Fahagagana sy misiona – 013

FIZARANA Fahatelo

Fahataram-potoana sy ireo Fifohazam-panahy

Nanana vola hatao saran-dalnaa aho saingy tsy mba nanana nihoatra toy ny vahiny rehetra alohan’ny hidirany ao amin’ny firenen-kafa. Noho izany indrindra, nanaiky ny fanasan’ny Fiangonana pôrtôrikana ao New York City aho ary nitahy ny fivoriana rehetra natao tao tokoa Andriamanitra tamin’ny alalan’ny famonjeny fanahin’olona sy fahagagana maro. Tsy dia betsaka loatra raha ny fanatitra no jerena ary nivavaka ho an’izany aho. Nahangona 300 dôlara anefa aho efatra andro taorian’ny nahatongavako tao ary namandrika toerana ho any Egypta avy hatrany aho tamin’ny 11 Marsa 1952.

Nanjavona be ny andro tamin’ny fotoana tokony handehanako ary niezaka hanatratra ny fiaramanidina andehanako aho saingy tara loatra izany. Fantatra àry, fotoana vitsy taty aoriana fa hay nianjera tao amin’ny Ranomasim-be atlantika ilay fiaramanidina tokony nandehanako iny … Taty aoriana kelin’izay, nanao famandrihan-toerana vaovao indray aho ary hiainga ny fiaramanidina rehefa tonga ny fotoana ; nandeha tam-pinoana tanteraka aho ka natoky hatrany ny Tenifikasan’Andriamanitra.

Feno fiadanana tanteraka ny fanahiko ary diboka ny hafaliana ny saiko raha nandinika farany an’i Amerika tamin’ny fotoana izay nialako tao Boston ka hamakivaky ny Ranomasim-be…

Nazava be ny lanitra ary nanampy ny fiaramanidina handeha mafimafy kokoa ny fitsoky ny rivotra somary malefadefaka…. . Nisy vehivavy mahafinaritra iray nangataka mba hipetraka eo akaikiko, rehefa nijanona tao Roma, Italia izahay. Faly aho niaraka taminy ary vetivety foana dia samy niresaka zavatra mahaliana maro izahay. Nanentana ny mpandeha rehetra ireo “stewards” sy “hôtesses”, raha mbola tao anaty fiaramanidina izahay, mba hamaky ilay boky kely izay manoro ny fomba rehetra tokony hatao raha sanatria misy lozam-piaramanidina ka mianjera any an-dranomasina izany.

Maizina be tokoa ny alina tamin’izay ary injato tratry ny kotrobaratra izahay raha vao hanomboka hisakafo ny rehetra. Tsy tafatombina ny rehetra fa mitsanga-mitoetra hatrany, mitsilopilopy avokoa ny jiro rehetra. Teo anatrehan’izany, nivavaka tamin’Andriamanitra aho ary nino tanteraka fa hanafaka anay amin’io olana io Izy mba ho fanatanterahana ny teniny ka hahazo fanasitranana ny tany Egypta. Mbola nirotsaka hatrany ny orana rehefa tonga tany Atena, Grèce izahay. Niezaka nidina malaky ilay fiaramanidina ary nikorontana avokoa ny olona rehetra tao anatiny. Mafy loatra ny fidinan’ilay fiaramanidina hany ka tahaka ny hianjera izany ny fijery azy mandram-pijanony tanteraka teo an-tseranana. Fa ny anjelin’Andriamanitra kosa nanampy anay ary tafidina teo an-tseranana soa aman-tsara ilay fiaramanidina na dia avy be aza ny orana. Samy nitondra elo avokoa ny rehetra nivoaka ho any amin’ny trano fiandrasana(salle d’attente). Nijanona adiny telo tao izahay ary niezaka namantra ny mety ho toetry ny andro any Le Caire, Egypta ny kompania.

Maro tamin’ireo mpandeha niaraka taminay no tsy nety nandeha intsony noho ny hamafin’ny tafio-drivotra sy ny orana nentin’izany andro ratsy izany, fa Andriamanitra kosa dia nanery ahy hanohy ny diako.

Nilaza ny kapiteny raha nipetraka tokony ho ora iray tao anaty fiaramanidina izahay fa naharay filazana avy any Le Caire izy izay manambara fa mety hohozongozonin’ny tafio-drivotra izahay anatin’izany, dimy ambiny folo minitra eo ho eo. Nivavaka mafy aho teo anoloan’izany, ary tsy nisy naninona akory rehefa tafavoaka tao anatin’ilay faritra nisy oram-baratra izahay ; nisosa soa aman-tsara tahaka ireny fiaramanidina ireny ilay fiaramanidina. Tonga tao Le Caire, Egypta ihany izahay, tamin’ny 2 : 30 maraina, rehefa teny ambony teny nandritra ny ora dimy.

Raha vao nisokatra ny varavaran’ny fiaramanidina dia indro nisy vahoaka maro nanatona sady nihazakazaka nanontany hoe : “Ao anatin’io fiaramanidina io ve ny zanakavavin’ny mpanjaka? Aiza ny zanakavavin’ny mpanjaka? ”

Hoy ny “hôtesse” namaly azy ireo saky nitodika nijery tao anaty fiaramanidina : “Zanakavavin’ny mpanjaka? Tsy misy an’izany ao!”. Zavatra tsy nampoizina no nitranga avy eo : hoy izy ireo rehefa nahatazana ahy : “Ianao ve no zanakavavin’ny mpanjaka? ”. Somary nihomehy aho no sady faly ny amin’ny fomba nanokafan’Andriamanitra ny varavarana ho ao amin’io firenena lehibe io. Nivavaka mafy aho mba tsy ho vahiny be loatra amin’izy ireo satria teto dia noheverin’izy ireo ho zanaky ny mpanjaka aho. Nilaza taminy anefa aho fa tsy zanaky ny mpanjaka izany, nefa noheveriny ho mandainga aho ! Noho izany, ry zareo mihitsy no namoaka ny entako rehetra tao amin’ny ladoany, ary tsy nosavaina izany. Tena mahafinaritra tokoa ny Tompo.

Nahafantatra aho rehefa tonga tao Egypta fa hay nisy korontana be tao ary may mihitsy Le Caire renivohitra tamin’ny fotoana izay tsy nahatratrarako fiaramanidina tao New York City…. Teo ambany fitondrana miaramila mantsy ny firenena egyptiana ary tsy azo natao mihitsy ny mivoaka ny trano eo anelanelan’ny amin’ny 6 ora hariva hatramin’ny 6 ora maraina. Mazava ho azy noho izany kosa fa manomboka amin’ny 11 ora alina hatramin’ny 5 ora maraina ny andrimasom-polonolona (couvre-feu).

hitohy …