Fahagagana sy misiona – 017

FIZARANA fahatelo
… tohiny

Tatitra momba ny fitoriana Filazantsara, nosoratan’ny rahavavy Dean

“ Tsy mora ny milaza ny zavatra rehetra nataon’ny Tompo nandritra ny andro niarahanay tamin’ny rahavavy Jane Collins fa izao ihany no zavatra azoko antoka : faly tanteraka ny olona ary mbola tsy nahita fifaliana toy izany teo amin’ny fiainany izy ireo hatrizay, ary mbola manantena fitsidihana hafa indray ny vahoaka rehetra. Notahian’ny Tompo tamin’ny lafiny rehetra aho, toy izany ihany koa ny zanako vavy, miresaka matetika momba ireny fitorianteny natao tao amin’ny trano fijerena sarimihetsika ireny izahay sady mihira hoe : “ Tsy misy zava-miafina tsy hain’ny Tompo”

Tanteraka ilay nofiko

“ Zavatra roa no nonofisiko talohan’ny nahatongavan’i Jane Collins : voalohany, tsy voahidiko intsony ny “robinet” rehefa avy nosokafako, hany ka lasa tahaka ny loharano izany ka nameno ny efitrano iray manontolo. Ny faharoa indray dia toy izao : nanomboka nilatsaka ny orana ary nihamafy hatrany izay, nanomboka nitete ny tafo, nisy rano ny tohatra rehetra, feno rano teny amin’ny rindrina ary dibo-drano tanteraka avy eo ny trano tahaka ireny renirano ireny.

Indreny nisy olona maro nivoaka avy tao anaty fiara sy sarety rehefa nitazana ny arabe aho, tao ny avy lavitra ary tao ihany koa ny akaiky, ary niditra izy ireo rehefa nahita ny tranonay satria tena mahafinaritra be izany, tahaka ireny hôtely fandraisam-bahiny tsara be ireny, ny sasany aza moa dia tsy nety nivoaka mihitsy satria hoy izy ireo hoe tena toerana voatahy mihitsy ity toerana ity. Tsapako ihany koa ireo fotoana mahafinaritra, indrindra ireo dimy andro nitoriana ny Filazantsara tao amin’ny trano fijerena sarimihetsika izay feno hipoka tokoa mba hihaino ny Tenin’Andriamanitra. Isaorana Andriamanitra fa nandre ny Filazantsara avokoa ny vahoaka rehetra, maro no sitrana tao anatin’izany noho ny herin’Andriamanitra. Feno hosotra tanteraka ny toriteny nataon’ny rahavavy Jane Collins.

Nahafaly ny nahita ireo olona niova fo tamin’iny alina iny ihany, feno hetaheta lalina mihitsy ny endrik’izy ireo. Eny, diboky ny hafaliana tanteraka koa ny foko. Nisy lehilahy iray ihany koa avy any Le Caire nandritra izany, sady nitsambikimbikina izy no niantso mafy hoe : “Nositranin’ny Tompo ny tongotro!” Marary hafa marobe ihany koa no sitrana, nefa mbola nisy marary tsy sitrana na dia teo aza izany, ary nifanosika izy ireo mba hositranina. Voatery nitsofoka tao anaty fiara izahay noho izany fifanosehana izany ary lasa nandeha ; vahoaka maro no nanaraka anay tao aoriana.

Ilay tompon’ny trano fijerena sarimihetsika ihany koa dia sady voavonjy no sitrana ny tongony, ny vadiny koa sitrana. Namidiny tamin’ny namany ilay trano fijerena sarimihetsika taty aoriana mba hanaovana “garage” ; ary tsy nisy sarimihetsika intsony avy eo.

Tonga nanatrika ny fitoriana Filazantsara niaraka taminay teo amin’ny lampihazo ny mpitsara sy ny vadiny ary mpikambana maromaro avy ao amin’ny governemanta nandritra ny alina maromaro. Nangataka ny rahavavy Jane ny ben’ny tanànan’i Abouguga mba hitoriteny ao amin’ny fiangonana Coptic. Valo andro izy no tany ary nitoriteny indroa isan’andro, ary nihaona tamin’ny Tompo tamin’ny fomba sarobidy tokoa ny olona rehetra. Notohizanay hatrany ny asa fitorianteny noho izany fivoriana izany. Efa nahita fifohazam-panahy mahafinaritra izahay talohan’ny nahatongavan’ny rahavavy Jane Collins, fa tena hafakely kosa tamin’ity. Hita mihitsy fa ny tsirairay mihitsy no tairina sy fohazina. Ampahany ihany ireo volazako ireo fa deraina hatrany ny Tompo satria manao zava-dehibe ho an’ny olony Izy nandritra ireo andro ireo!”

Hoy ny rahavavy Mabel Dean avy aty Minieh Egypta

Minieh Egypta, 5 Aprily 1952

“Misaotra an’Andriamanitra lehibe aho noho ny famonjeny ahy ka nahatonga ahy tsy nodidiana. “hernie” nandritra ny herintaona aho nefa hain’Andriamanitra ny manasitrana antsika. Afaka manao izany Izy raha toa ka manatona Azy tsy am-pisalasalana isika fa feno fahatokiana tahaka izay nataoko. Vavaka tsotra no nataoko hoe : “Tompo ô, fantatrao ny olana misy eo amiko, ary azoko antoka fa hanaisotra io “hernie” io Ianao”. Nanasitrana tanteraka ahy Andriamanitra rehefa nanatrika fitoriana filazantsara intelo izay nataon’ny rahavavy Collins aho. Nikasika ahy ny tanan’ny Tompo rehefa nivavaka ho ahy izy ka sitrana aho. ”

Hoy Morris Hnna Aldel Said

Mpitam-bola iray ao amin’ny “Département d’Irrigation”

Minieh Egypta

« Voan’ny rhumatisme » aho nandritra ny roa taona. Tsy nisy vokany teo amin’ny aretiko na dia efa nanatona dokotera maro sy notsindronina ary nihinana pilina sy karazam-panafody maro aza aho. Saingy sitrana tanteraka kosa aho nandritra ny fitoriana Filazantsara. »

Hoy S Benjamin

Habid Boutros Abadir, Pay Clerk M. Eux, Work Shop E. S. R,

Minieh Egypta

“Nivavaka tamin’Andriamanitra aho talohan’ny nanokafako ny masoko mba hampaherezany anao ka hahafahanao mitari-dalana ny olona rehetra. Nisy fanaintainana tao amin’ny lamosiko raha tonga nanatrika ny fitoriana Filazantsara tao amin’ny trano fijerena sarimihetsika aho. Afaka tanteraka anefa ilay fanaintainana rehefa nifarana ny fivoriana ka sitrana aho. Avy amin’Andriamanitra izany ary te hivavaka foana aho mandram-pahatongan’i Jesosy ao amin’ireo rehetra izay tsy mbola mahafantatra ny lalana tsara tokony hizorany. ”

Hoy Hbid Boutros Abadir

Beni Mazar, Egypta

“Nampahorian’ny aretina maro aho ary anisan’izany ny aretin-doha, “rhumatisme”, fo, vavony, kohaka ary aretina maro hafa. Efa nanatona dokotera maro, efa nitsindrona sy nihinana fanafody maro isan-karazany saingy tsy nisy vokany teo amin’ny aretiko izany rehetra izany. Vao mainka niharatsy hatrany ny fahasalamako tao anatin’ny roa taona. Efa nikohaka foana aho hatramin’ny fahazazako, fa nanasitrana ahy tanteraka kosa Andriamanitra ankehitriny nandritra ny fitoriana Filazantsara tamin’ny 3 Aprily 1952. Deraina ny Anaran’ny Tompo, ary voninahitra ho Azy irery ihany!”

Hoy Wilson Hanna

Minieh Egypta

“Nampijalian’ny aretin-tratra “pneumonie” aho, isaorana Jesosy fa sitrana aho izao, misaotra ny rahavavy Collins izay nitory ny fanasitranana ihany koa. ”

Hoy Warda Hussa