny hamboraka sy hilaza ny fomba hiasan’Andriamanitra eo amintsika rehefa tena maneho isika fa manana faniriana lehibe ao amin’ny « raharahan’ny Ray ».  Handresy  lahatra sy hampahery anao hino an’Andriamanitra sy ny zavatra lehibe hataony eo aminao ity boky ity, ary ny mba hanaovanao zavatra lehibe ho Azy ihany koa.

Ity bokin’ny “Asan’ny finoana eo amin’ny fitoriana ny famonjena sy ny fanasitranana” ity dia haneho aminao ny fiantombohan’ny asa misionera maneran-tany (tamin’ny alalan’ny fahitana) izay nataon’ny mpanoratra sy vondrona mpianatra avy ao amin’ny Sekoly ara-Baiboly any Waxahachie, Texas, tamin’ny 1946.

Vondrona iray izay tsy nanana afa-tsy vola kely dia kely, nefa sahy nandeha mba hanaraka ny dian’ny Paoly apôstôly sy ny fomba nitoriany teny teto amin’izao tontolo izao.  Nanohy ny diany samirery tany amin’ny Nosy   Karaiba sy Egypta  mpanoratra taty aoriana.

Niasa tamin-kery lehibe noho ny fanomezan’ny Fanahy ny mpanompon’Andriamanitra nandritra ireo fitoriana natao ireo, hany ka mpanao gazety silamo maro no voasarika nanatrika izany fitorianteny izany tany Le Caire, Egypta, ary olona maherin’ny 25 000 no nanatrika izany isan’andro.  Voarakitra ao amin’ny gazetim-panjakana miseho isan-kerinandro any Egypta ny zavatra izay nijoroan’ny vahoaka vavolombelona.  Hita ao amin’ity boky ity izany fijoroana vavolombelona rehetra izany. Maro sy tena lehibe ny fahagagana niseho tany Etiopia, tanin’ny mpanjakavavin’i Sheba, hany ka voatery nandray an-tsoratra ny fijoroana vavolombelona rehetra ireo pôlisy ka nitahiry izany ao amin’ny gazetin’ny pôlisy (Police Records) ao Addis Abeba, Etiopia.  Hohitanao ato amin’ity boky ity ihany koa izany fitanana an-tsoratra izany, amin’ny teny “Amharic” sy ny dikany, ary ny sarin’ireo vahoaka maro   ; 15 000 eo ho eo isaky ny fovoriana no manatrika.  Ny zavatra lehibe hafa hita nandritra ny fivoriana natao tany Etiopia ihany koa dia ny tatitra rehetra nangonin’ny tafika ho fanaporofoana fa tena sitrana marina tokoa ny miaramila izay narary. Tsy hoe te handroso volavolan-kevitra aminao fotsiny akory ny mpanoratra, fa voaporofo avokoa izany noho ireo zavatra niainany sy hitany nandritra ny folo taona nanaovany asa misonera sy fitoriana Filazantsara, ary nisy vokatra lehibe sy maharitra tokoa izany. Andriamanitra anie hitahy izao ezaka natao izao (ity boky ity) mba hikasika ny finoanao hanao zava-dehibe ho Azy.

Hitohy…