Fahagagana sy misiona – 015

FIZARANA fahatelo

… tohiny

 SOMBINY NOTSOAHANA TAO AMIN’NY DIARIKO

Tamin’ny Alahady 16 Marsa 1952, Minieh Egypta : tamin’ny 7 ora hariva no nanomboka ny fotoam-pivavahana voalohany, ary feno hosotr’Andriamanitra tokoa ny toriteny nataon’ny anadahy Sabry, izy moa no nandika teny tamin’ny fiteny arabo. Olona maro no voavonjy. Nisy zazavavy iray nanatona ary nandray ny tanako, rehefa nifarana ny fotoana. Nidina taminy ny Fanahy Masin’Andriamanitra rehefa nanao izany izy ary feno hery izy ka nanomboka niteny tamin’ny fiteny vaovao. Mbola tsy nahatsapa izany mihitsy izy hatramin’izay. Nihazakazaka nankeny anoloana mba handray ny tanako ihany koa ny sasany, raha nahita izany. Nasaiko napetrak’izy ireo teo amin’ny lohany anefa ny tanany, noho ny hamaroan’izy ireo, ka samy nandray ny batisan’ny Fanahy Masina avokoa izy rehetra. Maro ihany koa no sitrana nandritra izany. Voninahitra anie ho an’Andriamanitra mandrakizay!

Alatsinainy 17 Marsa : feno hipoka ny trano fiangonana ka tsy nisy toerana hitsanganana intsony. Rakotry ny voninahitr’Andriamanitra ny trano, sitrana ity zazalahy kely iray jamba, ary fahagagana maro sy fanasitranana hafa ihany koa no niseho tao. Efa feno olona ny trano, hatramin’ny vao maraina be. Noho izany, nanapa-kevitra izahay fa hasiana fivoriana roa isan’andro mba hahafahan’ny rehetra miditra sy mahazo ny anjarany. Natokana ho an’ny vehivavy fotsiny ny amin’ny 3 : 30 hariva, naneho ny voninahiny Andriamanitra tamin’izany ka maro no nanolo-tena sy sitrana. Amin’ny 7 : 00 hariva kosa ny ho an’ny lehilahy : nisy hatrany ny fanatrehan’ny Tompo, tao ny voavonjy, tao ny sitrana (tsy ankasitrahana ny vehivavy mitoriteny amin’ny lehilahy any Egypta) saingy tsy nijery izany intsony ireo tamin’izao fivoriana rehetra izao, ary nanomboka nametra-tanana tamin’izy ireo ihany koa aho.

19 Marsa : efa mila tsy ho tazana intsony aho noho ny hamaroan’ny vehivavy, tena maro be tokoa izy ireo. Nifanosika mihitsy izy ireo mba handray ny tanako nandritra ny vavaka ho an’ny marary. Nanao fahagagana maro Andriamanitra. Maro ireo narary nentina tamin’ny filanjàna tamin’ny fivorian’ny lehilahy ; sitrana tanteraka izy ireo ary nandeha nody tany an-trano rehefa nirava ny fivoriana. Tao ihany koa ny voavonjy ary nasiana fijoroana vavolombelona tao am-piangonana tamin’izay fotoana izay. Niandry tery amin’ny arabe ireo lehilahy ireo nandritra ny fivoriam-behivavy, ary tsy andrin’izy ireo mihitsy izay hahavitan’izany mba hidiran’izy ireo indray.

2O Marsa : nisy kotaba be tao amin’ny lalantsara izay nipetrahan’ireo vehivavy sasany nandritra ny fivorian’ny lehilahy ; nampangina azy ireo aho talohan’ny toriteny saingy tsy nampiova na inona na inona izany. Nandrara azy ireo mba hangina ihany koa ny anadahy Sabry nefa mbola tsy nijanona ihany ireo. Niantsoantso mafy izy ireo fa hay nisy vehivavy iray voan’ny “goitre” sitrana teo no ho eo ary nanjavona izany aretina izany rehefa notsapaina. Faly indrindra ny lehilahy rehefa nahita izany ary maro tokoa ny fahagagana nitranga tamin’io fotoana io noho ny halehiben’ny finoan’izy ireo. Maro ihany koa no niova fo.

21 Marsa : feno tanteraka ny trano, feno olona avokoa na dia ny lalantsara aza, ny sasany aza nipetraka tamin’ny tany. Maro noho izany no sitrana sy voavonjy. Vehivavy roa no sitrana tamin’ny homamiadana, ny iray efa nolazain’ny mpitsabo fa tsy maintsy didiana, nefa sitrana teo no ho eo rehefa nametrahana tanana sy nivavahana izany. Maro ihany koa no nandroso teny anoloana mba hametrahana tanana. Nanambara taminay izay rehetra sitrana taty aoriana fa nanao fahagagana tokoa Andriamanitra tamin’io fotoana io.

Fivorian’ny lehilahy : feno ihany koa ny trano fivavahana. Nivavaka ho an’ny besinimaro aho. Nisy lehilahy malemy iray nentina tao, sitrana sy nitsangana tamin’ny Anaran’i Jesosy izy ka afaka nandeha tsara. Nisy lehilahy iray hafa ihany koa nalemy tongotra sy tanana nandritra ny folo taona, nanomboka nanofahofa ny tanany sy nandeha izy rehefa vita ny vavaka. Voninahitra ho an’Andriamanitra ! Nisy lehilahy iray marenina koa, lasa mandre tsara ihany.

Alahady 23 Marsa : natao intelo isan’andro indray ny fivoriana noho ny habetsahan’ny olona. Ny maraina natao ho an’ny vehivavy irery, ny hariva natao ho an’ny zaza amam-behivavy, ary ny alina kosa natokana ho an’ny lehilahy lehibe. Feno olona avokoa hatrany amin’ny tohatra sy tany ambadikin’ ny alitara tao anatin’izany rehetra izany, eny, feno hatrany amin’ny arabe aza. Maro no sitrana sy voavonjy. Samy nipetraka tamin’ny tany avokoa na ny mahantra na ny manankarena, ny sasany teo amin’ny seza sy tany amin’ny toerana rehetra izay nandrenesan’ny olona ny fanamafisampeo. Maro anefa ny seza tapaka noho ny havesaran’ny olona mipetraka eo amboniny…… Nisy lehilahy iray moana-marenina hatrany an-kibon-dreniny, sitrana tanteraka ary afaka miteny sy mandre tsara izy izao, voninahitra ho an’Andriamanitra!

24 Marsa: sitrana ity vehivavy silamo iray, malemy izy ary avy lavitra, ary afaka nihazakazaka mihitsy. Nilaza izy fa hijanona hatory ao am-piangonana sady hanatrika ny fivoriana rehetra. Sitrana avokoa ny vehivavy silamo maro narary nentina tamin’ny filanjàna. Betsaka ihany koa ireo jamba tsy mbola sitrana, niandry ny fivoriana manaraka indray izy ireo. Nanome toerana malaladalaka kokoa ho anay ny Tompo.

25 Marsa : vory maro ny olona ary tahaka ny mitsangana eo ambonin’ny sasany ny fijery azy ireo ! Fanahy maro no voavonjy sy sitrana nandritra ny fivoriana. Nihasarotra hatrany ny fidirana sy fivoahana nandritra ny fitoriana Filazantsara noho ny hamaroan’ny olona marary izay maniry fametraha-tanana. Nisy vehivavy iray nanahy mafy sao dia tsy hikasika azy aho, ary natsipiny taty amiko ilay zanany izay izay efa toy ny maty ny fijery azy, soa ihany fa voaraiko ilay zaza. Niverina tao amin’ny fivoriana izy mianaka ny ampitson’iny ary sitrana tanteraka ilay zaza!

28 Marsa : nitoriteny ny amin’ny fanagejan’ny devoly sy ny fahefana ananantsika hanoherana izany aho. Omena izay rehetra mino izany fahefana izany. Nisy lehilahy sy zazavavy kely, samy moana-marenina izy ireo, nefa sitrana teo no ho eo, ary maheno tsara ny teny espaniôla izay nasaiko naverin’izy ireo tsara. Nandeha tany Biadiah, toerana iray nanaovana fivoriam-pifohazam-panahy tamin’ny janoary izahay, ary ny rahavavy Dean sy ny anadahy Kamel no nanao asa tao nandritra ny faran’ny herinandro. Nila mpitandrina izay hirahina ny rahavavy Dean. Nanolo-tsaina azy Andriamanitra rehefa nivavaka izy, mba handefasany tovolahy mpivarotra trondro maina mpitety trano iray hitoriteny. Tsy mba nandia fianarana izany ary somary mahatsikaiky ihany ny handefa azy hitoriteny mandritra izany fifohazam-panahy izany. Nivavaka sady nangataka tamin’ny Tompony ny rahavavy Dean hoe : ” Asaivo tonga ato amiko ilay tovolahy raha toa sitraponao tokoa ny handehanany, ary izy tokoa no voatendry hitory fifohazam-panahy any Biadiah raha mangataka ny ho any.

Tonga tao aminy tokoa ilay zazalahy iny ihany, nanontany ny rahavavy Deana izy, sady somary menamenatra kely : “ Izaho koa mba hiaraka aminareo ho any Biadiah”. Fantatry ny rahavavay Dean avy hatrany fa fitarihan’ny Tompo izany ; Najanon’ilay zazalahy noho izany indrindra ny fivarotana trondro maina ary lasa mpitandrina vaovao any Biadiah izy.

Izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra no hany zavatra hainy. Nianatra Baiboly izy teo anatrehan’izany mba hilazany amin’ny olona ny tenifikasan’Andriamanitra ho an’ny tsirairay. Tsaroany fa nandroaka devoly i Jesosy sy ny mpianany, ary nanao toy izany ihany koa izy avy eo. Nalahany avokoa ireo demoniaka rehetra, ary nanomboka nandroaka ny devolin’ireo rehetra ireo tamin’ny Anaran’i Jesosy izy, nivoaka niaraka avokoa ny devoly rehetra ka afaka tanteraka ireo demoniaka ireo. Nandroso fatratra izany asa fifohazam-panahy izany ary nahatratra efatra arivo ny olona tonga tao anatin’ny fivoriana iray. Saingy tsy nisy fanasitranana mihitsy tamin’izany fa fandroahana devoly avokoa no natao. Nivavaka ho an’ny lehilahy moana-marenina iray aho anio alina, sitrana tanteraka izy. Faly indrindra i Kamel, mpitandrina avy ao Biadiah rehefa nahita izany zavatra izany fa hay ny devoly mihitsy izay mahazo ny olona no mahatonga ny aretina sy ny tsy fahenoana ary ny fahajambana. Hoy izy : “Nahoana no tsy mba nahalala an’izao aho, afaka mandroaka ny devolin’ny fampahoriana sy ny fanagejana rehetra ihany koa aho ankehitriny, tahaka ireny karazany ireny”. Ary maro no sitrana rehefa nanao izany izy.

hitohy …