Fahagagana sy misiona – 016

FIZARANA fahatelo

SOMBINY NOTSOAHANA TAO AMIN’NY DIARIKO

… tohiny

30 Marsa : fitorian-teny telo no natao : feno hipoka ny fiangonana. Moana-marenina telo no sitrana. Vehivavy iray tena narary, nentina tao amin’ny fivoriana tamin’ny alahady lasa…. sitrana sady matanjaka tsara ankehitriny. Maro be ihany koa no sitrana.

2 Aprily : fivoriana voalohany natao tao amin’ny trano fijerena sarimihetsika : valonjato teo ho eo no tonga nanatrika izany : ny mpitandrina Kamel mivady no nandika ny teny. Maro no voavonjy rehefa natao ny vavaka ho an’ny daholobe. Niezaka nivavaka ho an’ny marary ihany koa izahay saingy voatery noravana ny fivoriana noho ny hamaroan’ny olona izay nikorontana.

3 Aprily : olona dimanjato sy arivo teo ho eo indray no nanatrika, anisan’izany ity lehilahy iray ity avy any Le Caire, olona ambony dia ambony tokoa izy io ary manana ny maha izy azy izy. Mba tonga teo koa izy raha nandre ny fahagagana maro nataon’Andriamanitra, satria narary ny tongony, ary naniry mafy ny ho sitrana izy. Nino izany izy rehefa nitoriteny aho, ary mba nivavaka ihany koa izy rehefa nivavaka izahay. Rehefa nilaza tamin’ny marary rehetra izahay mba hanao izay fihetsika tsy hainy natao taloha amin’ny Anaran’i Jesosy izahay dia mba nanao izany ihany koa izy ; nitsangana izy ary nihetsiketsika ny tongony ary niala avokoa ny fanaintainana rehetra. Nanatrika ny olona rehetra izy avy eo ka nangataka azy ireo mba hanambara izay nataon’Andriamanitra taminy.

Nandresy lahatra ny rehetra ny fijoroana vavolombelona nataony satria Andriamanitra no nanasitrana azy ary nanambara koa izy fa tokony hitory ny famonjena ihany koa izahay.

Nitoriteny aho ny alin’iny : “ Izaho no Fananganana ny maty sy ny Fiainana”. Manana fiainana ianao raha manana an’i Jesosy ao anatinao ! Fa ho faty ao anatin’ny fahotana sy ny heloka kosa ianao raha tsy manana Azy ! Izy no mpanome ny fiainana, ary tsy misy fiainana raha tsy misy Azy, tsy misy fifaliana ary tsy misy fiadanana.

4 Aprily : mbola fivoriana mahafinaritra ihany. Nitory ny amin’ny fahotana sy ny fifandraisany amin’ny aretina aho. Niverina tao amin’ny fivoriana indray ilay lehilahy avy any Le Caire ary namerina ny fijoroana vavolombelona indray izy. Voninahitra ho an’Andriamanintra ! Marobe ireo nandray an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny tenany manokana. Misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva ! Nidina tahaka ny anjely ny fanasitranana ary nameno ny toerana izany ka niaraka sitrana daholo ny marary rehetra raha vao nanomboka nivavaka ho an’ny marary rehetra izahay : tao ny voan’ny “hernie”, tao ny moana-marenina, jamba, voan’ny aretim-bavony, sitrana avokoa izany. Marobe ny fanasitranana tao hany ka tsy te hamarana ny fivavahana mihitsy izahay. Samy niezaka nilaza izay nataon’ny Tompo taminy avy ny tsirairay.

7 Aprily : mbola fanompoam-pivavahana feno voninahitra ihany no nitranga. Lehilahy mpitsara iray, silamo, nalemy izy kanefa sitrana tanteraka ary nankeny amin’ny lampihazo izy nanambara izay nataon’ny Tompo taminy no sady nanetsiketsika ny tanany, voninahitra ho an’i Jesosy!

10 Aprily : fivoriana farany natao tao amin’ny trano fijerena sarimihetsika : efatra arivo teo ho eo no nanatrika, maro ny voavonjy sy sitrana nandritra ny toriteny sy ny vavaka ho an’ny daholobe.

13 Aprily : fiangonana Coptic lehibe eray any Abougugas no nanaovanay fivoriana nandritra ny herinandro. Ny ben’ny tanàna no sitrana voalohany. Hipoka tanteraka ny sezam-piangonana miisa 1500, nisy aza ny nipetraka tamin’ny tany, teny amin’ny lalantsara, zara raha misy toerana asiana tongotra tao ivelany. Sitrana ireo kilemaina toy ny efa tsy misy fantenanana sy jamba raha nanatrika fivoriana indroa nisesy.

14 Aprily : olona zato eo ho eo no sitrana sy voavonjy nandritra ny fivoriam-behivavy.

15 Aprily : mpino katôlika avy any Le Caire no nitondra ny zanakavavikelin’ilay vehivavy iray izay voan’ny “fièvre rhumatique” ao amin’ny fo. Nivavaka ho azy izahay tamin’ny alina, salama tsara izyl ankehitriny sady afaka milalao.

20 Aprily : alahadin’ny Paska, tany Minieh Egypta ; nitoriteny ny amin’ny fitsanganana aho isaky ny fivoriana. Tanora dimy amby roapolo mahery no nanolotra ny fiainany hampiely ny vaovao mahafalin’ny herin’i Jesosy manoloana ny herin’ny fahavalo, rehefa nifarana ny toriteny.

Afaka ny hahazo fahafahana avokoa ny olona rehetra. (Naharay taratasy avy any amin’ny rahavavy Dean aho vao tsy ela akory izay nilaza fa tanora zazalahy dimy amby roapolo eo ho eo isaky ny herinandro no tonga nitoriteny tamin’ny tanàna dimy amby telopolo manodidina, fahagagana lehibe no niseho nandritra izany. Izany no zavatra tena nahafaly anay indrindra : nandroso hatrany ny fifohazam-panahy. )

hitohy …